essera

1. fijo ( 05/05/2009 20:51)
mba fantar'i essera ve hoe hoatrinona izao no karaman'ny ao amin'ny hat???4 000 000 ariary,izany hoe 20 000 000fmg.ka fandaniampoana io sa ahoana,fa ny vahoak anandany andro nametraka azy teo izao mba ahoan any fiainany???izany le notakiana sa ahoana?
novalian'i razily1 ny 06/05/2009 22:41
2. xxx ( 05/05/2009 21:15)
saika nanontany aho hoe nankaiza i fijo kanjo efa tonga toto le mahery fo
3. fijo ( 05/05/2009 21:18)
tsy mahery fo ,fa mba mahit any lazain yery ambany ery ,de manontany azy
4. ravalotgv ( 05/05/2009 21:28)
kely ve le karama raha hividianana sniff sy tcrouff sa betsaka aloha ho anay tsy an asa


:@ :@ :@ :@ :@ :@
5. xxx ( 05/05/2009 21:29)
Ka ny hiady ny andray io vola io sy ny pouvoir ahafahana mangorona harena mihintsy anie no maha maimay ireto mpanao politika Malagasy ireto e! Tsy ankanavaka io an! Dia ialahy vahoaka madinika no asainy manosika azy,nefa rehefa azon'ny io vola io, angaha ialahy fantany akory.
Dia mbola gaga aminareo izay manohana an'i ra8 sy tgv sy deba sns... aho marina.
Angamba misy zavatra tsy ampy ao anatin'ny fiforonan'ny atidohan'ny Malagasy maro, mety vokatry ny tsy fahampiana vitamine faha-kely koa angaha ka tsy afaka ny mba hijery lavidavitra.
6. xxx ( 05/05/2009 21:41)
Slt elah fijo ,i essera anie lesy bandy tsy mipoitra eo raha tsy efa dozy é,kotabao lesy izy ry ravalotgv fa nedala iny mantsy tsy mahazaka fofony
7. bazylou ( 05/05/2009 21:58)
aza mampiresaka ry fijo a!!
8. xxx ( 05/05/2009 22:00)
Hay ve elah é,fa taiza foana leity elah no manao mpamosavy tsy mivoaka raha tsy alina ty klé
9. xxx ( 05/05/2009 22:06)
Efa nanahy mafy mantsy izahay tato fa voan'ny gripa tgvendrana hono elah lazain'i andrywui
10. falyfenosoa ( 06/05/2009 04:50)
fijo: 3 400 000 ariary ny karaman'ny mpikambana ao @ HAT, ao anatin'io ny carburant sy ny saran'ny finday(credit de communication).
Raha oharina @ karaman'ny Senateur teo aloha izany dia ny carburant nomena ireo senateur teo aloha dia 3 000 000ar, ny karama mbola tsy ao anatin'io sy ny saran'ny finday. Raha atambatra ny vola noraisin'ireo senateur teo aloha dia 8 000 000ariary na 40 000 000 fmg.
Asa na mba fantatr'i fijo izany na ahoana, fa dia faly hitsikera fotsiny.
Ifijo mantsy raha ny fahalalako ny firesak'ireo namana sasantsany dia zandrin'ny ministra anankiray tao @ fitondran'i Ravalomanana, ary anisan'ireo nikarakara ny fakana ireo hazo sarobidy tany @ faritra avaratra.
11. taralila09 ( 06/05/2009 06:13)
FANAPEPOANA NY TERRORISME SY VIOLENCE NO ATAO
ARY FITAKIANA NY FANKATOAVANA NY FANDAMINANA ADDIS ABEBA

ATAO HAZALAMBO HONO ATOA CONSTANT RAVELOSON

Tsy maintsy avaditsika ho herin'ny tolona io fandrahonan-kofaty nataon'i Charles tao Ankorondrano io.

Na mahazo vahana io fomba ataony io dia bibilava sinambotr'ankizy isika.
Na voapetraka HAINGANA TSY MISY HATAKA ANDRO @ media rehetra, @ fitsarana sy ny mpiaro zon'olombelona ary indrindra @ mpifandray @ diplomaty dia ASIANA FARANY IO SETRASETRANY IO. Fampiharana ny points 6 sy 8 @ Addis Abeba.

1°- Tsy misy taratasy fiantsoana azy ho eny Ambohibao. Tsy misy mandate mampisambotra fantatra hatr@ fotoana nandehanany teny Ankorondrano. Koa fihazana olona tsy misy lalànany no ataon'io Charles io

2°- Raha ny "prétexte" notabatabainy teny Ankorondrano dia tsy inona fa ny tenin'i Fidèle Razanapiera tao @ VIVA milaza fa mahatantesa i Constant R. fa namaky ady (déclaration de guerre).Nanamafy an'io ny La Verité.
Fantatrareo tsara fa tsy mba fomban'i Constant R. izany.
Angamba io ilay Absaloma (Tsy an-tany tsy an-danitra ny HAT-TGV. Ka na izy mizotra @ làlan'ny tenierana dia sortie de crise, na izy mikiry manaraka an'ireo miaramila lian'ady sy lian-drà ireo dia fantatra fa misy fanaovana azy ny mpanongam-panjakana eran'izao tontolo izao.
Kanefa tsy any no tena izy. Ny tena resaka dia ny famotehana aman-kery ny hetsiky ny ara-dalàna no efa tetiky ny VIVA t@ iny.

Ireto no vava nataony (fa misy ny rakipeo):
- Ataovy tonga eny Ambohibao I Const Rav fa raha izahay no mahita azy hataonay mahamay izy
- Je le veux dans mes mains
- Tsy maintsy azonay izy na ho ela na ho haingana
- Mbola madio ny tànako ireto fa ianareo no nandoto azy

3°- Ireto no azo ifarimbonana tsy misy hataka andro araka izay tratra hanararaotana ny hadalany:
- Fitantarana, Rakitsary ary rakipeo aely manenika ny media
- Fitarainana "plainte" ampanaovina ny avocats. Appel à témoins atao an-karihany mba tsy ho any @ mangingina
- Fampahafantarana sy fanetsehana ny "Droits de l'Homme" hatrany ivelany
- Indrindra fametrahana @ diplomaty sy @ antenne opérationnelle groupe de contact eto an-toerana ny fitakiana fampitsaharana ny ataon'i Charles (conforme @ tapaka Addis 1er mai, indrindra ny point 8 momba ny herisetra avy @ "autorités de fait" ary voateny ao mihitsy ny "forces de sécurité"
- Ny fiangonana
Dia ny media kosa mamoaka analyse sy denonciation.
Koa mila mifanampy isika ho fanavontana ny firenena latsaka ankaterena toy izao.Am-bava homana am-po mieritreritra.
Mankahery antsika rehetra mpitolona ho@ ara-dalàna daholo!
haparitaho ho@ hafa ity message ity.
Ny ara-dalàna
12. xxx ( 06/05/2009 06:14)
Tena nasosan'ny moly le bandy ity marina :{ :{ :{ :{
13. Mirananirina ( 06/05/2009 08:29)
mbola hatsikana ihany :(
14. KALACK ( 06/05/2009 09:02)
mirana ! efa hosamborina daholo ve ny tim zao de mbol hatsikana ihany ???
15. xxx ( 06/05/2009 13:00)
Zany io taralila a
Efa nolaizain'ny capsat fa azy ny fanjakana fa reto HAT reto anie ka saribakoly fotsiny é,
16. fijo ( 06/05/2009 21:47)
hihih diso le resak ahenon'i faly kay raha izany
17. razily1 ( 06/05/2009 22:41)
ka izahay aty aloha efa milamina fa aleo vonoiny ao ze tsy mahay zavatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0389