I KOMANDA SARLA zany no manana ny fahefana feno.

1. bozyboleta ( 05/05/2009 04:55)
Izy no manao ny lalàna, izy no mampandeha ny raharaham-pirenena, ary izy no hita etsy sy eroa manatanteraka ty asa fampihorohorona, fisamborana sy herisetra ty.

Ampahibemaso no anaovany fandrahonana ho faty ary toa raisiny ho voninahitra ho azy mihitsy ny anehoany ny habibiany.

Eo anatrehan’izany dia moana tsy andrenesam-peo na ny cemgam, na ny ministry ny foloalindahy, na ny praiministra, ary ny filohan’ny hat moa dia toy ny nozairina mihitsy ny molony fa tao anatin’ny herinandro vitsivitsy zay dia tsy niloa-bava na kely aza.

I sarla zany no tompon-tanàna e! Tsisy ninoninona mande eo raha tsy i sarla no mibaiko.
répondu par bozyboleta le 05/05/2009 09:00
2. xxx ( 05/05/2009 05:20)
inna no fantatry lay aza mahita ny vilaniny andro sy alina io mampite hanapoaka n lohany
3. mazavajery ( 05/05/2009 05:46)
ny zavatra atomboka rehetra dia tsy maitntsy misy farany avokoa , na ho an i andry tgv na sarla capsat na ny hat .samy hotsarain ny tantara eto daholo ireo ,ary an i lahaie no tsy maintsy hiafaranireo satria efa fantany fa crime de guerre izy ireo ka manadio tena mafy fa ny fanadihadiana mandeha ny sary mipetraka tsy azo kosehina ny zavamisy iharahamalala , tsy mety hadio ireo na inona ataony na inona ataony
4. tsiafoi1 ( 05/05/2009 05:51)

Izao ny fitondrana azo tamam-basy.

Iza moa ny fitondrana tsy niantehitra tamam-basy aman-tafondro teto an-tany, fa rehefa nifoterany, na iray maty, na iray nitsingaona (Gorbatchev, Hitler, Sadam Hussein, Ratsiraka, tsy maninona anisany koa Ravalomanana...)

Tsy hisy ny haharitra mandrakizay fa mana-petra ny zava-drehetra. Mbola ho avy ny fotoana voatendrin'Andriamanitra ho azy ireo. "Tetezana mifarana eo afovoan-drano. Mandrangaranga basy ho hery fiarovana". Mbola ho avy ny fotoana, ary tsy handingana ity taona ity akory, fa ny fahendrena de ny toy ny tantely, maty mamela mamy, mba hitondra fahasoavana ho an'ny taranaka mandimby, de ny malagasy izany, fa tsy sanatria ny fatsoraly sy taranany no hitavana ity firenena ity.
5. bozyboleta ( 05/05/2009 06:39)
Niteraka tsikera maro ty resaka «fahefana feno» ty nanomboka t@ fanomezan-dRavalomanana fahefana ny manamboninahitra zokiolona indrindra t@ tafika hanagana ny fitondrana miaramila ka nanomezan’ireo manamboninahitra ireo (izay tsy ny zokiolona akory) avy hatrany ny «fahefana feno» ho an’i tgv. Tsy asiana resaka intsony hoe t@ alalan'ny basy sns fa efa niaraha-nahita moa iny.

Dia na tsisy didy nambara ampahibemaso ka nanomezan’i tgv izany «fahefana feno» izany an-drasarla aza dia hita izao fa efa any @ sarla ny «fahefana feno». Izy no tompon’andraikitra voalohany eto Madagasikara ary tsisy afa-mihetsika raha tsy mahazo fankatoavana aminy.
6. tsiafoi1 ( 05/05/2009 07:55)

Ka hitodiho ny lasa..., fa tsy ho ela de io basy arangarangan-dRasarla io ihany no afotiny any amin'ny HAT. Rehefa hitsimbadika ny tantara de tsy maintsy izay ny zava-hisy.
7. bozyboleta ( 05/05/2009 08:24)
MIDI (5 Mai 2009)

(...) Le Cdt Charles Andrianasoavina s’est déclaré pour la liberté d’opinion et d’expression, mais il ne peut pas tolérer la violence sous toutes ses formes. « Tout le monde peut s’exprimer, comme ce qui s’est passé durant quelques mois sur la Place du 13 mai. Les manifestants rentrent sagement chez eux après le meeting. Mais, à partir du moment où les gens versent dans la violence, il faut que je prenne mes responsabilités. », a-t-il expliqué. Un adjudant du CAPSAT d’ajouter : « Quand nous agissons, personne ne peut nous empécher ni nous donner des ordres, MEME LE PRESIDENT DE LA HAT ANDRY RAJOELINA. » (...)

Efa izy tokoa izany no tompon'ny tanàna e!
8. xxx ( 05/05/2009 08:51)
efa hoe tezeve lavasanga ndray zao no samborin'i sarlakely.mihisakisana ry bozy sao de ataon'i sarla boledaka eo an
9. bozyboleta ( 05/05/2009 09:00)
Tsy hahazo an'i Bozy zany io na handeha mbamin'ny lohan'io aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0419