Ha zalah!

1. kally ( 04/05/2009 14:27)
Dia variana aho rehefa mba mandalondalo eto ka tsy aritro intsony ny farany.
Mifanasa vangy, dia mifandrangitra, dia mifanompa...no hitako rehefa resaka momba ny toe-draharaham-pirenena no mandeha eto. Tsy iray ihany ve moa ny tanjontsika rehetra, dia ny hahasoa ny havana aman-tsakaiza rehetra sy hampandroso an'ity firenentsika ity e? Raha laniana hikaonan-doha sy hiresahana amim-pilaminana izao ny fotoana lany nifanebahana teto efa nisy hevitra mivaingana mihitsy.Sa nisy tombotsoa azo fa tsy hitako? Eisy aho hoe rankizy! :-* Samy mararirary anaty daholo amin'ny toe-draharaha tsy mety, dia mbola ampiana tsy fifankatiavana koa ve tsy ho raharaha be? mahery ianareo kah!
novalian'i Papoose ny 05/05/2009 22:46
2. sakaizakely ( 04/05/2009 15:13)
zay no mampisongandina ny fahendrena malagasy :wink:
3. hery ( 04/05/2009 15:25)
Efa fihatsaram-belantsihy fotsiny sisany fihavanana malagasy sy firaisam-pirenena izany.

Ataon'ny sasany fitaovana hamoretana olona fotsiny ilay hoe ny tanindrazana jerena... (ny dikany dia hoe aza mitabataba fa aleo izahay hanao be sandry)

Fa tsy voatery hoe hahazo tombony koa aloha vao miteny e :-)

Mijery tombony ho an'ny hafa dia tsy manaiky izay karazana famoteham-pirenena rehetra na avy amin'ny andaniny na avy amin'ny ankilany.
4. menalamba ( 04/05/2009 18:06)
Ita hoa . Manaiky ny lazain'i Hery aho ,sady koa anie sahala @ vatolampy ka raha mangina hangeren'ny vorona é . Misy miaro ny tsy fiaro dia hangina fotsiny ve? :roll:
5. kotobekibo ( 04/05/2009 21:08)
zà aloha d kivy @ fifanopana eto na any @ site hafa e!
gaga tanteraka !
na misy tombotsoa na tsy misy , maninona no mifanopa sy mifanasa vangy .
Tsy aleo v ny hevitra no ampiadiana ,
mahazo manatsikera koa anefa ary manome vahaolana raha mànana ,
mazotoa e!
8O :(
6. xxx ( 04/05/2009 23:19)
Matoa misy ny opa dia natao hotenenina. Misy ireo mendrika azy.
7. soanja ( 05/05/2009 00:50)
kally:

Dia variana aho rehefa mba mandalondalo eto ka tsy aritro intsony ny farany.
Mifanasa vangy, dia mifandrangitra, dia mifanompa...no hitako rehefa resaka momba ny toe-draharaham-pirenena no mandeha eto. Tsy iray ihany ve moa ny tanjontsika rehetra, dia ny hahasoa ny havana aman-tsakaiza rehetra sy hampandroso an'ity firenentsika ity e? Raha laniana hikaonan-doha sy hiresahana amim-pilaminana izao ny fotoana lany nifanebahana teto efa nisy hevitra mivaingana mihitsy.Sa nisy tombotsoa azo fa tsy hitako? Eisy aho hoe rankizy! :-* Samy mararirary anaty daholo amin'ny toe-draharaha tsy mety, dia mbola ampiana tsy fifankatiavana koa ve tsy ho raharaha be? mahery ianareo kah!


Tongasoa indray zany i Kally!

Nanimba antsika ny Politika ary hanapotika ny planeta tany mihitsy.

Tsy azo iodivirana io satria tsy novolena tao anatintsika tsiraidray avy ny tena Fitiavana ka sarotra ny hahazoana tany malemy iray hanorenam-pangady.

Tsy midika akory anefa izany ka hanary toky isika. Rano iray ihany no iampitana saingy ny lomano no samihafa ny fitrangany.


8. sapele ( 05/05/2009 10:06)
isaky ny tonga eto za dia miomana ny hiomehy sy ho tafitohina,izay no anaovako hoe,,ohatran'ny mijery tom n jerry indray e!
9. Papoose ( 05/05/2009 22:46)
Tadidio fa toerana iray ivalamparan'ny sasany zay tsy sahy miseho masoandro @ itony forum itony ka dia atao ahoana fa rehefa afaka ny fony na reraka izy na leo dia mijanona ihany!!!!

efa impiry impiry moa izay!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1617