Capsat: kidoro avy koa angalarina

1. hery ( 04/05/2009 14:21)
Sa izany ve no hoe kidoropamba? lolll mampalahelo ny capsat fa zany hoe taolana ny nify.
Soa ihany fa roa volana sisa.

gazety taratra:
Ans Ampefiloha

Fandriana 75 sy kidoro 50 lasan’ny miaramila

Nanomboka ny alatsinainy heriny lasa teo no tonga teny amin’ny Ans Ampefiloha ny mpitandro filaminana nirongo fitaovam-piadiana. Tonga haka ireo fandriana niisa 75 sy kidoro spaonjy 50 fampiasa amin’ny fampivondronana mpilalao ry zareo. Nandritra ny herinandro ny fandravana ireo fandriana ireo. Araka ny fanadihadiana natao, nitondra taratasy avy amin’ny sekretaria jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana avo momba ny tetezamita(Hat) ireo mpaka entana. Nahazo ny fankatoavana avy tamin’ny tale jeneralin’ny komity mpanomana ny lalaon’ny Nosy na ny Coji izany. Tsy nisy ny fanazavana ho an’ny mpiandraikitra ilay foibe fa noterena fotsiny hanatrika ny fandravana ny fandriana sy ny fakana kidoro izy ireo. Manamboninahitra kapiteny no nitarika ny fakana izany, izay tsy nilaza mazava ny hitondrana sy ny hampiasana ny entana nalaina.

Tsy nisy nanohitra ny fampiharana ity didy ity ny mpiasa tao na heverin’ny tompon’andraikitra azo an-telefaonina omaly, fa tsy mety aza. Fitaovana tena ilain’ny mpanao fanatanjahantena malagasy ireo kidoro sy fandriana ireo. Eny an-toerana hatrany no misy fampivondronana ireo ekipam-pirenena na avy amin’ny taranja inona na taranja inona. Ireo no hany fitaovana arifomba ampiasain’ny mpilalao kanefa noesorina tamin’izy ireo indray.

Tsy mahagaga

Niteraka fanakianana sy alahelo tamin’ny mpitia fanatanjahantena izao toe-javatra izao.

Tsy mahagaga loatra azy ireo anefa ny fihetsiky ny fitondrana mijoro. Zary ankilabao hatrany ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena hatrizay. Anisan’ny sehatra tsy mbola nahazo minisitra rahateo ry zareo ary toa tsy mahadodona akory ny fametrahana olona ho amin’izany. Araka ny vaovao farany azo, mahatratra folo ireo olona miady toerana ho minisitry ny fanatanjahantena. Anarana maro no miparitaka saingy misy amin’izy ireny anefa ny olona efa maloto : nanodikodim-bola tany amin’izay departemanta notantanany tany amin’ny faritra. Misy indray ireo olona tsy nahomby tany amin’ny federasionina nentiny teo aloha saingy nahatsiaro ho voailikiliky ny fitondrana teo aloha ka nijapy masinina niova ho Tgv. Manahirana ny fisafidianana ireo olona hapetraka ho minisitra, indrindra amin’ny vanim-potoana ilàna fanarenana goavana ny tontolon’ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena. Anisan’ny nankasitrahan’ny mpilalao ny fikasan’ny governemanta hametraka an’Atoa Ntsay Abel ho minisitra. Tsy hita popoka sy tsy azo tamin-telefaonina anefa ity farany ny andro namoahana ny lisitry ny mpikambana tao amin’ny governemanta.

Mitohy ny ady seza...
2. xxx ( 04/05/2009 14:25)
Ary hitako mimenomenona be be le kidormpamba ao ambany ao klé :-D :-D :-D :-D
3. SerzaKomanda ( 04/05/2009 14:32)
da revy be ndray eny Fiadanana fa naazo kidoro t@ 5etoile CARLTON!
tondrana kidoro eny @pompy refa misy sipa kely matsaka @alina fa nakaiza oa le basiko teo!!
4. xxx ( 04/05/2009 14:33)
Ny ady seza aloha esty andaniny dia tsy ferana intsony é, ny tsy fisiana'ny saosy koa etsy ankilany dia mamely vaikaery ka raha hijoro ny ministeran'ny fanatajahantena dia mba efa vonona ihany zay loha ny kidoro halatra ,toa ny fanjakana halatra ihany é
Mampalahelo ny zava -misy tena menatra maheno le hoe fanjakana jadona ny misy eto Madagasikara
5. Noue ( 04/05/2009 14:56)
angalarina daholo
*kidoro
*vary
*menaka
*lafarina
*vola

zany oe tena faran'zay fadiranovana ve ireo miaramila no mangalatra zay hita rehetra ee??? tena mampalahelo, dia aiza zao rondefo sy ry tgv @ zao halatra tsisy farany zao??? sa tena mitombona marina ilay oe M/car sous directoire militaires satria tsy afa miteny na iza na izy?? dia ny didy jadona hatrany no manjaka ee

6. xxx ( 04/05/2009 15:07)
Io mihitsy no tena mahagaga fantoche ve ny gouvernemanta ao é,tsy misy porte parole milaza zay miseho mihintsy ry zalahy fa de mimpirina matahotra capsat ,ary zay no mahatonga reto miaramilakely hangalatra angamba fa tsy nahaloa saoasy ntsony ny TGVendrana???
7. Oay ( 04/05/2009 15:11)
Noue:

angalarina daholo
*kidoro
*vary
*menaka
*lafarina
*vola

zany oe tena faran'zay fadiranovana ve ireo miaramila no mangalatra zay hita rehetra ee??? tena mampalahelo, dia aiza zao rondefo sy ry tgv @ zao halatra tsisy farany zao??? sa tena mitombona marina ilay oe M/car sous directoire militaires satria tsy afa miteny na iza na izy?? dia ny didy jadona hatrany no manjaka ee

Ka marina fa tena fadiranovana mihintsy ireo miaramila ireo satria nandritra ny fito taona nitondran'ny be ronono ry zalahy tsy nitsahatra nidina ny farimpiainany, d lasa soavaly tapakofehy ndray ry zalahy d manararaotra an'ilay tany tsy milamina!

D ny HAT anefa mbola miady mafy @ hametrahana filaminana satria ny mpametraka odin'akondro ery Andraharo ery mbola miketrika mafy ny hamerenana ilay mpitsoamponena izay efa iaina @ lapa satria efa nangataka fampiatranoana ao afrika ao!

Ka io d matoa ry zalahy afaka manararaotra d satria misy ny mpanankorontana!
8. xxx ( 04/05/2009 15:16)
Enao ry oay mba olona misaina ihany a, ary aza mandray vilana ny fanontaniana na manao intrpretation vilana,
Tsotra kely fa aza variana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso;
raha marina no voalazanao dia tsy ny capsat irery no nanao setrasetra ,ary natoa ry zareo no nanao izany dia tsy maintsy mila miaramila ny tgv raha tsy izany tsy tafa , ary ho takaolin'izay dia tsotra ny deal, "SAOSY" azonao ve ,mbola maharaka ve tsika é
9. Oay ( 04/05/2009 15:28)
xxx:

XXX ny interprétation-nao no somary ahitsio kely satria : RAHA NY CAPSAT IRERY NO MANAO NY SETRASETRA MANINN NY MIARAMILA SASANY NO TSY MIHETSIKA MANOHATRA IZANY.

Efa nazavaiko teto fa kobaka hisasahana io, Qui ne dit mot consent!
Misy ny mpandalina.
Misy ny mpanantateraka!
Misy ny mpandamina!
D misy ny mpanao ny asa maloto (sale boulot)!

10. ravonjison ( 04/05/2009 15:43)
Oay:

Noue:

angalarina daholo
*kidoro
*vary
*menaka
*lafarina
*vola

zany oe tena faran'zay fadiranovana ve ireo miaramila no mangalatra zay hita rehetra ee??? tena mampalahelo, dia aiza zao rondefo sy ry tgv @ zao halatra tsisy farany zao??? sa tena mitombona marina ilay oe M/car sous directoire militaires satria tsy afa miteny na iza na izy?? dia ny didy jadona hatrany no manjaka ee

Ka marina fa tena fadiranovana mihintsy ireo miaramila ireo satria nandritra ny fito taona nitondran'ny be ronono ry zalahy tsy nitsahatra nidina ny farimpiainany, d lasa soavaly tapakofehy ndray ry zalahy d manararaotra an'ilay tany tsy milamina!

D ny HAT anefa mbola miady mafy @ hametrahana filaminana satria ny mpametraka odin'akondro ery Andraharo ery mbola miketrika mafy ny hamerenana ilay mpitsoamponena izay efa iaina @ lapa satria efa nangataka fampiatranoana ao afrika ao!

Ka io d matoa ry zalahy afaka manararaotra d satria misy ny mpanankorontana!

Ianao itý ry OAY dia mampihomehy mihitsy, efa hita fa ratsy izao ny ataon'ireo miaramila dia mbola arovana sy hamarinina foana.
11. xxx ( 04/05/2009 15:55)
Tena hita mitsy ela ry leoay fa tena jamba manao taondasa tsy tsaroana taiza ary t@ ny androniza ny miaramila no nitafy tsara ary nanana ireny camion ireny sa nalefandratsiraka sy tgv ve reny , jereo fa 7 taona monja de nahazo an'ireny ny rasily nefa zao mivadika be tsy menatra de mbola potehana ihany ny efa vitan'ilay olona ho hita eo ny adin'lisany e ! zay tsy mba manao taondasa tsy tsaroana
12. Oay ( 04/05/2009 16:02)
ravonjison:

Ianao itý ry OAY dia mampihomehy mihitsy, efa hita fa ratsy izao ny ataon'ireo miaramila dia mbola arovana sy hamarinina foana.

Aleo azava fa tsy MANAMARINA (Justifier) izay ataon'ny CAPSAT i Oay fa kosa manazava izy ny antony nahatonga izao zavatra izao!

Azavaiko i ravonjison izao d hitako hoe mahalala fomba d ny fanazavana azoko omena @ izany d hoe satria tsara taiza n'i dada sy neny, satria ozy ilay teny izay rehefa mahita zaza maditra ny olona "Mba zanak'iza koa ary itony" noho izany matoa mahantra ny miaramila ka mangalatra d satria ny mpitondra no tsy nikarakara anazy toa ilay ray amandreny tsy nananatra ny zanany é!

D hiteny indray izao ianareo hoe : Ka maninn no tsy mangalatra daholo d valiny ny mpamaky trano sy ny mpamono olona ihany no mora tratra fa ny mpangalatra eny ambony latabatra d tsy tratra raha tsy misy ny tolona!

13. ravalotgv ( 04/05/2009 16:24)
toa alefa eny tsiafahy sy antanimora reny fa oaynnn be tami nandalovan ny ambasady namangy teny fa natory t@ ravindrongony ry zalahy

mande be ny biziny ao antanimora hono

sniff
tchrouff

:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
14. Noue ( 04/05/2009 18:05)
"Oay":
D ny HAT anefa mbola miady mafy @ hametrahana filaminana
dia mba sahy koa ianao milaza an'io aaa!! sérieux ve zany ??? aoka marina mafy eee!! hatramizay ka hatramy zao , moa ve mba nisy io fiadiana @ fametrahana filaminana io ny haute autorité de TRAHISON ????
15. xxx ( 05/05/2009 05:25)
fadiranovana mihintsy reo ex resep reo e! zao vao mba mihaina fa fanjakan'adala no tafapetraka mantsy
16. ravonjison ( 06/05/2009 09:26)
Oay:

ravonjison:

Ianao itý ry OAY dia mampihomehy mihitsy, efa hita fa ratsy izao ny ataon'ireo miaramila dia mbola arovana sy hamarinina foana.

Aleo azava fa tsy MANAMARINA (Justifier) izay ataon'ny CAPSAT i Oay fa kosa manazava izy ny antony nahatonga izao zavatra izao!

Azavaiko i ravonjison izao d hitako hoe mahalala fomba d ny fanazavana azoko omena @ izany d hoe satria tsara taiza n'i dada sy neny, satria ozy ilay teny izay rehefa mahita zaza maditra ny olona "Mba zanak'iza koa ary itony" noho izany matoa mahantra ny miaramila ka mangalatra d satria ny mpitondra no tsy nikarakara anazy toa ilay ray amandreny tsy nananatra ny zanany é!

D hiteny indray izao ianareo hoe : Ka maninn no tsy mangalatra daholo d valiny ny mpamaky trano sy ny mpamono olona ihany no mora tratra fa ny mpangalatra eny ambony latabatra d tsy tratra raha tsy misy ny tolona!

Mba tongava saina ry OAY a . Efa hita fa latsaka ankaterena ny firenena satria fanjakana azon' adala no misy. Ny hanaovana ny fifidianana haingana no eritrereto.
Voalazanao : " Azavaiko i ravonjison izao d hitako hoe mahalala fomba d ny fanazavana azoko omena @ izany d hoe satria tsara taiza n'i dada sy neny, satria ozy ilay teny izay rehefa mahita zaza maditra ny olona "Mba zanak'iza koa ary itony" noho izany matoa mahantra ny miaramila ka mangalatra d satria ny mpitondra no tsy nikarakara anazy toa ilay ray amandreny tsy nananatra ny zanany é! "
Io dia tsy asiako resaka be loatra satria hitako fa tsy misy lohany sy vodiny.Tsy izany mihitsy akory no " raison " azon' izy ireo hanamarinana ny fangalarana sy ny fampihorohoroana ataon' izy ireo. Fomba fisainana tena ambany sy tsy avotra izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2575