Teny @ Mozole

1. xxx ( 02/05/2009 21:04)
Ny Asabotsy hariva lasa teo, raha handeha hody iny aho satria avy nanatitra sipa teo Ankatso, ka nanitsy teo @ ilay lala-manapaka ao ambadiky ny Mozole iny dia nahare feon'olona maromaro mivory.

Nojereko anefa ny manodidina, toa tsy nahitana n'iza n'iza. Ilay feon'ny mpivory anefa toa tsy lavitra fa toa teo manodidina akaiky teo ihany. Tapaka ny hevitro fa hianika ilay tamboho aho mba ijereko izay zavatra miseho ao. Nefa raha nitsiritsirika ny tao anaty tanmboho aho dia tsy nahita n'iza n'iza ihany koa, nefa ilay feon'ny mpivory dia lasa mazava tsara mihintsy.

Gaga ihany ny tenako, nefa moa dia nijanona teo @ ilay toerana nisy ahy aho ka nihaino tsara izay voalaza na dia tsy nahita ireo mpivory aza.

Kay ireo olomanga tao @ Mozole no miresaka momba ity toe-draharaha eto amitsika ity.
Nandray fitenenana tao avokoa ireo olomanga nanao sorona ny ainy mba ahazaoan'i M/car fahaleovantena. Tao i Raseta, Ralaimongo, Ravoahangy sy maro hafa....

Raha fitinina ny voalazan'izy ireo dia izao:

Mahatsiaro menatra sy afabaraka ary nanary ny ainy sy ny herim-pony tamin'ny tsy misy dikany ry zareo. Mifankahita ary miara mitazana ny zava-misy eto M/car izy ireo sy ireo vazaha nanjanaka antsika fahiny. Ka na ireo olomangantsika aza dia niaky fa tsy misy valeur- ny fahaleovan-tena azotsika.
Hoy ilay vazaha mpanjanatany iray izay hoe, "Jereo ! izao ve no nahazo fahaleovan-tena??? toa ianareo samy ianareo aza dia efa mifamono an-toerana, ha! ha! ha!. 50 taona aty aoriana ve dia mbola ny Frantsay ihany no mahasintona anareo @ sanganareo???? ha! ha! ha!.
Tsy nahita navaly ireo olomangatsika afatsy ny hoe " Marina ny anao ry Ngahy mpanjanaka fa matimaty toy ny alika izahay ary mbola hofatifaty toy ny alika hatrany"




novalian'i xxx ny 04/05/2009 00:24
2. lemenakely ( 02/05/2009 21:31)
Efa misy mivika !!!
3. ravalotgv ( 03/05/2009 07:23)
tss ajanony le izy rehefa tsy zaka fa tss

sniff
tcrouff
lanin ela h@ menakely rehetra

sniff
tcrouff
:@ :@ :@ :@ :@ :@
4. xxx ( 03/05/2009 07:26)
efa fomban'ny gasy io minomino foana io
5. Noue ( 03/05/2009 09:35)
lemenakely:
Efa misy mivika !!!
zay mahintsiny


6. xxx ( 03/05/2009 12:15)
xxx:

Ny Asabotsy hariva lasa teo, raha handeha hody iny aho satria avy nanatitra sipa teo Ankatso, ka nanitsy teo @ ilay lala-manapaka ao ambadiky ny Mozole iny dia nahare feon'olona maromaro mivory.

Nojereko anefa ny manodidina, toa tsy nahitana n'iza n'iza. Ilay feon'ny mpivory anefa toa tsy lavitra fa toa teo manodidina akaiky teo ihany. Tapaka ny hevitro fa hianika ilay tamboho aho mba ijereko izay zavatra miseho ao. Nefa raha nitsiritsirika ny tao anaty tanmboho aho dia tsy nahita n'iza n'iza ihany koa, nefa ilay feon'ny mpivory dia lasa mazava tsara mihintsy.

Gaga ihany ny tenako, nefa moa dia nijanona teo @ ilay toerana nisy ahy aho ka nihaino tsara izay voalaza na dia tsy nahita ireo mpivory aza.

Kay ireo olomanga tao @ Mozole no miresaka momba ity toe-draharaha eto amitsika ity.
Nandray fitenenana tao avokoa ireo olomanga nanao sorona ny ainy mba ahazaoan'i M/car fahaleovantena. Tao i Raseta, Ralaimongo, Ravoahangy sy maro hafa....

Raha fitinina ny voalazan'izy ireo dia izao:

Mahatsiaro menatra sy afabaraka ary nanary ny ainy sy ny herim-pony tamin'ny tsy misy dikany ry zareo. Mifankahita ary miara mitazana ny zava-misy eto M/car izy ireo sy ireo vazaha nanjanaka antsika fahiny. Ka na ireo olomangantsika aza dia niaky fa tsy misy valeur- ny fahaleovan-tena azotsika.
Hoy ilay vazaha mpanjanatany iray izay hoe, "Jereo ! izao ve no nahazo fahaleovan-tena??? toa ianareo samy ianareo aza dia efa mifamono an-toerana, ha! ha! ha!. 50 taona aty aoriana ve dia mbola ny Frantsay ihany no mahasintona anareo @ sanganareo???? ha! ha! ha!.
Tsy nahita navaly ireo olomangatsika afatsy ny hoe " Marina ny anao ry Ngahy mpanjanaka fa matimaty toy ny alika izahay ary mbola hofatifaty toy ny alika hatrany"








=)) =)) =)) :-$ :-$ Tsy ratsy!
7. xxx ( 04/05/2009 00:24)
Tsy ratsy tokoa, teny atsipy ho an'ny manan-tsaina izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8354