Avy aiza no niavian'A/tra?

21. coopsal ( 04/05/2009 12:11)
rakapy:

Ka ilay fanotanianao anie Rabadboy dia toa fanotaniana tsy ahitana valiny e!
Ny niavian'ny olombelona aza eto efa tsy hita izay ilazana azy fa samy milaza izay angano sy tantara fantany, koa vao maika ve hoe avy aiza no niavian'A/tra tsy ho vao maika ho loza.
Fa na izany na tsia dia tokony ho faritanao hoe @ fomba fijery inona no tianao hamaliana azy dia amin'izay mantsy mba mety hiiditra ireo mpahalala ny tantaran'ny finoany avy.

==> Mety mahaliana tokoa, mahafinaritra ny saina ny fahafantarana ny hevitry ny finoana (sy ny tsi-finoana) rehetra, fa mahasoa ve ?
Ny fanontanian'i badboy dia tena tsara ary mitarika amin'ny fahalalana ny marina ho an'izay mangetaheta fahamarinana.
22. badboy ( 04/05/2009 12:54)
Ny hevitr'i coopsal dia hoe Atra no omega ary alpha!! Tsy mahavaly ilay fanontaniana izany satria ny fanekena zavatra tsisy farany dia natao hampihetsika ny zanakadtidohandraolombelona mba hitady hatrany hatrany hatrany....ary fitadiavana tsisy farany!! Ny hita tsy afaka ny hinoana intsony satria lasa fantatra, fa ny tsy hita no tadiavina!! Atra tsy hitaz noho izany tadiavina!! Ary ny tsy fahalalana azy no hametrahana ilay hevitra fa sady tsisy fiandohany izy no tsisy fiafarany!! Midika izany fa mbola mitady ny tena momba azy isika ary tsy mahalala ny tena momba azy marina!!

Nohamafisin'ilay olona indramiko eto izay io fitadiavana io @ filazany fa "l'homme ne peut rien s'il ne s'inscrit à l'horizon de l'infini"!!!

Ilay fitadiavana sy fikarohana izany no mahaolona ny olona ary miainga @ fametrahana ilay fotokevitra hoe tsy voafetra nefa karohina ho ferana no ahafahana mampisy antony ilay finoana sy ilay fisiana eto antany!!

Vokany : tsy misy mahalala hoe inona marina Atra ary avy aiza satria sady tsy voafetra no tsy fantatra!! Samy mbola mikaroka!! Ka ireo izay milaza fa itoerany, na mahalala azy tanteraka dia fanontaniana tsotra 1 no tokony hapetrany dia ho fantany fa diso ny heviny, dia ilay fanontaniana hoe "fantatrao tanteraka ve ny tenanao"!! Raha mahavaly tanteraka io fanontaniana io ianao dia mety hanana sombimbalinteny @ ilay fahalalana ny fiavian'Atra!

Tapitra! 8) 8)
23. coopsal ( 04/05/2009 12:56)
Mirananirina:

Mbola tsisy nahita na nandre aloha ,fa finoana fotsiny ihany e.

==> Jesoa KRISTY nilaza fa tsy nisy nahita ny Ray afa-tsy Izy Zanaka, ary tsy misy mahafantatra ny Ray afa-tsy Izy Zanaka, sy izay tiaNy ampahafantarina.
Izaho tsy mbola nahita na nandre ny Ray, fa mino fa misy Izy. Fa KRISTY kosa dia efa reko ary reko foana ny feoNy. Ary izay lazaiNy mikasika an\' Andriamanitra no inoako.
Jesoa Kristy nilaza fa mandondona ao am-pon\'ny olona, ary izay rehetra mandre ny feoNy ka mamoa ny fony ho Azy dia hiray latabatra amiNy.

Mirananirina:

Io no mahatonga ny olombelona betsaka erantany tsy mino,gaga aho raha nandre vaovao indepa fa ny frantsay izay nitondra ny fivavahana tany amintsika ,kay 50% non croyant

==> Isan\'izay nitondra ny filazantsara teto voalohany ny Frantsay (MPF), niaraka tamin\'ny Anglisy (LMS) sy ny Amerikana (FFMA).
Fitaovan\'ny Tompo ireny, satria Frantsay no nanjanaka ny Malagasy dia Frantsa y no nirahiNy hankaty amintsika hitondra ny Fahamarinana momba an\' Andriamanitra. Taratr\'ilay teny toriana rahateo izany hoe, olombelona no tian\' Andriamanitra hahafantatra ny tenaNy, ka dia olombelona no nirahiNy, dia i Jesoa KRISTY, izay tao amiNy ihany.
24. coopsal ( 04/05/2009 13:01)
piste:

Tsy takatry ny cerveau-n'ialahy kely io izany ry Bdboy, fa zavatra hafa mahasoa @ fiainana dinihina.
Tadidio fotsiny fa raha zavatra nanam-piandohana na noforonina dia efa tsy Andriamanitra izay.

==> Raha misy mampisafidy anao hoe : iza no tianao, hiasa ao @ Coca-cola sa omena anao Coca-cola. Iza no hofidianao ?
1- Zavatra mahasoa no diniho :
Ny fanontaniana toy izao, raha avy amin'ny fo mangetaheta fahamarinana, dia hahitana ny tena loharanon'ny soa tsy mety lany.

2- Tsy takatry ny cerveau kely :
Jesoa Kristy niteny fa ho an'ny cerveau kely indrindra ny fahalalana an' Andriamanitra, fa izay be cerveau dia tsy hahatakatra. Ary izany no tsy ahatakaran'ny maro ny momba an' Andriamanitra ... satria be cerveau.
25. coopsal ( 04/05/2009 13:22)
badboy:

Hoy ny dogmatika : tsy takatry ny saina izany fa inoana fotsiny dia ampy;
Hoy ny pragmatika : tsy ilaina ny fitadiavana ny niaviany fa ny finoana azy ho misy no toavina satria ahafahana manisy soridalana ny fiainana antany;
Hoy ny scientifika : izao tontolo izao dia vokatry ny fipoahana goavana (big-bang), ka tsy misy Atra fa ny fivoarana no no nahatonga ny zavaboahary rehetra;
Hoy ny tsy omba ny atsy tsy omba ny aroa : samia maka izay tandrify azy dia samy milamina @ izay;
Hoy ny fanatika : aza miteniteny foana fa blasfema izany fanontanianao izany ka ho sazian'Atra ianao @ izany, hivavaka ho anao izahay!!
.........
Dia hoy aho hoe : avy aiza no tena niavian'ilay Atra mampitambatra nefa koa mampizarazara ny olombelona erantany???
:roll: :roll: :roll: :roll:

==> Hoy aho hoe:
1- Rehefa vonona ny fonao hanontany an' Andriamanitra, fa tsy ny olona, ny momba an' Andriamanitra, miantomboka @ fisiaNy marina, dia hahazo valiny mahafa-po ianao. Fa "sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana"

2- Andriamanitra nanome fanomezam-pahasoavana samihafa ary samy hafa, ary ireo nozarazaraiNy samy hanana ny andraikiny ireo dia hatambaNy ho iray ao amiNy. Raha mizarazara ny olona dia tsy noho Andriamanitra, fa noho ny tsifahafantaran'ny olona an' Andriamanitra indrindra.

Ahoana raha toa ny marina ka :
- tsy takatry ny saina tokoa Andriamanitra, infini (na éternel) Izy, nefa iza no tsy mahatsapa Azy ao am-po? Saingy maro no mamono ny feon'ny fieritreretany amin'ny karazam-pahalalana sy anarana samihafa, i Einstein nanambara ny fisian'ny source d'énergie anakiray ... Jesoa Kristy nilaza fa ny Ray no loharanon'ny fiainana, ary Izy Zanaka koa, ka manome fiainana. Misy miteny momba ny natiora, misy ny monothéiste, misy ny polythéiste ... Ireny rehetra ireny dia samy manambara fa misy Andriamanitra ary inoana, fa ireo ihany koa no manambara fa tsy takatry ny saina izy.
- tsy ilaina ny fitadiavana ny niaviany fa ny finoana azy ho misy no toavina satria ahafahana manisy soridalana ny fiainana antany : Izaho tenako tsy nitady an' Andriamanitra aloha na dia efa mba ohatra ny nandalo kely tato anatiko aza izany, fa Izy mihitsy no tonga nitady ahy. Normal, satria infini Izy, ka Izy no nanao ny tenany ho fini tao amin'i Jesoa KRISTY mba hahafantarana Azy.
- izao tontolo izao dia vokatry ny fipoahana goavana (big-bang), ka tsy misy Atra fa ny fivoarana no no nahatonga ny zavaboahary rehetra; : Ary Andriamanitra nanao hoe "misia mazava" ... dia nisy big bang ... sns!
- aza miteniteny foana fa blasfema izany fanontanianao izany ka ho sazian'Atra ianao @ izany, hivavaka ho anao izahay!!, tsy ny fanontaniana no blasfema, fa izay tsy mino ny fanambaran' Andriamanitra dia mampandainga an' Andriamanitra, ary izany no fitenenan-dratsy (blasfemia), mampandainga an' Andriamanitra.

Ny trano anakiray dia amboarina amin'ny zavatra samihafa, ary samy hafa : biriky, vato, rano, tany, simenitra, fasika, vy, hazo, fitaratra, tanimanga, ... Ireo no akora.
Fa anamboarana ny trano koa anefa ny lapela, angady, betonier, pinces, maritoa, tandramokotra, ... sns. Ireo no fitaovana.
Ny architecte, ny ingénieur(s), ny maçons, ny menuisiers, ny plombiers, ny électriciens, ny jardiniers, ny manoeuvres, ... sns dia mpamboatra ny trano sy mpiasa amin'ny fanamboarana ny trano.
Iray no tompon'ny trano. Ary ny zavatra rehetra dia miainga avy amin'ny tompon'ny trano, araka ny safidiny sy ny sitrapony, fa tsy araka ny fahaizana sy ny tanjaka na ny hatsaran'iretsy teo aloha akory.

Tahaka izany Andriamanitra manamboatra ny tempoliNy, Izy no tompoNy, Izy no nanendry ny architecte (Jesoa Kristy) ary nanome Azy ny zavatra rehetra mba hanamboarany ny trano. Jesoa Kristy ilay architecte kosa nifidy ny mpiasa sy nanolotra tamin'ireo mpiasa ireo ny zavatra rehetra ilaina ho amin'ny fanamboarana.
26. soanja ( 05/05/2009 00:25)
badboy:

Raha ny teny no nisy voalohany nisian'izao tontolo izao, tokony ho teny koa izany no mampisy an'A/tra!
A/tra anefa no nampisy ny teny, ka avy aiza izany no niavian'Atra satria izy tsy afaka ny mamorona azy??????? :roll: :roll: :roll:


Mahafinaritra ahy ny lohahevitra tahak'izao fa ahafahana tsara mivelatra ny zavatra azo ifampiresahana. Misaotra indrindra nanolotra lohahevitra toy izao.

Amiko dia niara-teraka tamin'olombelona Andriamanitra. Niara-niforona taminao izay misy izy. Zany hoe Andriamanitra dia IRAY fa ao anatintsika tsirairay avy. Iombonantsika amin'ny tontolo ny fisiany. Mila mifoha ao anaty torimaso lalina ny olona iray vao afaka hampiasa an'Andriamanitra ao anatiny sy hampiseho ny hatsarany. Hery mampifandray antsika sy ny rehetra tontolo manodidina antsika Izy ary mampivoatra antsika hioitra amin'izao fiainana sarotra sy saro-bahana izao ka hahafanantsika ho olon'afaka.

Mivoitra avy ao anatintsika Andriamanitra ary Izy no misy dia satria misy Isika mampivoitra azy. Tsy mandeha irery Andriamanitra. Isika sy ny rehetra miara-miombom-pitiavana no isehoany sy iasany.

Tsy misy fetra Andriamanitra satria tsy vitan'ny zavatra tsapain-tanana no iasany fa na dia ny ankoatr'ireo tsy azontsika vinaniana akory satria miasa tsy amin-kajy Izy. Miodina ary manome aina sy fanantenana izay lalovany; ao anaty valan'ny Universe. Manala antsika amin'ny tahotra ary manoro antsika ny HAZAVANA!


27. niryna ( 05/05/2009 15:55)
rakapy:

Ka ilay fanotanianao anie Rabadboy dia toa fanotaniana tsy ahitana valiny e!
Ny niavian'ny olombelona aza eto efa tsy hita izay ilazana azy fa samy milaza izay angano sy tantara fantany, koa vao maika ve hoe avy aiza no niavian'A/tra tsy ho vao maika ho loza.
Fa na izany na tsia dia tokony ho faritanao hoe @ fomba fijery inona no tianao hamaliana azy dia amin'izay mantsy mba mety hiiditra ireo mpahalala ny tantaran'ny finoany avy.



=)) =)) =))
28. badboy ( 05/05/2009 17:38)
soanja >> Raha azoko tsara ny tianao ambara dia Atra tsy nisy raha tsy nisy ny olona satria hoy ianao hoe
Niara-niforona taminao izay misy izy

Ka raha izany ny tena izy dia samy manana ny Andriamaniny izany aary ny tenany mihintsy no ho Andriamaniny ary sombin'ny Atra itambaran'ny maro erantany! Mitombona tanteraka io raha ny baiboly no jerena satria Atra dia namorona olona tahaka azy!

Saingy ilay hoe miaramiforona dia atongilan'ilay hoe raha miaramiforona amiko izy dia miaramaty amiko! Vokany rehefa maty aho ka maty ilay niaraniforona tamiko dia miova koa izy rehefa misy teraka satria miaramiforina @ ilay vao teraka! Ankoatr'izay aratantara dia efa nanana ny vahoakany Atra dia ny israelianina, izany hoe efa nisy izy vao nisy ireo vahoaka nofidiany! Vokany, ireo tsy nofidiany izany tsy niaraniforona taminy, tahaky ny egipsianina....

Mbola miverina ihany izany eto ilay fanontaniana hoe avy aiza no niavian'Atra? ;-) ;-) ;-)
29. soanja ( 05/05/2009 19:53)
badboy:

soanja >> Raha azoko tsara ny tianao ambara dia Atra tsy nisy raha tsy nisy ny olona satria hoy ianao hoe
Niara-niforona taminao izay misy izy

Ka raha izany ny tena izy dia samy manana ny Andriamaniny izany aary ny tenany mihintsy no ho Andriamaniny ary sombin'ny Atra itambaran'ny maro erantany! Mitombona tanteraka io raha ny baiboly no jerena satria Atra dia namorona olona tahaka azy!

Saingy ilay hoe miaramiforona dia atongilan'ilay hoe raha miaramiforona amiko izy dia miaramaty amiko! Vokany rehefa maty aho ka maty ilay niaraniforona tamiko dia miova koa izy rehefa misy teraka satria miaramiforina @ ilay vao teraka! Ankoatr'izay aratantara dia efa nanana ny vahoakany Atra dia ny israelianina, izany hoe efa nisy izy vao nisy ireo vahoaka nofidiany! Vokany, ireo tsy nofidiany izany tsy niaraniforona taminy, tahaky ny egipsianina....

Mbola miverina ihany izany eto ilay fanontaniana hoe avy aiza no niavian'Atra? ;-) ;-) ;-)


Raha mandray ny baiboly irery ianao dia hihevitra tokoa fa ny zanak'Israely no olom-boafidiny. Fa raha tokoa kosa mandray ny hafa rehetra ianao na ireo izay tsy nahalala akory manompo azy dia hiteny hoe ao amin''ireo Andriamanitra saingy mbola matory ilay tempoly mihazona azy.

Tsy mba maty ny olona iray fa ny vatana no maty raha ny finoako. Fanahy mitohy any ankoatra ary ifandimbiasana ny tany no misy. Zany hoe efa nisy ianao ary miforona /teraka miaraka aminao eto an-tany Andriamanitra nefa mitohy ny lalan'ny fanahy rehefa vita ny adidy eto.

Mazotoa hatrany!


30. fijo ( 05/05/2009 20:00)
izany andriamanitra izany toa ny tahotra sy ny fahasahiana ihany.ny sainao no manao sy mampisy azy.
rehefa misy ny tahotra dia ny sainao izay no mampisy azy
31. coopsal ( 12/05/2009 08:27)
soanja:

Amiko dia niara-teraka tamin'olombelona Andriamanitra. Niara-niforona taminao izay misy izy.

==> Raha niara-teraka tamiko Andriamanitra dia tsy ho niara-teraka taminao, tsy niara-teraka t@ Ray aman-dReniko. Izaho angamba no tsy mahazo ny finoan'i Soanja.
Na izany na tsy izany, tsy izao lazainao izao no fampianaran'i Jesoa Kristy.
32. coopsal ( 12/05/2009 08:34)
fijo >>> Raha ny sainao no mampisy ny zavatra toy izany (ohatra hoe tahotra sy fahasahiana), vitanao izany no ty matahotra na inona na inona ? Satria ny sainao no mampisy azy.
Vitanao izany no mampisy fifaliana avy @ alalan'ny sainao, nefa ny tenanao efa sendra olana be tsy tohan'ny fonao ?
Ny heveriko fa vitan'ny saina dia tsy ny manala ny tahotra, fa mampihodina ny masom-panahy tsy hijery ilay réalité.
Ny masoandro misy foana, fa matoa tsy tratran'ny masoandro ny antsasaky ny tany, dia satria tsy manatrika ny masoandro izy, fa tsy hoe ny masoandro no lasa tsy misy.

Ny masom-panahinao no akipinao tsy hijery ny réalité ny amin' Andriamanitra Namorona izao rehetra izao. Tsy vitan'ny misy io Andriamanitra io fa miteny amin'ny tsirairay, ary miteny aminao Izy, mampahafantatra ny tenaNy aminao amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ary amin'ny alalaNy ihany.
Fa niteny koa io Andriamanitra io fa ho avy ny andro hitsarana ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny amin'izay nataony, anisan'izany ianao.
"nul n'est censé ignorer la loi" ...
Tsy nahafantatra aho hoe efa lasa sens unique ilay arabe etsy Analamahitsy ka iny aho nisosososo toy ny mahazatra avy any Ambohitrarahaba ... nosakanan'ny polisy aho ary voasazy ... Na hamaly aza aho hoe "tsy nahafantatra aho, fa hatrizay io double sens", moa ve ny saziko hiantona ?
Nanana ny fahalalanao an' Andriamanitra ianao hatrizay : tsy misy. Fa nisy ny fotoana izay nampahafantaran' Andriamanitra anao fa misy Izy, ary mitsara.
33. soanja ( 15/05/2009 23:13)
coopsal:

soanja:

Amiko dia niara-teraka tamin'olombelona Andriamanitra. Niara-niforona taminao izay misy izy.

==> Raha niara-teraka tamiko Andriamanitra dia tsy ho niara-teraka taminao, tsy niara-teraka t@ Ray aman-dReniko. Izaho angamba no tsy mahazo ny finoan'i Soanja.
Na izany na tsy izany, tsy izao lazainao izao no fampianaran'i Jesoa Kristy.


Tsia, tsy io tokoa ny fampianaran'i I Kristy raha toa ka arahina arabakiteny izay lazain'i baiboly saingy kosa raha mahatsapa fa te hametraka ny fisian'Andriamanitra ianao dia hahatsapa fa tsy aiza Izy fa ao amintsika tsiraidray avy.

Etsy ambony misy teny ao anaty baiboly hoe: Mitoera ao amiko fa Izaho hitoetra ao aminao , tahatahak'izany ny voalaza? Tsy misy ny fotoana eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy tokony hisy ny fotoana raha toa ka iresaka Andriamanitra ao anatintsika isika. Misy isika satria efa nisy. Teraka satria efa misy. Hisy foana mandrakizay! Zany hoe tsy hitoetra eo aminao ny fanontaniana hoe oviana fa hoe AHOANA ary AIZA no isianao amin'ity tontolo/ fiainana/ toe-javatra sns.... Miakatra na vertical ny fisiana fa tsy marin-drano manara-potoana. Raha ny eto an-tany ny diako dia hilaza aho fa tamin'ny fahaterahako.

Andriamanitra sy ianao dia IRAY. Isika rehetra sy ny tontolony Universe dia IRAY. Ny fifandraisana dia IRAY!

Mba hamaliako ny fanontanianao hoe inona no finoako dia hilaza aho fa tsy misy soratra na zavanamboarin'olombelona na natsangan'olombelona hilaza ny finoako. Ny hany finoako dia hoe: Ato amiko Andriamanitra. Na hoe " Velona ato anatiko Andriamanitra no sady mamelona ahy"" Raha hikatsaka azy aho dia tsy handeha lavitra fa hiditra lalina sy hifandray amin'ny ao anaty ary hampiakatra izany fahatsapana hatsarana izany amin'ny fifandraisana amin'ny rehetra.

Mazotoa lalandava mikatsaka an'Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0495