Herinandro farany ho an'Ingahy Ra8 ity...

1. Mio21 ( 30/04/2009 13:08)
Herinandro farany ho an'Ingahy Ra8 ity herinandro ity, izao fisamborana an'Ingahy Manandafy izao no faratampon'ny famaizana ataon'ny HAT ho an'ny Ra8 sy ny mpomba azy ankoatran'ny fisamborana azy tenany.
Efa mihetsipo sy ontsaontsa araky ny ilàny azy daholo ny pokona mpomba azy, izy rahateo efa henoheno siosio fa hoavy mamay @ity faran'ny herinandro ity.
Ity herinandro ity ihany anefa, raha dila io dia kely ny finoako @ mbola hahatafavoahany ary tokony efa hialasasatra @izay ireo Ambohijatovo ireo fa sady vizana ny fanahy no trotraka ny vatana.

Sa ahoana hoy ianareo?
novalian'i Mio21 ny 02/05/2009 07:17
2. Noue ( 30/04/2009 13:15)
Mio21:

Herinandro farany ho an'Ingahy Ra8 ity herinandro ity, izao fisamborana an'Ingahy Manandafy izao no faratampon'ny famaizana ataon'ny HAT ho an'ny Ra8 sy ny mpomba azy ankoatran'ny fisamborana azy tenany.
ny olana fotsiny dia tsy equitable ny force satria ny capsat sy ny miaramila mampiasa basy nefa etsy ankilany inona no azon'ny olona atao?? mandositra sisa! mampalahelo ny fandehan-javatra saingy inona no azo atao ee??? tsy oe mampirisika ny olona hamaly faty sanatriavina fa kosa tokony mba avela ny olona hilaza sy hanohana ny tiany, izay anie ilay oe democratie sy oe liberté d'expression notakian'i tgv eee!! saingy aiza zao zany democratie sy liberté zany??


3. Mio21 ( 30/04/2009 13:31)
Mba nanao toy izany koa Ingahy Ra8 ry Noue a, firifiry ireo mpanao gazety efa niakatra tribonaly tao anatin'ny fitondrany? Tsy atoro anao intsony ireo solombavambahoaka sy antoko mpanohitra natao izay igadrany noho io liberté d'expression lazainao.
Na izany aza, tsy any intsony ny olana @zao fotoana izao fa efa io no zava-misy. Hihetsika ingahy Ra8 sa tsia ? Rehefa tsy vitany @ity herinandro ity dia tsy hisy intsony, miandrandra azy daholo ny mpomba azy @izao fotoana izao.
4. xxx ( 30/04/2009 13:34)
Diso ianao ry Mio
izao indrindra no tsy maha mety ny hisamborana fa manomé aina vaovao aza izany ho an'ny mpitolona
5. Noue ( 30/04/2009 13:36)
eny eee! tsy mandaha an'zany aho satria zavatra tena marina zany, saingy kosa aza hadino fa ny nihatombohan'ny adin'i tgv anie dia ilay oe liberté d'expression sy democratie eee! donc, voahongany t@ coup d'etat aza i Ravalomanana, ensuite mba nanaraka koa ny sasany oe fa ahoana aza zany?? ireny ry zareo mitaky ny liberté sy democratie nefa aiza zao zany??? samborina, gadraina, tifirina zay manelingelina
6. xxx ( 30/04/2009 13:39)
Mazava ho azy zany é, na aiza na aiza refa ny leader ny an-danininy na ny an-kilany dia mazava fa ho tonga ny mpomba azy ,tsy zava-baovao akory izany
7. majakely ( 30/04/2009 13:44)
OUI!!
8. Mio21 ( 30/04/2009 13:52)
Diso ianao ry Mio
izao indrindra no tsy maha mety ny hisamborana fa manomé aina vaovao aza izany ho an'ny mpitolona
aiza ho aiza ilay mahadiso ahy? Hazavao kely fa tsy azoko.

Noue : io voalazan'ny xxx farany io.

Ingahy Ra8 manantena sy miantehitra mafy @ hery avy any ivelany izay tsy mbola fantatra na tena hahomby na tsia, na hahomby aza tsy fantatra hoe rahoviana? andro vitsy sa amambolana sa @2010? Ny olana atrehan'ny pokona eto @ tanàna efa faratampon'ny gravy sy mila vahaolana faran'izay haingana indrindra. @ity herinandro ity farafaha elany. Averiko ihany hoe tsy mino intsony aho raha dila ity herinandro ity.
9. botakely92 ( 30/04/2009 13:58)
Ka ilay tim koa anie baikon-dra8 à distance dia manao e! vendrana be Ra8 efa naka izay ilainy (vola be), dia mangatsiatsiaka izy fa ampiadiany an-trano ao daholo ny gasy mba handotoana ny HAT, normal ny HAT raha mba miaro ny fitondrany, i dadabe manandafy koa moa antitra misary gaigy @ ireto zafikely, efa andro kely io sisa no iainana ka tsy mba manomana ny fanahy fa ilaozana miady. Ka hoan'izay mitady filaminana dia aoka izy hanaja ny fitondrana HAT fa tsy ho ela ny fifidianana dia afaka tsy mifidy azy ianao rehefa tsy tia azy, ary afaka mirotsaka koa ianao raha te hofidiana ka aza mandoto pasipôro raha te hilatsaka prézidà
10. Oay ( 30/04/2009 14:29)
Noue:


ny olana fotsiny dia tsy equitable ny force satria ny capsat sy ny miaramila mampiasa basy nefa etsy ankilany inona no azon'ny olona atao?? mandositra sisa! mampalahelo ny fandehan-javatra saingy inona no azo atao ee??? tsy oe mampirisika ny olona hamaly faty sanatriavina fa kosa tokony mba avela ny olona hilaza sy hanohana ny tiany, izay anie ilay oe democratie sy oe liberté d'expression notakian'i tgv eee!! saingy aiza zao zany democratie sy liberté zany??



Noue a! efa nolazaiko fa "Ny atody tsy miady amabato" ary ny "Tanapolo tsy maharesy olona mitana basy"

Efa nolazaiko ihany koa fa EFA TONGA @ TSIFIDINY ny fanajanona ny fihetsehambahoaka satria ry Charles etsy ankilany efa tsy misy afaka mibaiko intsony sady efa vonona ny hamono no vonona ihany koa ny hofaty raha sanatria ka mivadika ny rasa.

Noho izany d raha tena misy ny fitiavana ny vahoaka sy ny tanindrazana d tsy maintsy ajanona ilay sakoroka fa raha tsy izany d be ny matimaty foana.

D mampalahelo satria jereo fa ry Coutity ohatra namono olona t@ 2002 d zao tafavoaka fa ny maty angaha nitsangana hovelona.

Noho izany ampitiavana no hilazako hoe raha azonareo atao d aleo atao izay hidirana @ repoblika vaovao d any @ fifidianana mifampitady!

Sosokevitra anefa ny ahy an! sosokevitra mba hisorohana ny fandrimpahana ny ain'ny tsy manantsiny!


11. xxx ( 30/04/2009 14:38)
Tsia ry oay raha resaka politika tsy misy hoe adoty zany na hoe vato zany fa misy betsaka kosa ny mains de fer dans un gant de vélours
toa izao miseho eto amintsika izao ,mitady hiseho ho tsara eny ivelany fa fa manamporitra ny vahoaka ao aminy, ka dia atody azay hoy ianao ny vahoaka dia mbola ho foy ihany sy hifoha izy ary ho ary elatra dia ho hitanao zany fa ianao zay vato dia lasa soara tampoka
12. xxx ( 30/04/2009 14:59)
Sambory daholo zay mpanimba firenena, na tgv na tim na iza na iza ! Aripaho daholo koa rehefa tsy mahay mijery ny soa ho an'ny vahoaka. Mankaleo mihitsy izy ady an-trano ity e !
13. Mio21 ( 30/04/2009 16:19)
Oay:
Noho izany ampitiavana no hilazako hoe raha azonareo atao d aleo atao izay hidirana @ repoblika vaovao d any @ fifidianana mifampitady!

Sosokevitra anefa ny ahy an! sosokevitra mba hisorohana ny fandrimpahana ny ain'ny tsy manantsiny!

botakely92:
Ka hoan'izay mitady filaminana dia aoka izy hanaja ny fitondrana HAT fa tsy ho ela ny fifidianana dia afaka tsy mifidy azy ianao rehefa tsy tia azy, ary afaka mirotsaka koa ianao raha te hofidiana ka aza mandoto pasipôro raha te hilatsaka prézidà

Aleo aloha andrasana ny hetsik'Ingahy Ra8 any ivelany any mandritra ity herinandro ity, dila io ry Oay sy botakely92 dia tsy maintsy io voalazanareo io no vahaolana sy fahendrena, tsy midika faharesena akory izany fa ny soa ho an'ny rehetra no tokony hotsinjovina. Efa natsidiko tatsy ambadika tatsy ihany izy io nefa moa toa mbola variana miresaka valifaty sy miantso tody ireo mpomba an'Ingahy Ra8 ireo.

14. sapele ( 30/04/2009 16:23)
botakely92:

Ka ilay tim koa anie baikon-dra8 à distance dia manao e! vendrana be Ra8 efa naka izay ilainy (vola be), dia mangatsiatsiaka izy fa ampiadiany an-trano ao daholo ny gasy mba handotoana ny HAT, normal ny HAT raha mba miaro ny fitondrany, i dadabe manandafy koa moa antitra misary gaigy @ ireto zafikely, efa andro kely io sisa no iainana ka tsy mba manomana ny fanahy fa ilaozana miady. Ka hoan'izay mitady filaminana dia aoka izy hanaja ny fitondrana HAT fa tsy ho ela ny fifidianana dia afaka tsy mifidy azy ianao rehefa tsy tia azy, ary afaka mirotsaka koa ianao raha te hofidiana ka aza mandoto pasipôro raha te hilatsaka prézidà

mafinaritra ny mamaky ny hevitrao ry botakely a! sarotra kosa anie ny manary ny ody nandritra ny 7taona e!za tsy te hiresaka @reo tim reo fa sady jamba no mbola mafy loha.efa hita fa,,,,,,,,,,,

15. Mio21 ( 30/04/2009 16:36)
sapele >> satria manantena mafy rizareo fa hahita vahaolana tsara tsy misy maratra sy @ fomba tsotra Ingahy Ra8. Aiza izy nefa izao? Inona no nolazainy manoloana izao zavamitranga izao? Inona no vahaolana efa narosony? Sa avela hiady irery eo ireo vahoakany sasa-miandry azy ireo?

Miandry azy isika... Raha tsy mahita vahaolana izy @ity herinandro ity dia aoka mba avelany hikarakara ny tokantranony sy hamonjy ny fitadiavany @ izay ireo olona ireo, aleo ketrehina milay ny fanatanterahana ny fifidianana farafaharatsiny 90% tsy misy hala-bato sy tsy misy fanararaotam-pahefana.
16. sapele ( 30/04/2009 17:37)
MIo 21>> Zay no fahendrena fa zay tsy mahafantatra azy tsara no mbola manaraka ny teniny eo,de mbola tsy ampy iany ve zay ra latsaka nandritra ny 2009 zay,,?io anie samy ho tsarain'ny tantara e!eto an-tany ka hatrany an-danitra.sometimes,forbidden fruit taste sweetest.
17. ravalotgv ( 30/04/2009 18:53)
EFA HO FATY NY AFO MBA NIREHITRA KELY TEO MBOLA RA8 FOANA MBA OLONA HAFA NDRAY ATAO EO FA TSY NDAFY INTSONY EE

SNIFF
TCHROUFF

TSY DJ HAFA ANGAHA ANY
18. fijo ( 30/04/2009 20:11)
ka mbola hitoy ve ny grevy sa vita amin'izya fa efa voasambotra izao ny praiminisitra
19. Mio21 ( 01/05/2009 10:22)
sapele>> Marina zany, tsy maintsy ho tsaraina tokoa ary ny @fifidianana no iantombohany, ny mpanongonkarena sy nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena tsy ho tafa intsony, ny ekipan'ny mpampihorohoro sy izay nandray anjara rehetra t@ izany tsy ho tafa intsony.

Fijo>> Ny grevy mety tsy hisy intsony, sefo Manandafy aza voasambotra ka mainka fa ny olomadinika? Ny hafanampo nohon'ny zava-misy dia be dia be fa ny hoentimanatanteraka no tsy misy intsony.

Miandry an'Ingahy Ra8 sisa isika, 3 andro ahafahany maneho ny heriny farany ka na izy ho tafa (enga anie), na isika rehetra hitodi-doha iketrika fifidianana vaovao sy ny kipitsopitsony rehetra ilaina momba izany.
20. xxx ( 02/05/2009 05:08)
Manana vahaolana i Ravalo, fa vaha-olana tsy hamaha olana fa vao mainka hivadika olana vaovao indray, ny fanafihan'ny tafika avy any ivelany ve mba vaha-olana aminy? Mba olona tia tanindrazana ve izy @ zany, sao de tsy rariny kosa e,
Fa heveriny fa filohan'ny SADC angamba ty tenany ka ze saim-patany de teneniny, anjaran'ny SADC no manantanteraka, ... indrinsy, tsy misy , nanantena poakaty,
De reefa hita fa tsy feno ny condition tokony hahatongavan'ny tafika aty dia nomena place haingana ilay lahy antitra tsy mahay mipetraka iny, zaran'ny iraika lahy koa aza mba mahazo place, ela nanaovana politika izay, ka antitra ity vao lasa PM,
de i Ndafy sy ny tariny no andrandraina hanisy an'zao korontana reetra izao mba hahafeno haingana ny fepetra tokony hanampian'ny tafika avy any ivelany, zao tratra ny zavatra nikotrehina,
olona efa tratran'ny retour d'age ireny moa no mba atao PM koa, .... :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0373