NY FIAFARAN'NY MPITONDRA TSY MIJERY NY VAHOAKANY
1. falyfenosoa
(
29/04/2009 12:54)
IMPANJAKA 12
1 Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa at? amiko indray. Dia lasa ny olona.
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa at? amiko indray amin'ny andro fahatelo.
13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
17 Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .
18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
20 Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
22 Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:
24 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
25 Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.
26 Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;
27 fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
28 Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
29 Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
30 Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.
31 Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.
32 Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.
33 Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.

novalian'i fijo ny 29/04/2009 19:14
2. falyfenosoa
(
29/04/2009 12:57)
Tsy ilana ady hevitra io fa natao ho an'ireo mpitondra tia tena tsy mijery afa-tsy ny tenany. na iza izy na iza (Mpitondra Jadona)
3. andrywui
(
29/04/2009 13:35)
falyf. tena marina zan teninlah zan !! iza moa lay mpitondra tsy mijery afatsy ny teneny io?? hanontanio anzay rah tratranlah ao le bandy atao hoe Penguin zay na Pikatti , na Noue na Mirana , na nancy na .. fa ry zalah ireo makavaly tsara an'io ? anlah io !! satria toa dadany lay izy ony !!
4. tsiafoi1
(
29/04/2009 13:38)
De mbola ho avy koa izany ny didim-pitsaran'Andriamanitra amin''ilay zandry lahy TGV ito kanoa. Fa sady tsy vitan'ny hoe Mpanao didy jadona, fa mpandroba, sy mpamono olona. Andriamanitra io tokoa dia Mpitsara marina, ary mamaly ny heloky ny Ray amin'ny zanaka. Saingy mamindra fo amin'ny taranaka arivo mandimby izay tia azy ka mitandrina ny didiny tokoa.
De zay mibebaka am-po tokoa no ho tafavoaka eto @'ity tantara manga ity. Fa le manao kobay an-kelika tonga de VITAAAAAAAAAAAAA.
5. falyfenosoa
(
29/04/2009 14:01)
Tsy manonona aho hoe iza fa ny ahy dia tsotra, avy amin'Andrimanitra marina ny zava-miseho eto Madagasikara, raha toa ka tsy sitrak'Andriamanitra ny hitondran'i Andry Rajoelina dia miala eo koa izy.
Fitsapana izao zava-miseho izao ho an'ny Malagasy, tena miorina @ finoana an'Andrimanitra sy Jesoa Kristy marina tokoa ve ny Malagasy sa miorina @ zavatra hita maso, ka sanatria hanao hoe aleo mino ny devoly hita maso toy izay hino ny Andriamanitra tsy hita maso? fanontaniana io ho an'izay tena mino sy matoky ilay Andriamanitra marina. Andriamanitra no mitondra fanjakana ho an'izay mino Azy fa tsy olombelona.
Hebreo 6:10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.
Samy manana ny fisainany ny olona tsirairay nefa kosa manana ny fiheviny Andriamanitra.
Isaia 55:8-9 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo
Ity no hafatro:
Romana 14:22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.

6. xxx
(
29/04/2009 14:57)
fa hay le andrywui tony tgvendrana ary hitako manompo an-jambany ny andry vendrana rainy ihany ,tsy nampoiziko fa enao no latsaka ambany toa izao,miala tsiny aho ranamana raha somary mibedy kely anao ,tsy dia dinika loatra izao fanaonao izao fa ,tsy fifampitanisana an'i anona na i anona no atao hoe dinika fa ny hevitra izay entiny ary ny famaliana toy zao ataonao zao no manambara fa tsy tokony resaka politika no hidiranao
7. tsiafoi1
(
29/04/2009 15:11)
Hindramiko kely ity tenin'Andriamanitra narosonao ity :
Isaia 55:8-9 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo
Io teny io no tokony ho noraisina am-po raha mby eo amin'ny fitondrana, fa tsy nipetraka nitsara ka naka ny toeran'Andriamanitra, de ianao indray ankehitriny no manatanteraka didim-pitsarana (nandroba, nandrava fananan'olona, nampamono sy nitifitra olona, nanagadra...) Efa hita fa tsy nety nataon'ny teo aloa ka mbola atao indray, tsy hadalana vokatry ny ambition be loatra ve izany.
Ny iray nangata-pamelana teo anatrehan'ny vahoaka tsivakivolo, ary nanao fialan'olon-kendry, fa ny iray ity manesika ihany. Ary dia eto no hanehon'Andriamanitra tokoa fa ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitsika olombelona. Mety ho be fahotana tokoa ilay teo aloha, fa nahay nanetry tena sy nandefitra ary nibebaka tokoa ka nahazo famelan-keloka.
Fijeriko ihany io, fa an'Andriamanitra ny didim-pitsarana farany, Izy irery ihany no mahalala ny any am-po sy mandanja izany. Izy irery ihany no afaka hanambara ny ampitso, ny marina sy ny miafina.
8. KALACK
(
29/04/2009 16:42)
hoy xxx
hananatra ve de manao xxx e !!raha tena lehilahy de mivoaha tao e!!!
ny tgv no manjaka zao e !!ny TIM resy de mihogahoga eny rehetra eny
fa hay le andrywui tony tgvendrana ary hitako manompo an-jambany ny andry vendrana rainy ihany ,tsy nampoiziko fa enao no latsaka ambany toa izao,miala tsiny aho ranamana raha somary mibedy kely anao ,tsy dia dinika loatra izao fanaonao izao fa ,tsy fifampitanisana an'i anona na i anona no atao hoe dinika fa ny hevitra izay entiny ary ny famaliana toy zao ataonao zao no manambara fa tsy tokony resaka politika no hidiranao
hananatra ve de manao xxx e !!raha tena lehilahy de mivoaha tao e!!!
ny tgv no manjaka zao e !!ny TIM resy de mihogahoga eny rehetra eny
9. Oay
(
29/04/2009 17:08)
tsiafoi1:
Ny iray nangata-pamelana teo anatrehan'ny vahoaka tsivakivolo, ary nanao fialan'olon-kendry, fa ny iray ity manesika ihany. Ary dia eto no hanehon'Andriamanitra tokoa fa ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitsika olombelona. Mety ho be fahotana tokoa ilay teo aloha, fa nahay nanetry tena sy nandefitra ary nibebaka tokoa ka nahazo famelan-keloka.
Fijeriko ihany io, fa an'Andriamanitra ny didim-pitsarana farany, Izy irery ihany no mahalala ny any am-po sy mandanja izany. Izy irery ihany no afaka hanambara ny ampitso, ny marina sy ny miafina.
Hamafisiko ihany koa fa eto tsy misy afaka mitsara an'i Ravalomanana na hiditra any @ fanjakan'ny lanitra izy na tsia satria efa voalaza fa ny mpijinja ihany no mahalala ny vokatra tsara sy ratsy ka Izy no misafidy noho izany d Andriamanitra irery ihany no mahalala hoe iza no miditra sy ny tsy miditra!
Mbola averiko fa raha mpanao politika tsotra i Ravalomanana d tsy manankambara ny @ izay nataony i Oay satria fomba ny mpanao politika ny mamono olona sy mandainga!
Fa i Ravalomanana d filoha lefitrin'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara noho izany d tsy misy afaka mandà fa Kristianina i Ravalomanana ka ny maha Kristianina d satria mandray an'i Kristy ho modely!
Ka raha nandray an'i Kristy ho modely i Ravalomanana d tadidio ity kozy ity: Rehefa tonga naka an'i Kristy ny miaramila fa hoembohana @ hazo fijaliana Izy d nopehan'i Pierre t@ sabatra ilay miaramila ka niala ny sofiny, fa tonga d nobaikoin'i Kristy i Pierre nataony hoe :Ampirimo ny sabatra ry zandry fa tsy mila ady isika... d nanaraka ny miaramila i Kristy fa tsy nampirisika ny akamany handeha hanao sorona ny tenany, d jereo anefa ny ataon'ity filoha lefitrin'ny FJKM ity mampiady vahoaka, mandefa ny vahoaka hovonoin'ny fahavalony!
Tsarovy anefa fa tsy hoe MATY I RAVALOMANANA SATRIA TSY PREZIDA ka maninn ny vahoaka no avelany hofaty noho ny fiarovany ny sezany, ka izao ra-tsifoi1 aza be kozy bobaka fa za tsy mahalala na avy aiza na avy aiza izao mahazo an'i Ravalomanana izao fa amin'ny maha mpino kristianina ana d izao ilay KAPOKA VALIN'NY NATAO!