mila hevitra avy any aminao

1. xxx ( 29/04/2009 11:27)
Ny mikasika ny vadiko dia niaraka tamin'olona izy tany amin'ny taona 1998 avy eo dia bevoka ilay vehivavy nefa izy tsy tian'ny ray amandrenin'ilay vehivavy mihintsy dia nisaraka ry zareo ilay vehivavy bevoka ka niteraka. Tsy afaka nahita an'ilay zaza mihintsy ny vadiko nandritra ny taona maromaro. Niha lehibe ihany ilay zaza nitady ny rainy ka nahita ny fianakavian'i Dadany nahazo contacte tamin'ny fianakaviana amin'izay ilay zaza satry efa 8 ans izy ary nitady ny Rainy fa tsy voafehiny ntsony. 2007 nihaona izy sy Dadany ilay reniny tsy nisy fifandraisana mihintsy tamin'ny fianankavian'ny vadiko. Nande ny taona efa notantarain'ny vadiko ahy daholo ny momba andrizreo taloha. Tsy nampaninona ahy mihintsy ny fisian'ilay zaza satry mampalahelo ny situation nisy azy. Mandefa fanampina ho azy fona izahay isambolana ary hikarakaa ny hahatongavany aty. Nanomboka tamin'ny 2007 zany dia nifanerasera tamin'ny havany Dadany amin'izay ilay zaza ka rehefa misy fety de invité fona ilay zaza ny mamany manomboka miresadresaka amin'ny havan'ilay zaza kou tsy nampisy olona ahy ny firesahan'ny reniny amin'ny havan'ny vadiko. Naniry ny hiteraka izahay mivady satry efa mande ny taona ka dia teraka lahy kely izahay. Mande tsara ny fiainana mifankatia tsara izahay. Ny rafozako mipetraka any amin'ny province ka mandalo matetika aty aminay. Mitantara izy fa mifampiresaka matetika amin'ilay zaza sy ny mamany. Fantatro hoe miresaka fona ry zareo tsy niteny izà. Amin'izao amin'izay niantso ahy izy ny rafozako hoe hafarany hono ilay zaza sy ny reniny de hipetraka any aminy nanontany ny hevitro izy. Ka avy hatrany de tezitra mafy izà ary tena nifamaly mihinys satry manao tsinotsinona ny fisiako izany. Tena mandreraka be ilay izy satry lasa mampikorotana ny tokatranonay nilamina tsara teo satry izà manjary masika amin'ilay vadiko satry reniny iny. Nefa ny vadiko kou tsy pour an'izany mihintsy fa raha ilay zaza efa programmenay ny haka azy. Ka managataka ny hevitrareo izà fa tena leo be ny problème entrenay sy ny rafozako. Misotra mialoha
novalian'i ni81 ny 09/05/2009 16:17
2. ni81 ( 29/04/2009 11:59)
Andray! Tena mba hafahafa mihitsy ilay rafozanao raha izany koa! Raha ilay zaza dia tsy maninona raha ho alainy hipetraka ao aminy satria efa fantatra fa hoe "zafikeliny", fa ity renin'ilay zaza koa ve?
Misy hevitra tsy dia mazava loatra ao zany! Ary sao dia tsy dia ankasitrahan'ilay rafozana kosa ny nanambadianao an-janany?
3. xxx ( 29/04/2009 12:19)
Io no tsy fantatro fa miezaka ny manazava amiko refa izà nasika be taminy de izao no noteneniny izy ange tsy miaraka efa nisaraka amantaonany fa raha hoe mbola miaraka ry zareo de marina hono izà ra tsy haiky. Non izà wa tsy manainky an'izany satry na ny fijerin'ny havako an'izany ve de mba ahoana fa raha misy an'izany dia aleo izahay mianaka hisaraka amin'ny zanakao ny zanany lahy ange no mampalahelo ato e. Raha ilay zaza tsy mampaninona ahy mihintsy satry raiko hotran'ny zanako izy. Tena mandreraka be ahy ilay resaka
4. yandi ( 29/04/2009 12:20)
de ny manaraka kou de hoe tsy omeny mamany hono ilay zaza raha tsy miaraka aminy nefa ange lé zaza efa 11 ans efa lehibe mihintsy
5. xxx ( 29/04/2009 12:26)
de izà zany nitabataba be azy de lazainy hoe aza manao zavatra izay hampalahelo azy hono izà ary izà zany tsy tokony ho tezitra sy halahelo kou amin'ny zavatra teneniny.
6. ni81 ( 29/04/2009 12:49)
Ka raha tsy omen'ny reniny ilay zaza dia avelao izy hipetraka aminy ihany, dia ny fanampiana no tohizana koa! Dia iza no hiantoka ilay reniny hipetraka aty? Hafahafa mihitsy fa dia aleo aloha ny hafa hijery eo sao manana hevitra fa tena tsy hitako izay ambara aloha!
Mahereza!
7. xxx ( 29/04/2009 12:54)
ilay rafozako de lazainy hoe amin'ny fahatongavany fotsiny izy no hipetraka ao amin'ny fa rehefa mahita asa de hitokantrano izy izany de resaka taingina fotsiny fa anga moramora ny mahita asa na trano eto. Misotra betsaka anao nanome hevitra.
8. fahamarinana ( 29/04/2009 13:13)
:arrow: xxx mpandefa : ohatrany tsy mety koa aloha ny fahitako azy an ! Fa ny afaka manova zvtr sy afaka mapiova hevitra ny Rafozana dia tsy misy afatsy ilay vadinao ihany !Soa aza fa mitovy fomba fijery nareo mivady hatreto aloha !
Raha ianao manko dia sanatria havadika ho fankahalana na koa tsy fahazotoana handray ilay zaza koa !Miresaha tsara be nareo mivady aloha dia ahita vaha-olana !Mino aho fa mba hiheno ny zanany lahy kosa izy ? na dia noho izay antony zay fontsiny hoe mety hanembatsembana ny fiainananreo !Mifangaro ny raha rehetra !
Mahereza ! :-* (l)
9. xxx ( 29/04/2009 13:32)
Misaotra betsaka ny amin'ny torohevitra avy any aminao
10. ni81 ( 29/04/2009 15:30)
ilay rafozako de lazainy hoe amin'ny fahatongavany fotsiny izy no hipetraka ao amin'ny fa rehefa mahita asa de hitokantrano izy izany de resaka taingina fotsiny fa anga moramora ny mahita asa na trano eto. Misotra betsaka anao nanome hevitra.
Dia raha tsy mahita asa izy izany dia hipetraka ao aminy mandrakizay! 8O Sa manana ttasy vazà io vehivavy maman'ilay zaza io?
Raha ianao manko dia sanatria havadika ho fankahalana na koa tsy fahazotoana handray ilay zaza koa !Miresaha tsara be nareo mivady aloha dia ahita vaha-olana !Mino aho fa mba hiheno ny zanany lahy kosa izy ? na dia noho izay antony zay fontsiny hoe mety hanembatsembana ny fiainananreo
marina koa io tenin'i faha io
11. xxx ( 29/04/2009 16:18)
an an an tsisy taratasy izy na ny an'ilay zaza ara mbola ho amboarina satry ny Papany tsy mbola nanangana azy fa mbola ho karakaraina
12. sympa ( 30/04/2009 00:27)
Raha ny hevitro aloha de aleho manaboatra taratasy satria izany no hahafahanao manamarina fa enao no tena tompny.
tsy ny hoe enao no manana fahefana fa ny hoe enao no mba manana ny azo atokisana. izao aloha efa tojo izao zavatra mitovy nahazo anao izao fa somary hafa kely fotsiny fa tsy ho tantarako eto daholo fa ny anao no hitadiavana vaholana izao.
Raha efa nifanambady ianareo dia tokony hisoratra @nao ilay zaza raha tokony hoizy @iko. Fa tsy aiko ny hevitrin'ny olona hafa?
Ary tsy tokony hiditra @ izany ny rafozanao satria ihanao no tompony fa tsy ireo akory!!!!
Enao no tompon'ny andraikitra fa tsy ry zareo akory?????
Mahaiza manao fô dehilahy fa aiza manao fihetsika vehivavy.
13. ni81 ( 30/04/2009 05:33)
sympa>Tsy azonao ilay resaka satria tsy ilay zanak'izy mivady ange io tsisy ttasy io fa zanak'ilay rangahy t@ olona hafa teo aloha e! Fa kosa kasain'izy mivady alaina ilay zaza ho tezainy aty frantsa dia tsy manome ilay reniny any dago fa hanaraka ilay zaza aty andafy koa hono (jereo io ambony io fa ny renin'ilay rangahy no handray azy rehefa tonga eto). Ilay zaza tsy mbola natsangan'ilay rainy fa vao io ttasy ho karakaraina io.
14. xxx ( 30/04/2009 06:56)
Sympa : ilay zaza anie tsy zanako e!!!fa mbola ho karakaraina ny taratasiny refa tonga aty izy hatsangan'ny Rainy. Fa ny olana de io efa nosoratako eo ambony. Fa misotra betsaka anareo izay manome hevitra ahy Tompoko
15. Ratoa ( 03/05/2009 01:38)
Raha araky ny hevitro aloha, dia normal ihany raha mi-reconnaître ilay zaza ny vadinao.
Tsy milaza izany fa manaraka koa ramatoa. Mitady hiverina @ ny vadinao i ramatoa fa tandremo ary ny rafozanao tia io vehivavy io. Ary moramora amin'ny reny(ilay rafozanao izany) ny manodina ny lohan-dry zareo lehilahy ka heveriko fa hanao izay hamerenana iry izy sy hanaisorana anao.

Izany no atao hoe rafivavy satria rafivavinao io vady voalohany
16. rakaroka ( 09/05/2009 15:15)
Mandreraka mihitsy ny reny maaaaro mitsabaka @ fiainan-janany toa izao an!
Sady manahirana koa ny lhl maaaaaaro mbola tsy tapaka tadim-poitra marina e, maaaro no tsy mba afaka mi -decide izany fa ny hevi-dreniny foana no mikaonty dia ilay vady tsy ahoan-drizareo mihitsy : Mampalahelo!
17. ni81 ( 09/05/2009 16:17)
Sady manahirana koa ny lhl maaaaaaro mbola tsy tapaka tadim-poitra marina e, maaaro no tsy mba afaka mi -decide izany fa ny hevi-dreniny foana no mikaonty dia ilay vady tsy ahoan-drizareo mihitsy : Mampalahelo!
:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5526