Raha aretina dia mila Bilan , fa ity politika ity ...

1. lemenakely ( 29/04/2009 11:25)
Raha amiko manokana dia fotoana izao tokony'' Hieritreretana Lalina'', ary koa hifametrahana fanontaniana .

Nahoana no mifandoro trano , orin asa ny samy malagasy?
Tsy mifampiditra antrano intsony ny mpirahalahy, mpianaka ...
Mifaninana manangana gouvernement ,na ny ara-dalana na ny ara-drariny
Mangalatra , manidikodim-bola
Mifanagadra ...
Mifamaly faty ...


Tokony hipetraka ny fanontaniana hoe: inona no antony?



Inona no vahaolana tsy maintsy raisina?Ary koa ny tsy hiverimberenany?


4 volana izay dia lany andro mifanipaka toy ny valala an-karona lava , ary mandefa film efa nandeha lava izao

Ny hevitry ny hafa?



novalian'i fijo ny 29/04/2009 19:27
2. bazylou ( 29/04/2009 11:29)
http://www.hat.gov.mg/hatweb/index.php
3. Mandefitra ( 29/04/2009 11:32)
Ny antony aloha tsotra : ory hava-manana ny gasy.

Vahaolana ve? :
- Mila aorina ny fanjakana tan-dalana.

Zay ihany.
4. diamondra27 ( 29/04/2009 11:35)
lemenakely: fahiny za nahita ireny olona voan'ny ambalavelona ireny dia hoy ny mpianatra avy any ambato hoe : aza entina amin'ny dokotera izany io fa tsy mety aminy ny tsindromina

ka hoy ianao hoe: mila bilan ilay politika gasy , sao dia tsy mety sitran intsony koa fa mila fitsaboana hafa mihintsy ry zareo mpanao politika e!

ny zavatra fantako aloha dia manao contre ataky manoloana ny adversera ka izany ange ry lemenakely no mahatonga io e! tonga dia izay lohandohany no asina dia tsy afaka mankaiza ny mpanaraka. Teknika efa hain'ny be sy ny maro izany, donc gadraina sns izany ny fanafodiny, zara tsy ny aina aza no manaraka pour le moment

jereo tam andron'i Tpkl Ratsimandrava ireny
5. Oay ( 29/04/2009 11:43)
Valiny satria i Ravalomanana d mivazavaza fihavanana kanefa ny ataon'ny d fampiadiana an-trano!

Jereo fa na i Ratsiraka izay nolazaina fa biby olona aza d rehefa hitany fa nahery vaika ny fihetsehambahoaka d nipetraka izy fa tsy nitady hevitra ny hanakorontanana ny fanjakana nalaina andalambe nataon'i Ravalomanana t@ 2002!

Fa i Ravalomanana d may volotratra satria nandray vola be t@ ireo mpitsetsitra sy mpangalatra avy any ivelany d ataony izay hifamonoan'ny Malagasy mba hamerenana an'azy eo @ fitondrana satria raha vao tsy vitany izany d ny ainy no hanefa!

i Manandafy moa d efa miverintsaina ka niverina ho Marxiste izay fotokevitra nijoroany tany ampiandohana izay olona tsy mino an'Andriamanitra d faly ery Ravalomanana nahita an'i Manandafy natao praiminisitra satria i Manandafy d mino fa tsara raha betsaka ny maty mandritra ny fihetsiketsehana satria efa nilaza izy fa "Il n'y a pas d'omelette sans casser des oeufs"

Mbola averiko fa raha tena misy ny fitiavana an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy d tokony hipetraka aloha i Ravalomanana, na tonga d tairo ny ady d omeo basy ny mpitokona d @ izay samy olona mitambasy no miady eo fa tsy alefa hovonoina fotsiny ny vahoaka!

Ny tany tsy milamina d ny vahoaka madinika no mihinana ny .... ary efa manomboka mihatraika any @ ilay antonotonony ihany koa ilay izy izao satria efa maro ihany izao no tsy mahaloa hofatrano d efa hosahirana ihany koa izany ny tompontrano!

6. ravalotgv ( 29/04/2009 11:51)
governemanta mitondra gripankisoa ireo anankiroa ireo

avy any amerika sy avy any europe zao dia avy eto @ tanana dia ripaka daholo ze mitambasy sy misavorovoro

sniff
tchrouff

efa manomboka izao ny pesta de avy ny gripe porcine

snifffffffffffffff

tcrouf

hic



=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
=D> =D> =D> =D> =D> =D>
7. lemenakely ( 29/04/2009 11:56)
Mandefitra:

Ny antony aloha tsotra : ory hava-manana ny gasy.

Vahaolana ve? :
- Mila aorina ny fanjakana tan-dalana.

Zay ihany.



Ekeko ireo fa tsy ampy !
8. ravalotgv ( 29/04/2009 11:58)
ALEO RANGAHA FANJAKANA TSY TANDALANA SY TSY ARADALANA FA TOA MITOVY IHANY REO AA
SAMY MIKOROTANA
SAMY MIHINAMBOLA
SAMY MITIFIBAHOAKA

SAMY MIHANINKAZO


SAMY

SNIFF
TCHROUFF
:@ :@ :@ :@ :@ =)) =)) =)) =)) =))
9. diamondra27 ( 29/04/2009 12:04)
ravalotgv : samy mitsiroforofo koa ve :-D :{ :-D
10. Mandefitra ( 29/04/2009 12:19)
Ampy ireo fa tsy mivelatra fotsiny
Ory hava - manana ny gasy
- Tsy zakan ny mpanao politika zany hoe adversaire ny de hanan-karena zany
- Takatry ny mpanao politika rahateo io toe tsain'ny vahoaka io ka ampiasaina handrodanana ny fanjakana
- Tsy fitiavan-tanindrazana no mibaiko fa zay handrombahana fahefana @ fomba rehetra.

Mila aorina ny fanjakana tan-dalana
- Tsy misy mahazo ambonin ny lalana => mila aorina ny haute autorité de justice
- tsy misy mahazo mikitika lalam-panorenana
- Mba tena HCC mijoro @ maha izy azy no eo fa tsy vao ambanana basy dia mivadim-pitokisana
- Tena fitsarana tsy mitanila no misy
- Ny miaramila natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy mirona @ politika ... Ilaina ny fitsara-miaramila hanafaizana zay mihoam-pefy (mutins)
- Beazina ho tia ny tanindrazany ny vahoaka, ary faizina zay mpanimba ny fananambahoaka

etc ...
theorie daholo zany fa amboary aloha le toe-tsaina fozaorana e ... mamotika ny tsara misy, manantena miracle lava, ory hava - manana ...

Tsisy fampandrosoana vanona eto fa miverina ambanin ny aotra foana.
11. tsiafoi1 ( 29/04/2009 12:22)

Ny resaka bilan aloa mandany fotoana sy vola. Ny fototr'aretina efa fantatra mazava : (La Frantsa, Ben Laden sy ireo marionnettes). Raha hery no enti-manasitrana de tsy hahomby, satria NY HERY MIANTSO HERY. Aleo hisoko mangina ny ody fanafana fa raha izay HERY TSY HAHALEO NY FANAHY.

Efa mandroso miandalana izao ny Thérapie Gasy, io le ADY GASY.
12. lemenakely ( 29/04/2009 12:42)
Raha nisy zavatra iray nianjera vaky dia tsy maintsy raofina ary hatramin ny farany sao mandratra !Fa ny mahasamy hafa azy ny zavatra vaky io ariana , fa amiko ara- politika tsy maintsy misy andro anatambarana ireo zavatra potika ireo hatramin ny Kely indrindra , recoller les morceaux hoy ny vazaha izay.

Raha 160 ny antoko politika eto Madagasikara , nefa firenena Kely ity .raha 2 ny any amerika (démocrates, républicains)nefa firenen-dehibe ! Misy lesona azo tsoahina izany ao!

Ary ny tena loza dia ny mpanaraka ny Arema omaly , lasa Hery Velona dia lasa Tim indray afak ampitso !

Tsy misy lojika mihintsy ilay politika gasy ...Ka raha io no atao hoe ady gasy , inona no atao ahagaga raha miverimberina ilay kirizy?
13. tsiafoi1 ( 29/04/2009 14:36)

Le resaka politika anie raha atao bango tokana, de resaka tanjona ara-ekonomika no mitondra azy. Réussité économique ho @'ny ts11 manao azy, ho an'ny tokantrano, ho an'ny orinasa, eny anivon'ny faritra, ary isam-paritany.

Ny hizarazaran'ny loha anefa samy manana ny sainy hoy ny fiteny. Ka teo no nahavoa... Toa zary Voafehin'olon-tokana, orinasa, na antoko, na faritra iray izany tombotsoa ara-ekonomika izany.... Io anefa mety ho azo lazaina ho fitiavantena, nefa mety tsy ho izay ihany koa fa politika ahafahana mifehy @'ny ankapobeny ny toe-karen'i Gasikara sy ny fahefana... Tsy ary ho takatry ny rehetra anefa izany, fa samy manana ny lohany sy ny sainy ny ts11... Ka raha tohina ny aty marary ny afero... Nosy iray i Madagasikara, samy mba te hahazo sombiny avy...

Teo no nohararaotin'ireo Ngeza ihany koa ny tantara mba hampizarana ny samy malagasy, satria eo ilay fitenenana hoe "Zarazarao hanjakana", ary fantatr'izy ireo sy hananany traik'efa tsara toy ny tao Afrika tao ihany koa fa ny lojika mitombina de: "Tsy maintsy ho rava ny firenena miady an-trano" : ara-Baiboly ihany koa izany...

Eo anatrehan'izay fanararaotana izay, de MINO aho fa tsy hisy ho faly @'ny faharavan'ny fireneny raha mbola mihevi-tena ho malagasy koa ka, mihevitra ny hilevina eto. Eo anatrehan'izay no hinoako fa hisian'ilay revirement total atsy ho atsy ka hisehoan'ny tena ADY GASY. MINO aho fa ny teo aloha tsy hamerina ny tsy nety, moa ny ankehitriny hampandefitra ny hambom-po noho ny tombotsoa ambonin'ny firenena, raha tsy hoe efa maty eritreritra anga, ka ny any ampaosy ihany no banjinina.

Tsy maintsy mizotra manaraka ny ara-dàlana isika raha mbola te-hohita sy ho-voafaritra ao anaty carte du monde izany atao hoe MADAGASIKARA izany. Manaraka ny ara-dàlana ao anatin'ny gouvernement de consensus (eo ilay recoller les morceaux). Izay ny issue farany hivoahana
14. fijo ( 29/04/2009 19:27)
ny fahalalana politika sy ny fitaizana politika nisy sy misy ao amintsik ano ten aolan amahatonga izao tsingerina kotaba lava izao.ny vahaolana,dia mila asiana rafitra mazava sy tsy azo kitiana lava ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0584