varin'ampango

1. ni81 ( 28/04/2009 14:02)
O ry zareo a! Zà dia matetika tia manao vary manitra dia manisy varin'ampango. Ka ireto mba fanontaniana kely:
- misy milaza fa mampatavy izy io
- misy milaza fa mampahia.
- misy milaza fa tsara hanin'ny olona misy diabeta (zà klou tsisy)
Ka iza @ ireo no marina?
novalian'i fali ny 05/03/2010 13:28
2. ni81 ( 28/04/2009 14:02)
Misaotra ho an'ireo zay mamaly o
3. fahamarinana ( 28/04/2009 14:48)
:arrow: ni :tsy haiko loatra aloha ny fahamarinany na tsia !!!
Za manokana tsy tia intsony na varin'apango na ranovola fa be loatra ny laniko taloha angambany ! Sady manimba vilany koa ! :) (l)
4. ni81 ( 28/04/2009 17:28)
Sady manimba vilany koa
efa misy vilany fanaovako azy mainty kely zay mihitsy :lol: :lol: :-*
5. RATOVOARY ( 29/04/2009 06:34)
Adinon'i ni le hoe : "Mahabe nono" ( le rononon-dReny no teneniko eto a! )
Fa ny efa henoko aloha de hoe mampatavy izy io. Zah hatr@zao de tsy afaka @ fihinanana apango rehefa mirava miasa ( efa hatr@ avy mianatra no nanombohako azy). Tsy hatendana akory fa le tsirony mlay be indrindr raha manitra tsara iny izy dia somary asiana siramamy kely......hummm :miam: :miam: !!!! :-D.
Le mahavoan'ny diabeta angamba mety tsy ho marina e! raha izanydia izaho no efa voa fa hatr@ zao aho tsy mbola voa. :miam:
6. ni81 ( 29/04/2009 06:48)
Hay koa misy izany mahabe ronono izany? Zà koa ange dia ilay tsirony iny no tena nitiavako azy e! Indrindra raha trondro ny laoka dia tena ankafiziko mihitsy.
Fa ahitsiko kely ianao: tsy hoe mahavoan'ny diabeta akory ny fihinanana azy fa tsara hanin'ny olona misy diabeta satria lasa angamba ilay siramamy ao anatiny rehefa may :roll: tsy haiko aloha an!
7. RATOVOARY ( 29/04/2009 07:04)
Hay tokoa!! azafady fa nanao tsianjery fotsiny aho dia namaly avy hatrany.
8. ni81 ( 29/04/2009 07:26)
:lol: tsy maninona ka!
9. Tazana ( 03/05/2009 23:17)
Ny efa reko indray (za zany tsy misy porofo) dia hoe ny zavata atao may rehetra cancerigène (fanazavana azy ve hoe manamora ny fiforonan'ny cellules cancéreuse?). Ka rehefa mihinana zavatra somary dorana na grillé dia misotro divay kely. Za efa miezaka mitady ilay hifandraisany fa tsy mbola mahita fa rehefa hita entina eto ihany.
Ny mampahia sy mampatavy indray dia ilay mampatavy no reko koa, fa raha iny foana no hohanina sanandro dia zay angaha fa betsaka ihany ny olona mihinana toa tsy matavy. Angamba satria ve goûter no tena fanaon-dreo azy fa tsy iny no hohanina foana foana? Asa anefa! Diabeta indray tsary haiko hoe akory...
10. fali ( 05/03/2010 13:28)
Fa ny varin'ampango aloha araka ny fahafantarako azy dia tena mahangeza tokoa, ary tsara ho an'ny reny mampinono raha mihinana azy ampiarahina @ totom-boanjo. Ny ahy aloha ny zanako dia efa zatra mihinana varin'ampango rehefa avy mianatra iny. Fa tsy tiako kosa aloha raha sendra ilay somary maimay iny tsssssss.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3122