marary angamba aho

1. xxx ( 28/04/2009 06:13)
marary angamba aho :
vevavy aho no miresaka eto, 18 ans; isa- maraina aho de misasa tsara: mandro de sasako tsara am savony kou ny fivaviako tena ataoko madio tsara; de manao silipo madio aho !!! de mande mianatra;
fa ny tsy azoko de zao : lasa masiso be ihany aho refa avy eo !! avy ao am fivaviako le fofona!! mety marary anaty ngamba aho !! de tsy à l'aise mintsiny aho satria matahotra aho sao henon'ny olona eo akainiko le fofona maimbomaimbo!!

inona no mety ho anton'izany ???
mba ampio aho : inona no tokony hataoko ??
misaotra mialoha @ fanampina.
novalian'i xxx ny 04/05/2009 12:09
2. booboo ( 28/04/2009 08:08)
rano madio tsotra tsisy savony dia mety tsara hanasana ny fivaviana. Manimba ny flore vaginale sy ny ph n'ny fivaviana ny savony. Tsy tokony sokirina² kounkou ny vagin rehefa misasa.
mampiasà protège-slip dia soloy matetika é ! mandomando efa voa-janahary ny fivaviana, dia vao maika mando kokoa rehefa akaiky période d'ovulation. Iny hamandoana mikasika² @ ilay lamba n'ny culotte na string na tsy haiko iny rehefa ela ny ela dans la journée no miteraka ilay fofona.
3. xxx ( 28/04/2009 08:25)
Raha ohatra ka efa nanao firaisana t@ olona ianao , non protégé t@ kapaoty, dia tsara ihany manao analyse sao nisy aretina azo
4. xxx ( 28/04/2009 10:59)
xxx:

Raha ohatra ka efa nanao firaisana t@ olona ianao , non protégé t@ kapaoty, dia tsara ihany manao analyse sao nisy aretina azo


za alou tsy mbola nanao firaisana e !! fa mety hisy aretina ihany anefa !! ohatra avy any am ray aman-dreny niteraka na zavatra hafa !!
5. ni81 ( 28/04/2009 11:22)
Raha misy "mycoses" koa matetika dia mamoaka fofona . Misy olona raha vao mihinana antibiotique ohatra dia misy an'io mycoses io.
Mety aminao angamba ny manatona Dr fa izy no afaka mamantatra ilay zavatra tena mahazo anao sy izay fomba atao hitsaboana azy.
6. hana ( 28/04/2009 15:38)
slips coton ihany anaovana fa aza manao synthétique na lamaody aza ireny.
Araka izay azo atao, aza mampiasa toilettes publiques ilay mipetraka ireny fa aleo mitingintingina.
Dia tena marina io voalazan'i booboo io : raha mandro ianao, dia sasao rano madio fotsiny any ary aza sokisokirina fa manimba zavatra, mety sanatria hampiditra loto any aza.
Ny fahalalako azy tsy misy aretina manaranaka any @ taovam-pananahana.
Mazava ho azy, aza mifampindrampindrana slips, na maillot de bain na serviette de toilette @ olona. raha tena sarotiny dia aza mifampindrana akanjo akory aza, na dia samy hoe mpiray tampo sns aza.
Ary rehefa tonga fotoana, raha mety dia serviettes à jeter ampiasaina, aza mampiasa tampon. Raha mampiasa lamba ianao dia ampangotrahy isaky ny avy sasana ary amainina sy pasohina tsara. teheirizina @ toerana madio.
Ny tanana aza alefalefa any.
Rehefa avy manao maloto (mikakà) dia manao madio tsara, avy any aloha mankany aoriana foana rehefa mifafa.
Raha tena tsy mety, ny azo antoka indrindra dia manatona dokotera
Mahereza eh
7. flodine ( 28/04/2009 16:31)
xxx:

marary angamba aho :
vevavy aho no miresaka eto, 18 ans; isa- maraina aho de misasa tsara: mandro de sasako tsara am savony kou ny fivaviako tena ataoko madio tsara; de manao silipo madio aho !!! de mande mianatra;
fa ny tsy azoko de zao : lasa masiso be ihany aho refa avy eo !! avy ao am fivaviako le fofona!! mety marary anaty ngamba aho !! de tsy à l'aise mintsiny aho satria matahotra aho sao henon'ny olona eo akainiko le fofona maimbomaimbo!!

inona no mety ho anton'izany ???
mba ampio aho : inona no tokony hataoko ??
misaotra mialoha @ fanampina.

Raha tena marina fa mbola tsy nanao firaisana ianao dia mety bacterie avy @ douche le izy, soit douche publik ka tsy de madio tsara, soit douche privet nareo ao ihany fa tsy voadio ihany koa na mila masoandro koa ny douche, satri ny fivaviana nofo marefo.
Ka hoy aho aminao hoe manatona Dr, de aza kitikitihina aloha, aza menatra ny miresaka ny zavatra marina @ Dr.


8. kerena09 ( 30/04/2009 14:14)
Tsy marary ianao. Tsotra be ny vahaolana: aza misasa @ savony zany mintsy, rano madio fotsiny de ampy; ary sasao @ savony tsotra koa ny slip.
Tena marina io an, fa efa nahazo ahy io zavatra nahazo anao io, de io toro-hevitra omeko anao io no nampiasako de tena efficace.
9. Ratoa ( 03/05/2009 21:47)
Aza manao slip synthétique ary misasà isaky ny mivoaka, na rano izany na vaingany, ary raha tsy misy rano dia fafao madio tsara na dia ny ambona pipi aza
10. xxx ( 04/05/2009 12:09)
reefa isaky ny avy mi-pipi, dia aza adino ny misasa, na rah tsy misy rano ilay toerana, (any am-pianarana, na WC public) de fafao tsara ny fivaviana, fa matetika koa iny pipi na de goutte kely tavela aza , mitarika fofona,
De aza misaraka mouchoir a jetter zany ndry fa ndraindray te hi-pipi tampoka eny antsefatsefany eny, de aza atao an'le mouchoir manitra ireny fa le tsy misy fofona no ampiasaina,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854