raha esorina teo i tgv sy i le8

1. bazylou ( 27/04/2009 22:58)
dia iza no hasolo azy ireo ??? iza no hahazaka an'i MAdagasikara ????
novalian'i ndenn ny 28/04/2009 07:58
2. sitlo ( 27/04/2009 23:11)
directoire militaire!
3. bazylou ( 27/04/2009 23:13)
de io ve no hanao fifidiana ?? satria izay daholo no tadiavin'ireo tim tsy matyvoalavo ankibo??,
omeo olona hafa hoe mba hojerena ??
4. Oay ( 28/04/2009 05:07)
Za kosa aloha ry bazylou raha toa ka mifanaraka ny miaramila d ampiana ny FFKM d amiko azo atao ny manome ny miaramila ny fitondrana hikarakara ny fidirana @ repoblika vaovao!
5. Mio21 ( 28/04/2009 05:51)
Oay, vitako io ka! Ataoko mpanolotsaina izy mitsam. AmpenarindRa8 fangalarana sy fangoronankarena zay sy TGV, olas kalabe zay 3 mitsam no sad omafy orina ny toerana satri Capsat manome toky @fiarovana sy fampiorohoroana anizay mitady obevinany.
6. Oay ( 28/04/2009 06:00)
Mio21:

Oay, vitako io ka! Ataoko mpanolotsaina izy mitsam. AmpenarindRa8 fangalarana sy fangoronankarena zay sy TGV, olas kalabe zay 3 mitsam no sad omafy orina ny toerana satri Capsat manome toky @fiarovana sy fampiorohoroana anizay mitady obevinany.


Marina izany fa i Charles koa zany lasa kala be miaraka aminareo an!


7. Mio21 ( 28/04/2009 06:30)
Oay v tsy mazoto e? D mba 5 zany tsika iaraka inana ny manta sy ny masaka, ialona sy odiso fanatenana daoly zao reo proR8 eo Ambohijatovo reo.
8. Oay ( 28/04/2009 07:00)
Mio21:

Oay v tsy mazoto e? D mba 5 zany tsika iaraka inana ny manta sy ny masaka, ialona sy odiso fanatenana daoly zao reo proR8 eo Ambohijatovo reo.



Ny azo @ makarakara mivoaka @ kiloadoaka d sao d marary kibo @ izany fa aleo aloha hilamina klé fa na izany aza d misaotra an'i Mio21 nanana fandavantena ny hizara!
9. Mio21 ( 28/04/2009 07:08)
Adidiko, adiditsika ny mampafantatra an'reo Ambohijatovo ireo hoe inona no atao oe totohatra fiakarana, ny tena lany andro sy rovitra pataloha, ny tokatrano sy ny adidy amanandraikitra nilaozana, manginy fotsiny ny fitaintainana sanandro hoe sao d voatifitra @ty hamafisandohako ity...

Toa hoe tsy hiala eo mitsy ono zareo eo Ambohijatovo reo raha tsy efa vita ny fifidianana vaovao, ary hisy fizarana pataloha mihitsy ono atsy oatsy. :-D :-D
10. xxx ( 28/04/2009 07:34)
marina mihitsy izany ry Mio a, ohatriny nanaovanareo sy ry tgv tohatra fiakarana ny foza orana ihany io e, fa ny anareo tsy de ela loatra satria nahavita nividy miaramila(capsat) hampihorohoro!
11. ravatorano ( 28/04/2009 07:49)
amiko tsy mety mihitsy zany hoe miaramila no hikarakara ny fifidianana satria izao efa hita fa misy ny miaramila momba ny tgv ao koa ireo izay momba an-dravalo ary dia hazava ho azy zany fa tsy hisy mihitsy ny tsy fompbana ny atsy sy ny aroa ! izany hoe tsy atokisako mihitsy !
ka iza ary no tokony hanao izay !
ny administration koa tsy atokisana fa olona azo terena ireny ary matetika dia izay mitondra eo foana no ataony izay hahalany azy efa fomba fahita teto foana io hatramin'izay e ! Io ary izao i Mio21 efa manazava ny heviny manakaiky kokoa an'io voalazako io !
ny ffkm izany efa tsy misy tsony e ! efa ipatitaka ny tao satria misy olona mivoy ny fanenjehana ny mpitondra katolika ao amin' io ffkm io hany ka tsy mahatapaka zavatra betsaka tsony zareo ao sady tsy andrenesam-peo ihany koa ary dia moana tanteraka aza !
bazy < tsy maintsy misy ny fifidianana fa na ny HAT aza ange efa nanao programa momba an izany fa tsy hoe ny tim tsy maty voalavo ankibo irery no mila an'izany e ! aleo kokoa mitondra fanjakana ka mahatsiaro fa lanimbahoaka toy izay ilay alaina ankeriny iny satria ho henjana ny "retour des flammes"

iza ary e ! sarotra ny raharaha !

Ny fikarakarana fifidianana izany dia isika eto ihany dia mahavita azy fa kosa mila olona tena manana ny maha izy azy tsy voavidim-bola ,tsy azo teriterena,mahasaky mandray andraikitra,mahalala tsara momba ny lalam-pifidianana ary koa eken'ny rehetra teny amin'izay vokatra avoakany eo !
izay ihany fa ny fitadiavana olona toy manana izany toe-panahy izany sisa
i Mio21 izao efa milatsaka hanao izany
i oay tsy te hiditra amin'izay
za koa toa azy satria tsy haiko ny momba ny lalam-pfidianana
i bazy moa dia mametra panontanina fotsiny ihany sy mijery mandinika ireo voalavo tsy maty ankibo :wink: !
12. ndenn ( 28/04/2009 07:58)
Mamaly ny hevitra eo ambony aho @ ity ; raha ny marina dia tsy tokony hanao politika marina araky ny voalaza tao ambadika tao ny miaramila na ny mpitarika fivavahana rehetra , satria manjary hanana asa roa ofisialy izy ireny , ary efa nampisy ady be teo @ tantaran' ny zanak' olombelona ireo rapport fivavahana /politika ,sy corps militaire/politika ireo, araka ny nanontanian' i lemenakely tao aoriana tao.
Ka raha ny momba ny directoire militaire dia tadidio ny tantaran' i Gal Gabriel Ramanantsoa ,fony izy teo @ fitondrana ,nihezaka nanao ny expansion commerciale t@ ireo faritra manerana ny nosy nanoloana ny adversité sy concurrence t@ ireo société vahiny izay nisy teto M/car izy fa tsy nahatohitra ny opinion national malagasy noho ny momba ny olana teo @ fanajariana ny tany ,ary nahazo fandrahonana hanalàna ny ainy izany avy tamin' ireo concessions locaux na internationaux .Dia voatery nanome ny fitondrana an' i Col Ratsimandrava izay niharan' ny voina .
Amiko dia tokony ho civil ihany no hitondra eo ,ary tokony ho civil tsy nanao politika mihintsy taloha ,mba hisorohana ny fametsifetsena isan- karazany izay mety hitarika ny sainy hanao ny politikan'ny baranahiny .

:idea: :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1187