Taranaka Abraham

1. pakopako ( 27/04/2009 19:06)
Salama daholo
Tena lasa ihany ny saiko @ io tantara ao @ Baiboly hoe: niteraka tami'ny mpanompo vaviny i Abraham d niteny taminy Atra fa tsy io ilay izy.Ny fanotaniana ato antsaiko dia ny hoe: azon'Atra atao tsara na dia solafaka t@ mpanompovaviny aza izy d foanany tsy nisy vokany izany,indrisy anefa niteraka soamatsara ilay mpanompony, dia misaotra anareo sahady zay afaka mamakafaka sy manazava azy.
novalian'i pakopako ny 01/05/2009 19:23
2. soanja ( 27/04/2009 19:56)
pakopako:

Salama daholo
Tena lasa ihany ny saiko @ io tantara ao @ Baiboly hoe: niteraka tami'ny mpanompo vaviny i Abraham d niteny taminy Atra fa tsy io ilay izy.Ny fanotaniana ato antsaiko dia ny hoe: azon'Atra atao tsara na dia solafaka t@ mpanompovaviny aza izy d foanany tsy nisy vokany izany,indrisy anefa niteraka soamatsara ilay mpanompony, dia misaotra anareo sahady zay afaka mamakafaka sy manazava azy.



Ny famolavolana ny zavatra mahatonga ny fisian'ny zavatra anankiray sy ny fivoarany angamba no nataon'Andriamanitra fa ny hoe ny fisianao na fisian'ny biby iray na fivoaran-javatra iray dia tsy asan'Andriamanitra velively. Zany hoe ny entona sy ny sela ary misy rehetra eo amin'ny tontolo dia noforon'Andriamanitra ary ny fisiana ho olombelona dia nataony tokoa hivoatra amin'izay mahaolombelona antsika fa ny hoe ianao hiteraka sy ianao tsy hiteraka sns... dia tsy miankina aminy fa miankina amin'ny fivoaran'ny tsirairay sy ny zavamisy nitranga tany aloha nahatonga izany.
Ohatra hoe tsy satrin'Andriamanitra velively ny hahamay ny ala any Madagasikara fa raha dorantsika ny ala dia may ny ala. Raha avy ny orana dia ho lena ny may dia maty ny afo. Zany hoe misy dia misy ary ny tsy misy dia tsy misy.
Anjarantsika tsiaraidray kosa ny mahalala hoe inona no nahatonga anao ho eto. Raha nisy i Ishmael dia satria nisy ny ray aman-dreniny ary ny tantara manaraka izany dia tokony hilaza hatrany ny fitiavan'Andriamanitra fa tsy ny fiangarana sns.... Zany hoe izy dia nahaorina firenena iray ary amin'izao dia tsy hita pesipesenina ny fitombin'izany firenena izany. Raha ny taranaka Jiosy no hitantara anao ny fisian'i Ishmael anefa dia hilaza ny maharatsy azy izy satria io no heveriny fa fahavalony.
Toe-tsaina, finoana sy kolontsaina nobeazina taminy avokoa izany fa Andriamanitra dia mirary antsika sy miahy antsika mba hifankatia sy hifanaja ary hifandray lalandava. Fahazavana Andriamanitra!


3. coopsal ( 29/04/2009 07:30)
pakopako:
Ny fanotaniana ato antsaiko dia ny hoe: azon'Atra atao tsara na dia solafaka t@ mpanompovaviny aza izy d foanany tsy nisy vokany izany,indrisy anefa niteraka soamatsara ilay mpanompony,

==> Asa na azoko tsara ny fanontanianao na tsia, fa hapetrako toy izao ary hovaliako, ka teneno raha tsy izay ilay izy :
"Nahoana no tsy nataon' Andriamanitra ho tsy niteraka fotsiny i Hagara raha toa ka tsy taminy no tian' Andriamanitra hanomezana taranaka voafidy an'i Abarahama ?"
1- Tsy azoko ilay lazainao hoe solafaka. Tena tao anaty consiansy i Abrama no nandry tamin'i Hagara mpanompovavy, satria fahiny izany andevo dia tena izay tian'ny tompony hanaovana azy mihitsy fa fananany, ary i Saraï izay tompovavin'i Hagara sady tompom-bady no nanolotra ny hevitra teto ... noho ny fiheverany angamba fa efa antitra izy ka tsy afaka hiteraka intsony (?). I Abrama nampanantenain' Andriamanitra taranaka, saingy tsy nahafantatra izy hoe taranaka avy amin'i Saraï izany, fa ny fijeriny @ maha olombelona dia mety ho nahita fa io tenin'i Saraï io no hananany taranaka. Misy zavatra roa azo tsoahina eto :
a- Tsy nahafantatra ny lalan' Andriamanitra hahatanteraka ny teny fikasana ilay mpino. Tahaka ny mpino maro ankehitriny tsy mahafantatra ny lalan' Andriamanitra hahatanteraka ny teny fikasana, dia ny fandovana ny fanjakàn'ny lanitra, izay toerana anjakàn'ny fiadanana sy fifaliana feno ary tsy misy rahona manembantsembana na ny kely akory aza.
b- Niezaka nanatanteraka ny fikasan' Andriamanitra araka ny fomba fijeriny amin'ny maha olombelona ilay mpanompon' Andriamanitra. Ary tsy nanakana Andriamanitra. Tahaka ny mpino maro mandraka ankehitriny miezaka manatanteraka ny famonjena amin'ny fijery maha olombelona azy. Ny famonjena izay nampanantenain' Andriamanitra.

2- Hoy ny voasoratra ao amin'io Genesisy io hoe "zanakao ihany Ishmael, saingy tsy amin'ny alalany no hanatanterahako izay nampanantenaiko, fa amin'ny alalan'Isaac".

Naninona no tsy nanakana Andriamanitra ?
Zavatra fahita matetika amin'ny fiainana izany, ireto misy ohatra telo hafa ao @ baiboly :
- Adama sy Eva tsy nankato ny Tompo fa nihinana ny voankazo voarara.
- Moïse izay nofidian' Andriamanitra ho fitaovaNy hanafaka ny Zanak'Israely, ary nanao izany t@ fijerin'ny tenany olombelona tamin'ny voalohany (namono Egyptiana, nitsara ny rahalahiny)
- Ny Zanak'Israely izay nangataka mpanjaka tamin' Andriamanitra, araka ny fijerin'izy ireo [Saoly, zanak'i Kisy], nefa nisy Mpanjaka efa voaoman' Andriamanitra mialoha [Davida, zafiafin'i Rota].

Misy antony anakiroa azo raisina :
a- Io safidy io no mampiavaka ny olombelona amin'ny zavatra nohariana hafa rehetra. Tsy misy zava-boary manan-tsafidy ankoatra ny olombelona. Raha tsy omen' Andriamanitra safidy ny olona hankato Azy, dia tsy araka ny endriNy intsony izy fa tonga tahaka ny zavatra hafa rehetra.
b- Tsy hita ny famiratry ny volamena raha tsy eo ambony zavatra matroka.
Tsy fantatra hoe misy administrateur réseaux, ary mahay, raha tsy rehefa tapaka ny connexion.
Tsy hita hoe mahomby ny fitsaboana, raha tsy eo anatrehan'ny aretina.
Navelan' Andriamanitra hiseho ny asan'ny olombelona mba hahitana miavaka ny herin' Andriamanitra sy ny voninahiNy amin'ny alalan'ny asaNy.

==>
- Zavatra niainako matetika : tsy dia nisaina am-po an' Andriamanitra aho raha tsy efa sendra olana (aretina nampatahotra mafy ahy).
- Hatramin'ny nahafantarako an'i KRISTY ka ninoako Azy : tsy nahita ny sitrapon' Andriamanitra aho raha tsy efa tamin'izay tsy sitraky ny foko.

Tsy haiko ianao, fa izaho efa nandalo tamin'ny ezaka be araka izay tratrako, saingy arakaraka hafatratry ny niasako no nampavesatry ny fahotana ahy ... ankehitriny aho mahafantatra hoe aiza no tokony halehako, dia any amin'izay niteny hoe "Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho hanome anareo fitsaharana".


Misy iray azo hosaintsainina ity : efa navelan' Andriamanitra ho teraka ihany i Ishmael, nahoana no navelaNy horoahin'i Abrama tsy hitoetra eo aminy indray ?
4. niryna ( 29/04/2009 11:05)
coopsal:

]
a- Io safidy io no mampiavaka ny olombelona amin'ny zavatra nohariana hafa rehetra. Tsy misy zava-boary manan-tsafidy ankoatra ny
Misy iray azo hosaintsainina ity : efa navelan' Andriamanitra ho teraka ihany i Ishmael, nahoana no navelaNy horoahin'i Abrama tsy hitoetra eo aminy indray ?



:D :D izay no nahatonga ahy nametraka sujet ary ambadika ary manambara ny fanontaniana maro manitikitika antsika ,maninona no manaikitra ny moka ,maninona no sahan'i edena no nataon'Atra tsara indrindra ,
dia mbola ho avy koa ny fanontaniana hoe inona no mahatonga ahy eto an-tany ?
dia tonga dia omeko aza ny valiny fa nataon'Atra isika mba izara ny fahasoavany sy ampita ny hafa ny voninahiny dia izay fotsiny ve ? tohizo aza coopsal a :D
5. pakopako ( 01/05/2009 19:23)
Ekeko ihany ny fanazavanao ry soanja fa, raha jerena izao oh: ny saika hanaovan'i Abrahama sorona ny zanany, dia hita fa fahagagana ireny, ary demo naseho Atra @ finoana, d toy zany koa io firaisan'i Abraham @ mpanompo vaviny io,raha io fanazavan'i cospal io dia tany amboalohany zany dia efa nisy fanavahana ihany ity fiainana ity, sa ny mpanoratra ny Baiboly mihintsy ve no nanitsy izahy tokony takatriny sainy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0677