MADAGASIKARA=Côte d'Ivoire raha izao no hitohy!

1. lemenakely ( 27/04/2009 09:15)
Angamba maro tamitsika no nahita ilay fandaharana Enquétes exclusive tao @ M6 omaly alina ,izay mikasika ny zava-misy ao Côte d'IVOIRE!

Nanaitra avy hatrany ny fahitàna ny baranahiny tao @ ilay firenena ,teo koa ny fahantràna isankarazany ...C'est la débrouillardise hoy ry zareo!

Nahavariana tokoa ilay reportage, ary manahy aho fa toy ireny ny zava-misy eto MADA raha izao no hitohy , voire pire !


ho an izay tsy nahita dia azo jerena ao @ siten ny M6 ilay izy dia ilay hoe M6 replay no hijerena ilay izy , ENQUETES EXCLUSIVES, dimanche 26 avril
novalian'i ndenn ny 27/04/2009 15:33
2. Oay ( 27/04/2009 09:42)
Misaotra an'i lemenakely fa d voazara ny mofo androany!
Nahita loharanombaovao indray @ ity M6replay ity d izay no tiako lazaina!
Tena gaigy be tokoa fa io anie no tena olana aty afrika é! Mifanaraka @ MAFIA ny mpitondra d mandray volabe d manaiky izay tian'ny Mafia atao rehefa avy eo.
Ary io fahaizana mihatrika ny mpanambola avy any ivelany io no tena ilana olona mpanao politika fa tsy olona tia vola!
Azavaiko ny tena mpanao politika d ny fanaovana politika no tena mahamaika anazy ka hilofosany mafy d tsy d mieritreritra loatra izay hampanankarena anazy izy, na mangoronkarena aza izy d misy fetrany!
Fa ilay mpibizina lasa manao politika d rehefa tonga eo @ toerana d tsy mahalala honina fa ny ho ahy ihany, d io no nahavoa an'i Ravalomanana jereo ny fahamarinan'ny zava nisy fa misy porofo tsy azo lavina é!
Eto aho d manararaotra miteny @ mpisera hoe mba mandehana mijery izay lazain'ny tsy mitovy hevitra aminao ohatra:
_Malaza be fa serasera.org d ny tompony mpanohana TIM izany anefa d tsy mahasakana ny TGV tsy handeha eto,
_ny TOPMada d malaza fa TIM za manonkana anefa d tsy nahita an'ilay fanambaran'i Pastera Lala raha tsy nandeha nijery Topmada d za ary moa no nametraka ilay lohahevitra teto,
_noho izany ho antsika symphatisants TIM ary indrindra ho anareo any andafy mba jereo ohatra izay lazain'i Jeannot Ramambazafy ao @ MADAGATE fa na tsy horesy lahatra aza ianareo d mba manome hevitra hanampy anareo handalina ny vaovao izany!
3. Mirananirina ( 27/04/2009 11:32)
Salut zandrilahy,dia sanatria hoatran'ireny ve isika?? :(
4. andrywui ( 27/04/2009 13:51)
tsia i Madagascar aloh hatramzao tsisy genocide e !fa adin'alaelo toerana fotsiny sy te hamerina ny efa maty no misy eto !!
5. ndenn ( 27/04/2009 15:33)
lemenakely:

Angamba maro tamitsika no nahita ilay fandaharana Enquétes exclusive tao @ M6 omaly alina ,izay mikasika ny zava-misy ao Côte d'IVOIRE!

Nanaitra avy hatrany ny fahitàna ny baranahiny tao @ ilay firenena ,teo koa ny fahantràna isankarazany ...C'est la débrouillardise hoy ry zareo!

Nahavariana tokoa ilay reportage, ary manahy aho fa toy ireny ny zava-misy eto MADA raha izao no hitohy , voire pire !


ho an izay tsy nahita dia azo jerena ao @ siten ny M6 ilay izy dia ilay hoe M6 replay no hijerena ilay izy , ENQUETES EXCLUSIVES, dimanche 26 avril


Mba handefaso lien an' ilay repotage sur web hoe ra menakely hijerena izany fa ny aty tsy misokatra fa tsy region metropolitaine .raha azon' ingahy alefa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1149