Mianjady daholo ny fijaliana rehetra.

1. soanja ( 26/04/2009 13:25)
Mampalahelo tokoa ny maheno ny zavamisy ao Madagasikara fa tsy vitan'ny fijaliana amin'ny disadisa politika fa eo koa ny main-tany sy ny cyclone mamely avokoa. Betsaka ny olona tsy manan-kohanina ka misy ity olona ity (link) aza milaza hoe voan-draketa no hanindry zareo.

Inona no azo atao hanampiana ny firenentsika? :( :( :(

Mieritreritra anao lalandava ny foko/saiko ry Madagasikara malala!

http://af.reuters.com/article/topNews/idAFJOE53O06D20090425
novalian'i xxx ny 06/05/2009 15:47
2. ARICO ( 27/04/2009 10:45)
Tena marina ny teninao fa fahoriana no mianjady eto amin'ny firenentsika ; ary mampalahelo tokoa ny mahita ireto zaza malagasy tsy ampy sakafo . Taiza no mbola nisy tahaka izao hoy ianao? Vono olona , halatra , fanompoan-tsampy! Tsotra ny teniko rahalahy:MIVERINA AMIN'ANDRIAMANITRA ihany . Manjaka etoamintsika satana, mila mibebaka isika malagasy fa kapoka izao, mahazo daholo hatramin'ny tsy manan-tsiny . Ankehitriny mantsy dia toa hoatran'ny mivavaka ihany isika nefa rehefa tena dinihina toa fanafenan-javatra ihany ilay vavaka atao Tsy dia mahagaga anefa izao satria efa voasoratra fa HISY FAHORIANA SY ANDRO MAHORY ANY AMPARANY ANY ka hoy aho hoe MIVAVAKA . Misaotra ary mahereza
3. soanja ( 27/04/2009 20:04)
Efa akaiky tokoa ny farany saingy tsy midika izany hoe hilavo lefona isika na hiraviravy tanana. Ilaina lalandava ny fampiodianana ny fiainana hanana fanantenana fa tsy vitan'ny eto ny fiainana fa misy koa ny ankoatra izay mahaliana sy mahasambatra saingy miatomboka eto ny fanehoana izany amin'ny hafa.
4. ikaretsaka ( 29/04/2009 16:57)
izany tsy atao manahirana fa mainka ianao ihany no hanampy trotraka izay efa misy
fa ny manao izay anjara tandrify ny atao..
na goutte kely aza ho'zy i mere theresa izay

izay mainka hamonjy sy mieritreritra ny farany.. dia ireo mihevitra fa tsy misy natao teo antenantenany...
5. xxx ( 06/05/2009 15:47)
ka iza no nahatonga zao é, efa fantatra foana anie ny fisiany loza ara-baojanahary é d hampiany ny olona tsy misaina ihany koa @ fanakorontanana ny firenena, hahongano ny mpitondra fa tsy rarahantsika zay mijaly any, zay maty maty fa rehefa avy eo hita eo ihany!!zany ny fisainany Malagasy, milaza fa tia tanindrazana.Fitiavan-tanindrazana ny fanongam-panjakana @ malagasy, tsy miraharaha zay vokany fa atao aloha d avy eo @ zay miala! Haleo ho fadiranovana lava eo nareo ry vahoaka tsy misaina, fa nenay ny manakorontana sy mampijaly d avy eo zay misintaka mijery ny fahorianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3659