Gasy tia tanindrazana hoeee

1. bazylou ( 26/04/2009 10:53)
http://gasytiatanindrazana.free.fr/

FA naninona no tsy sahy nanao affiche tenygays ry lerony fateny frantsay daholo e?? nefa hoe tia tanindrazan hono!!
Ny membre ao amin\'io gtt io dia gasy tsy mahalala ny réalité gasy daholo fa olona manao ny conflit gasy ho fitadiavam bola fotsiny noadiny eo.
Jereo anie ny leaderny e!! jereo!! fa olona tsy mahalala izay Madagascar akory!!
répondu par Oay le 27/04/2009 05:25
2. xxx ( 26/04/2009 11:34)
mahay mi-critika ery le bazil ty nefa tsy mahita an'izay lazainy afangaro daholo ny teny frantsay sy ny anglisy...
matao lety ataon'ny teny hafa mba ho itan'ny olona any ivelany ny abibina ataon'ny tgvendrana. mbola tsy miditra ao an-tsain;la ihany zany??????
fa angaha everin'la fa gasy fotsiny ny mijery ny rehetra???? mba alefaso lavitra ti saina fohy fa tsy ho lasa lavitra ela lety a :x :x :x
3. locl ( 26/04/2009 13:30)
Fa ry bazyl ve tena mitapy sa ahoana e! Tsy mba hisaorana ny olona hoe mahavita manao hetsika aty antany lavitra aty, sa rehefa tsy TGV dia zero daholo. Tsy maintsy natao t@ teny vahiny le izy satria nisy vazaha koa tao, ka rehefa mi-inviter olona hianao dia ajainy ireny olona ireny, sa bazyl tsy nianatra an'izany????
tena mahalala ny situation misy ao Dago ireo olona ireo, ary sur aho fa mba hisy vokany ny zavatra ataony
4. nancy ( 26/04/2009 14:41)
Ary tsy novalian'i bazy anie ilay tatsy ambadika hoe fa maninona ry tgv no tsy mandeha air mad raha hoany france fa aleony manome vola ny societe vazaha toy izay hoan'ny societe gasy e. Zany ve no fitiavan-tanindrazana nefa milaza azy ho filohan'ny malagasy? ? nefa eto enao no miseho manakiana ny olona hoe tsy tia tanindrazana!

bazylou:

http://gasytiatanindrazana.free.fr/

FA naninona no tsy sahy nanao affiche tenygays ry lerony fateny frantsay daholo e?? nefa hoe tia tanindrazan hono!!
Ny membre ao amin\'io gtt io dia gasy tsy mahalala ny réalité gasy daholo fa olona manao ny conflit gasy ho fitadiavam bola fotsiny noadiny eo.
Jereo anie ny leaderny e!! jereo!! fa olona tsy mahalala izay Madagascar akory!!




5. Havantsika ( 26/04/2009 15:46)
Tsara raha miverina aty Mada daholo raha tena tia tanindrazana. Raha tsy izany dia aoka ho fitaratra any ivelany e!
Mandalo ihany ny évènement fa ny maha malagasy dia mitoetra raha mbola olom-pirenena koa. Aleo miady ho an'ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny mpiray tanindrazana.
Fiaraha-monina mifampitsinjo no mety ho an'ny Malagasy mahay mihavana fa tsy mifanabaty na mifanenjika



6. ifiona ( 26/04/2009 16:16)
raha mba fantatry bazil mantsy fa maro amin'ireo gasy tia tanindrazana ireo anie no te hody fa mbola manangom-bola e! budget be ihany mantsy ny handehanana sy hiverenena aty an dafy avy eo, raha mba hitan'i bazil ny hafalian'izy ireo raha vao hoe hiverina any Dago zany! ireo izay afaka mody matetika moa zany d'efa tsiriritin'ireo hafa sisa, hoe eeeee! sambatra ianareo mba miverina eny an-tanindrazana mandritry ny fialantsasatra ohatra an!

eo koa ilay hoe ny tsy maha eo an toerana azy! eny, misy ny lafiratsiny hoe tsy tena miaina ilay zava-miseho, saingy azo raisina amin'ny lafiny hafa koa ilay izy hoe, mitondra fomba fijery alavidavitra kokoa! ka izay no porofo hoe na dia alavitra na akaiky dia tsisy manaiky an'io fanongam-panjakàna io! be anie ireo any Madagasikara no mbola tsy nahita ireny video fanerena sy fangalàna an-keriny ny jeneraly ireny e!

izaho ndray aloha dia ny fihetsehiny aty ivelan'ny taniny no tena hitako hoe porofo ny maha tia tanindrazana azy e! azony natao anie ny tsy nihetsika e, efa an-tany hafa izy, manana ny fiainany! saingy nihetsika ry zareo ary tsy manaiky fa miara miady @ gasy an-tanindrazana! ka tsy sakana amiko zany hoe teny frantsay ny pancarte ataony, marina fa mety hoe misy tsy mahay miteny gasy aza ireo, fa ny fitiavana tanindrazana mitoetra ao am-po foana!
7. ravalotgv ( 26/04/2009 16:29)
fifampikotina sipa kosaz angamba le fotoana ao sady manja kely daholo an
sniff
tchrouff
:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
8. NyMisaina ( 26/04/2009 18:45)
Félicitations ho an' lé GTT !!!

Ilaina ny tanora @ zao fotoana; aleo entin 'ry zalà mintsy 'ty resaka ty fa tsy lasa intsony

Tafahoatra loatra ny za-misy @ zao fotoana
Hovaina amin'izay ity fiainana ity
TOHIZO! RY TANORA TIA TANINDRAZANA FA TENA METY, IANAREO KOA NO TENA HERI-VELONA NA TSY AN-TOERANA AZA !!!
9. bazylou ( 26/04/2009 19:34)
o ry fiona, §!!,, neveriko fa .. kay .. misy olon atia tanindrazan ve nefa tamin'izy 3 taona no tany farany e!! izao izy efa 20 mahery!!??? le leaderny no tena tiko lazaina satria fantatro tsara izy iny.
Ity tokoa angamba le hoe ny mpaminany tsy masina taniny e!! ??
ka ny olona anie mazava e, sy mijoro amin'ny heviny.
Rehefa samy hiady sy hifandripalka ihany ve tsy aleo omena ny hafa ny vola!!
Dia ahoana , nanome rakitra an'dry gtt daholoizany !!! loooooll, mahatsikaiky :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
Aiza koa izany hoe tanora hery velona any andafy ny taniny izany??
de nahazo ohatrinona sy sipa firy ianao izany ry nymisaina :-D :-D
10. bazylou ( 26/04/2009 19:39)
"""ry gasy andafy sasany, izay kanosa: raha mafy be dia tongava aty an-tanindrazana mitolona fa aza i Mialy Rajoelina no mba hampisehoana fihetsika mapihomehy
tongava aty Gasikara mifampitana aty raha mafy fa aza manao fihetsika "lâche" hoatran'ny nataonareo tao Paris.""""

11. tovolahy007 ( 26/04/2009 19:57)
Dryyyy, fa ovina i Bazy Lo no tonga teto Madagasikara re olona e?? Sa niaraka t@ Pierot???. Tsara refa eto madagasikara enao @ zay mahita tsara fa tsy toy natao teo aloha, any andafy nefa niseho nahalala be ny zava-nisy teto. Dia tonga soa enao e, dia sikafo tsara ny maso ahita asr asio solomaso ra mbola manjavozavo.

Enga anie ka tsy mpandainga ohatra ny SAVONY VAVA ZANANY i Bazy Lo ka tena efa mba eto madagasikara marina. hahahahaha.
12. ifiona ( 26/04/2009 21:22)
bazylou:

o ry fiona, §!!,, neveriko fa .. kay .. misy olon atia tanindrazan ve nefa tamin'izy 3 taona no tany farany e!! izao izy efa 20 mahery!!??? le leaderny no tena tiko lazaina satria fantatro tsara izy iny.


dia raha t@ 3 taona izy no tany farany dia inona no tsy hitiavany ny tanindrazany amin'izany? gasy anie gasy foana e! za ohatra zao manana cousin niala tany Madagasikara t@ izy 6 taona dia 26 ans izy vao niverina tany Madagasikara, efa tsy andriny mihitsy ny hiverenena na dia tsy dia mahay teny gasy aza izy, marina fa nanao ny fiainany taty an-dafy izy fa tsy manala ny fitiavany ny tanindrazany velively zany! zay anie no lazaiko amin' bazylou hoe azon'ny gtt natao tsara ny tsy mihetsika, efa manana ny fiainany milamina izy, metro boulot dodo sns, kanefa dia zao mijoro sy mitondra ny anjara birikiny ho an'ny malagasy eny Dago zao. Raha tsy teo anie zao ohatra ny GTT dia efa lasan'ilay Julien anaty HAT iny ny Arago e! sa inona ary ny tombontsoan'ny gtt hihetsehany toy izao raha tsy fitiavany tanindrazana ihany, naka risque izy t@ nanipy lafarina teo @ mialy, mi-organiser manif aty ivelany (inona ny tombontsoany amin'izany?), manao conférence-débat.
13. ifiona ( 26/04/2009 21:29)
ty cadeau kely ho anao ry bazylou :-*


http://www.youtube.com/watch?v=cwIqR4RGSj0
14. Oay ( 27/04/2009 05:25)
Mahafinaritra ilay ady hevitra,

Momba ny fitiavana ny tanindrazana d tsy fiadian-kevitra ny @ izany satria:"Le gout comme la couleur ca ne se discute pas" ary mbola ao koa ilay hoe: "L'amour a sa raison que la raison ne connait pas"
Noho izany amiko d mandany andro ny fiadiana hevitra @ hoe satria tsy aty tanindrazana d tsy tia ny tanindrazany, tsy misy olona afaka ilaza an'izany satria na tsy aty tanindrazana aza izy d tsy mahatoky ny tenako hoe tsy misy havany tafanjanona aty ka na d ny alahelony an'ireo havana aza d ampy hahatsiarovany sy hieritreretany ny momba ny tanindrazany!
Mahatsapa tsara izany ny tenanay satria mananjoky izay noho ny asany d tsy afaka mipetraka eto Madagasikara fa indray mandeha isan-taona ihany izy miaraka @ vady amanjanany no mandeha aty Madagasikara mampahalala ny zanany hoe izao ny aty ambanivohitra nahalebeazan'i dada ohatra!
Misy zavatra mba tiako lazaina kely kosa anefa momba ilay fitenenana ny tenin-drazana:
Ny tenindrazana no ahafahana manavaka ny olona : ohatra misy frantsay sy italiana samy eropeana ry zareo fa ny ahafahany mandresy lahatra fa frantsay ny iray d satria miteny frantsay izy d torak'izany koa ilay italiana, noho izany d amiko tokony terena (mialatsiny fa otrany hoe tsy misy fahalalahana) tokony hoterena ny zaza hianatra ny tenindrazany raha mbola Malagasy ray sy reny satria za mahita fa mijaly ilay zaza rehefa tonga aty rehefa tsy afaka miresaka @ ireo havany, ny an'ny zokinay aloha d mahagaga fa miteny gasy be na d ny anglisy aza no teniny d ny teny frantsay no teny ampianarana anazy é! d neninay tsy sahirana rehefa miresaka aminy rehefa tonga aty ry zareo d mandeha any ambanivohitra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0349