Hery ô! (hevitra atsipy raha mety...

1. xxx ( 26/04/2009 07:33)
Manahirana be ve ry hery raha ampiana kely ny fampiasàna ny hafatra voaray? ohatra ny ao amin'ny Mail yahoo...
Raha ohatra izao mahafazo hafatra be dia be avy amin'ny fakitera dia ilay mamafa ny hafatra tsirairay somary mandàny andro kely satsia ohatra mahatratra hatramin'ny zato ny hafatra nalefan'ny fakitera...
Dia ny hevitra mba hatsipiko raha mety sy tsy manahirana dia asiana an'ilay hoe cocher tout avy eo mi klik eo amin'ny supprimer dia avy dia supprimer daholo lay hafatra, fa tsy mila mitsindroka tsirairay ilay hafatra hoe fafao...
Misaotra indrindra.
novalian'i xxx ny 01/05/2009 10:22
2. Noue ( 26/04/2009 07:46)
xxx:

Raha ohatra izao mahafazo hafatra be dia be avy amin'ny fakitera dia ilay mamafa ny hafatra tsirairay somary mandàny andro kely satsia ohatra mahatratra hatramin'ny zato ny hafatra nalefan'ny fakitera...
Dia ny hevitra mba hatsipiko raha mety sy tsy manahirana dia asiana an'ilay hoe cocher tout avy eo mi klik eo amin'ny supprimer dia avy dia supprimer daholo lay hafatra, fa tsy mila mitsindroka tsirairay ilay hafatra hoe fafao...
nampetrakao an'i Hery ny fanontaniana fa mba mamaly koa aho ee! dia jerevo fa azo atao tsara tahaka ny ao @ yahoo ny famafana ny hafatra rehetra indray mandeha ee!

case + trombone + Mpandefa + Votoatiny + Daty

Avy dia io case io no klikéna dia vita e! avy dia klikéna ny oe fafao dia lasa daholoooo !! andramo anie eee!

3. xxx ( 26/04/2009 10:14)
noue: ka izy no mpiandraikitra mpanantontosa ny site izay no antony nametrahako fanontaniana ny hevitra ho azy ...
Misaotra tamin'ny toro-hevitra fa tsy hitako io case io...
Aiza ho aiza ao amin'ny hafavatra voaray io?
4. hery ( 30/04/2009 15:50)
5. xxx ( 30/04/2009 17:18)
OK Misaotra betsalka e :D
6. sitlo ( 30/04/2009 17:35)
Tsy fantatro na io xxx io ihany ilay xxx etsy ambony. Fa ny fangatahana, raha mety dia izy rehetra no indray voafafa fa tsy ny ny rehetra eo amin'ny pejy iray ihany.

Ohatra hoe misy pejy 9 ny anao, dia raha manaraka io torohevitr'i Hery io dia ny havatra 20 eo amin'ny pejy jerena ihany no voafafa.

Tsy tena important be aloha ilay izy satria ho voafafa ho azy afaka iray volana fa na izany aza mba estetika. :°)
7. xxx ( 01/05/2009 10:22)
SITLO: izaho ihany ireo xxx ireo ka!
ilay hafatra tiko ho fafaina daholo mihintsy pejy par pejy, na izany aza isaky ny pejy no afaka fafàna sa tsy izany???? Ka ilay famafàna hafatra isaky ny pejy mifadika no tsara satria sao dia misy hafatra tsy tiana fafàna tampoka any amin'ny pejy manaraka dia décochéna hoatra ny ao amin'ny yahoo.
Tsy tiako ilay mahita hafatra be dia be sy marika ngedabe menamena ery amin'ny sisiny fa manaitra hoe misy hafatra vaovao anefa ny teo ihany no teo, ny antony hangatahako ilay famafàna faobe ny hafatra dia leo aho ny mitsiMpona ny hafatra tsirairay ho fafàna, ny connexion-ko rahateo miadana be.
Tsy fantako mihintsy io fomba famafàna hafatra natoro'ny hery io hatrizay fa izao vao fantako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2565