Sahirana ara-tsaina ny manaraka sy mioby TGVendrana

1. penguin ( 24/04/2009 11:19)
Misy manoratra eo ambany hoe ny sahirana no tena maro nanaraka ny hetsika TGVendrana. Mety ekeko fa ny fanazavana azy nno disoako. Ireo olona avy nitondra tany aloha dia tsy sahirana daholo ary manana ny ampy saingy SAHIRANA ARA-TSAINA. Ireo sahirana nohon'ny tsy fahafahana MANDALINA ary notaritin'ny olona amin'ny Train à Grande Vitesse izay tsy misy eto Madagasikara dia SAHIRANA ARA-TSAINA.
Eran-tany dia misy ny orin'asa banky ropitra ary mihasahirana saingy ny an'ny tgvendrana ny MPANAO SAVONY NOSY izay mivarotra lafo sady manena ny haben'ny savony hamidy ary mitady tombony manokana sy misakana ny tsy hisian'ny savony mora vidy zakan'ny mpanjiva no lazaina sahirana. Tsy sahirana ireo fa zanaky ny mpanefoefa teto Antananarivo.
Ny sahirana efa tsy an'asa moa na sahirana tsy ampy fianarana dia azo avilivily satria tsy ampy fandinihana sady maika ny fampanantenana ny hitaingina ny tena TGV. Izao dia ny tgvendrana no hitany.
répondu par bazylou le 24/04/2009 21:47
2. Mirananirina ( 24/04/2009 11:25)
mihamihakatra ihany hoa penguin a
3. ravonjison ( 24/04/2009 11:44)
Misy fanoharana narosoko atsy ambadika mikasika io hevitra io ( ny sahirana no tena maro manaraka TGVendrana, lohateny : diso ve ny fijeriko ?.
Hitanao @ io fa mifangaroharo ihany ilay izy. Ary ilay fahasahiranana ara-tsina voalazanao dia marina mihitsy.
4. kasimodo ( 24/04/2009 12:18)
Zao fotsiny eh!!!
Hoy nareo TIM: les TGV sont des terroristes --> Fa naninona no tsy nogadraina fony mbola teo am-pelatananareo ny pouvoir???????
Jiolahim-boto; mpandroba; mpamaky trano ny ankamaroan'ny TGV: fa naninona no betsaka izy ireo??? (na tsy majoritaire aza?)
Sahirana ara-tsaina nohon'ny tsy fahazoan-tseza? --> betsaka ary ve reo olona reo? ary raha vitsy naninona no naongam-panjakana??
Fitiavan-tanindrazana marina ve no ataon'ny TIM??? Si on considère hoe miverina i dada; d milamina am'zay ve ny tanàna???
farany: fa naninona ny miaramila gasy no nanao an'io??? taiza teto ambonin'ny tany no mbola nisy miaramila tsy nety nandray baiko izany?????
Za tena manaiky fa ratsy ny TGV ary tena ratsy; saingy raha izao zava-mitranga eto amin'ny firenena eto izao no tsaraiko dia hoy aho hoe: TGV sy TIM mitovy fa tsy sahala....> Samy mpamono olona ihany......
5. penguin ( 24/04/2009 12:36)
Tsy resaka hamaroan'ny vahoaka nikomy no nanavotan'ny Filoham-pirenena ny ainy fa ny fandrahonan'ny miaramila. Mba tsy nisian'ny fifampitifirana sy ady ho an'ny samy Malagasy dia tsara ny nialana tao Iavoloha. Ny miaramila dia tsy tokony hiditra mivantana amin'izany. TGVendrana marary saina no mihevitra mitondra nefa mba hambarao raha misy mandeha ireo Ministera rehetra najoro ireo ary asio porofo. Ny hitondra sy ny hanangana ny STAFF aza tsy vita fa ny teo ihany no ampitambazina. Inona no TGV amin'izany fa tsy tgvendrana no mijoro.
6. Noue ( 24/04/2009 12:56)
zao ny politikan'i tgvendrana

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]
7. bazylou ( 24/04/2009 13:26)
dia sahiran amin'inona ny mpomba an'ni tgv!!!??? ianreo tim izao no valala tsy misy lohany :-D :-D
8. xxx ( 24/04/2009 15:11)
sahirana ianareo mpomba ny TGV,satria mba fantarareo moa fa afaka andro vitsivitsy dia,na ny vola handoavanareo ny karaman'ny mpiasa aza tsy hisy intsony,ho sahirana tanteraka ianareo fa na hitsoaka an'i Madagasikara aza ianareo,dia tsy lasa lavitra satria na ireo mpanam-bola nampiasa vola anefa nopotehinareo izao hiandry anareo ,afatsy ianareo izay any am-pita moa ka be taim-bava,ho anareo TGV sy ny mpomba azy rehetra dia efa hadio ny fasana hilevenanareo ireo,fa sao heverinareo fa dondrom-p ny GASY,mety ianareo angamba izany gasy izany ka ny fampiasan-kery sy ny fanonganam-panjakana,no takatrareo sy arovanareo,hita mihintsy fa olona manaonao faona ianareo tgv sy ny firongony ireo,ary mazava ny tetik'adinareo fa ny hanapotika an'i Madagasikara nefa mba tanindrazanareo ihany mba menatra!!!!aza tsaraina hoe "vavan'ny TIM na pro RA8 ny anay fa efa fanaonareo io n'aiza na aiza" tsy izy velively fa gasy tsotra fotsiny ary tsy manaiky ny fanapotehana an'i MADAGASIKARA SATRIA ANAY KOA IO FANEVA SY TANINDRAZANA IO
9. fijo ( 24/04/2009 20:46)
tsy efa ampy ve izay ry zalahy ,fa tokony mba hodinihan amain'izay ny vahoak atena sahirana???
10. bazylou ( 24/04/2009 21:47)
http://actumadagascar.blogspot.com/2009/02/7-fevrier-2009-le-massacre-de-la.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585