Politika

1. tafondro ( 24/04/2009 11:03)
Tsy mety ve raha ajanona kely ny fifandiran- kevitra politika mampifamono ny malagasy ankehitriny ry zareo ? ekena fa samy nanana ny maty ny ankolafiny rehetra , izay tsy miady hono olom- bodo ,fa ny to fo mpamosavy .
Ary raha mbola mpitarika manana principe manichéen ao an-dohany no atao mpitondra sy hofidian\' ny malagasy @ fifidianana manaraka dia minoa ianareo fa tsy ho tafarina haingana ny toe- karena ;alohan\' ny fifamaliana handraisan\' ny tsirairay anjara eto dia tokony hieritreritra tsara aloha isika ny @ izay ho vokatry ny teny avoaky ny sora-tanantsika rehetra ,efa nilaza izany ihany aho tany aloha tany fa angamba maro ny tsy nahavaky izany .
Raiso an\' eritreritra fa efa betsaka ny vahiny no mahazo tsara ny teny malagasy satria nianatra izany methodiquement, ary mbola mandalina ny fivoaran\' ny teny eran\' izao ntontolo izao izy ireny . Erudits no hilazana azy ireny ho an\' ireo izay tsy mahalala izany.
Manaraka izany dia aza mandray an-tendrony ny raharaha politika ho tsy misy fotony mihintsy isika ,indrindra indrindra ireo mitsara ny mpanao politika malagasy rehetra eto @ serasera ,ho an\' ireo malagasy mipetraka aty ivelany dia hafatra manokana ho azy ireny ity ; maro be koa ny mpiray tanindrazana amintsika no mitady tombotsoa avy amin\' ireny fifandraisana lavitra ireny ,ary noho ny hamafisan\' ny fiainana ao Mada dia mahatonga azy ireny manaonao foana ara- ekonomia sy finansy ny ankabeazany ,ka mahatonga ny balance commerciale malagasy hitotongana ambany be tokoa .
Porofon\' izany ny fanaovana varoboba ny akora maro avy any Mada ,@ vidiny tsy ara- dalàna , ary matetika aza dia maimai-poana no ahazahoan\' ny tranombarotra sy ny sosaity mioltinasionaly ireny noho ny tsy fahatakaran\' ny tompon\' andraikitra malagasy ny tena vidiny marina aty ivelany aty.
Eo ankilan\' izany koa ny tsy fahafantaran\' ny malagasy ny fihavian\' ny vola fanampiana omen\' ireo jiolahy mpanadio vola eran\' izao vaza- mototra izao , ka manaikinaiky fotsiny tsy mangataka fanazavana ny @ ny fihaviany izany ,ka mahatonga disadisa @ firenena hafa.(frantsa ,amerika chine , afrika du sud , italie ,espagne,...).
Ambonin\' izany ny fiaraha- miasan\' ireo malagasy vitsivitsy mahita tombony tsy ahitana ny ampitso amin\' ireny firenena mpampanjana-bola ireny ,ka indraindray dia mampirafy sy mampiady ny samy malagasy toa izao miseho izao ankehitriny.
Koa hoy aho hoe ,raha ny mpanaraka ny ankolafiny politika isanisany eto @ serasera aza no mifanasa vangy sy mifandrahona dia hevero kely hoe ,ahoana no fomba handaminana sy hampandroso ny firenena haingana dia haingana hialana @ fahantrana izay hita fa tena mafy tokoa miohatra @ ireo firenena sasany ? eny fa na dia miohatra ny firenena afrikana mahantra aza ?
Jero kely ny fanivahivana mahazo ny mpanao politika malagasy @ izao fotoana izao noho ny fahabadoan\' izy ireny ! Hihomehezan\' ny olona aty ivelany fotsiny , ary ny tena mampalahelo dia ny fisokajiana ataon \'ny firenena sasany ny fiaraha- monina malagasy @ ankapobeny , noho ny toe-tsaina lomorina hananan\' ireo mpiray tanindrazana amintsika sasany ,noho ny tsy fahampian- tsaina sy ny tsy fahalalàna ary ny fanindraindrana tena ataon\' ireo manam-pahefana ao Madagasikara ao.
Tsy misy deontolojika ,tsy misy moraly ,tsy misy foto- kevitra , tsy manana traikefa hitondrana marina sy ara- dalàna am- pilaminana sy am-pahamarinana ny firenena fa dia samy manao izay hitany fa mety .
Mipetraka ny fanontaniana hoe ,olona mba mivoatra ve ny Malagasy sa dia mbola olon\' ny lava- bato sy ny trano tafon- dravinkazo foana hatramin\' izao ?
Amiko raha tena olona mahavita ny mpitondra tian\' ny malagasy ho fidiana ho filoha dia ,tsy mihoatra ny 3 taona dia hitsangana ny toe- karena sy ny ekonomia malagasy , ka asakasak\' ireo fanetribe ny tany mpiray tanindrazana , n\' aiza n\' aiza misy azy ,na aty ivelany na ao Mada.





:oops: :oops:
novalian'i fijo ny 24/04/2009 20:54
2. Mirananirina ( 24/04/2009 11:26)
lava loatra hoa fa afohezo e :(
3. tafondro ( 24/04/2009 11:28)
Vakio miadana fa tsy misy mahamaika ry mirananirina a !
4. babany ( 24/04/2009 12:16)
Mahafaly ny mahita fa misy malagasy mahay mandanjalanja toy izao eto amin'ity serasera ity.
Misy fiteny momba ny politika izay mazava tsara:
(Miala tsiny fa @ teny baiko)
La politique, c'est l'art de berner les gens.
5. tafondro ( 24/04/2009 12:54)
Amiko dia adage efa depassé par le temps io fitenenana io , il faut savoir vivre son époque si on veut survivre dans cette monde chaotique .De nos jours ,plus aucun respect pour le droit le plus intime qu' est de vivre dignement et tranquillement sans étre embété par des politiciens débiles qui ont perdus tout repère social dû aux influences néfastes vehiculées par les autres civilisations .La politique actuellement pour moi = Bétise populaire vulgaire ,importée des pays impropres à l' appelation de monde civilisé.A bon entendeur sera un bienfait.
6. Noue ( 24/04/2009 12:56)
zao no zava-niseho androany

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]

zao ny politikan'i tgvendrana
7. soanja ( 24/04/2009 13:16)
tafondro:

Tsy mety ve raha ajanona kely ny fifandiran- kevitra politika mampifamono ny malagasy ankehitriny ry zareo ? ekena fa samy nanana ny maty ny ankolafiny rehetra , izay tsy miady hono olom- bodo ,fa ny to fo mpamosavy .
Ary raha mbola mpitarika manana principe manichéen ao an-dohany no atao mpitondra sy hofidian\' ny malagasy @ fifidianana manaraka dia minoa ianareo fa tsy ho tafarina haingana ny toe- karena ;alohan\' ny fifamaliana handraisan\' ny tsirairay anjara eto dia tokony hieritreritra tsara aloha isika ny @ izay ho vokatry ny teny avoaky ny sora-tanantsika rehetra ,efa nilaza izany ihany aho tany aloha tany fa angamba maro ny tsy nahavaky izany .
Raiso an\' eritreritra fa efa betsaka ny vahiny no mahazo tsara ny teny malagasy satria nianatra izany methodiquement, ary mbola mandalina ny fivoaran\' ny teny eran\' izao ntontolo izao izy ireny . Erudits no hilazana azy ireny ho an\' ireo izay tsy mahalala izany.
Manaraka izany dia aza mandray an-tendrony ny raharaha politika ho tsy misy fotony mihintsy isika ,indrindra indrindra ireo mitsara ny mpanao politika malagasy rehetra eto @ serasera ,ho an\' ireo malagasy mipetraka aty ivelany dia hafatra manokana ho azy ireny ity ; maro be koa ny mpiray tanindrazana amintsika no mitady tombotsoa avy amin\' ireny fifandraisana lavitra ireny ,ary noho ny hamafisan\' ny fiainana ao Mada dia mahatonga azy ireny manaonao foana ara- ekonomia sy finansy ny ankabeazany ,ka mahatonga ny balance commerciale malagasy hitotongana ambany be tokoa .
Porofon\' izany ny fanaovana varoboba ny akora maro avy any Mada ,@ vidiny tsy ara- dalàna , ary matetika aza dia maimai-poana no ahazahoan\' ny tranombarotra sy ny sosaity mioltinasionaly ireny noho ny tsy fahatakaran\' ny tompon\' andraikitra malagasy ny tena vidiny marina aty ivelany aty.
Eo ankilan\' izany koa ny tsy fahafantaran\' ny malagasy ny fihavian\' ny vola fanampiana omen\' ireo jiolahy mpanadio vola eran\' izao vaza- mototra izao , ka manaikinaiky fotsiny tsy mangataka fanazavana ny @ ny fihaviany izany ,ka mahatonga disadisa @ firenena hafa.(frantsa ,amerika chine , afrika du sud , italie ,espagne,...).
Ambonin\' izany ny fiaraha- miasan\' ireo malagasy vitsivitsy mahita tombony tsy ahitana ny ampitso amin\' ireny firenena mpampanjana-bola ireny ,ka indraindray dia mampirafy sy mampiady ny samy malagasy toa izao miseho izao ankehitriny.
Koa hoy aho hoe ,raha ny mpanaraka ny ankolafiny politika isanisany eto @ serasera aza no mifanasa vangy sy mifandrahona dia hevero kely hoe ,ahoana no fomba handaminana sy hampandroso ny firenena haingana dia haingana hialana @ fahantrana izay hita fa tena mafy tokoa miohatra @ ireo firenena sasany ? eny fa na dia miohatra ny firenena afrikana mahantra aza ?
Jero kely ny fanivahivana mahazo ny mpanao politika malagasy @ izao fotoana izao noho ny fahabadoan\' izy ireny ! Hihomehezan\' ny olona aty ivelany fotsiny , ary ny tena mampalahelo dia ny fisokajiana ataon \'ny firenena sasany ny fiaraha- monina malagasy @ ankapobeny , noho ny toe-tsaina lomorina hananan\' ireo mpiray tanindrazana amintsika sasany ,noho ny tsy fahampian- tsaina sy ny tsy fahalalàna ary ny fanindraindrana tena ataon\' ireo manam-pahefana ao Madagasikara ao.
Tsy misy deontolojika ,tsy misy moraly ,tsy misy foto- kevitra , tsy manana traikefa hitondrana marina sy ara- dalàna am- pilaminana sy am-pahamarinana ny firenena fa dia samy manao izay hitany fa mety .
Mipetraka ny fanontaniana hoe ,olona mba mivoatra ve ny Malagasy sa dia mbola olon\' ny lava- bato sy ny trano tafon- dravinkazo foana hatramin\' izao ?
Amiko raha tena olona mahavita ny mpitondra tian\' ny malagasy ho fidiana ho filoha dia ,tsy mihoatra ny 3 taona dia hitsangana ny toe- karena sy ny ekonomia malagasy , ka asakasak\' ireo fanetribe ny tany mpiray tanindrazana , n\' aiza n\' aiza misy azy ,na aty ivelany na ao Mada.





:oops: :oops:


Mampalahelo fa tsy hitan'ireo izay miady seza tokoa izany.

Raha mbola fomba iray hamenoana ny paosy ny fazahoana seza foana ny ao amin'ny fitondrana dia tsy hanana toerana hivoatra sy hilamina i Madagasikara!

Tsy tia tanindrazana ny mpanao politikantsika fa entin'ny fitiavan-tenany satria nahoana tsy ampy ny fahalalana izany atao fitiavan-tanindrazana tokony novolena taminy.


8. tafondro ( 24/04/2009 13:16)
Que les cieux aient pitié des damnés sur cette terre de passage .
Je ferai une prière particulière pour l' absolution de son âme et pour la patrie ,ô ry razambe ô harovy ny taranakao sy ny firenena malagasy fa mandalo fotoan- tsarotra . :(
9. fijo ( 24/04/2009 20:54)
ny mpanao politika any amintsika,tsynianatra politika,fa manao politika ho fitadiavam bola.izay no olana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0464