aparitaho ho hitambahoaka e!

1. xxx ( 24/04/2009 07:57)
24 avril 2009 à 9 h 18 min
VOTOATIN’NY TARATASY TRATRA TANY AMIN’NY SAMPA-PITSIKILOVANA FRANTSAY
Anjaranao ny mandinika ity taratasy ity, nefa lazaiko aminao fa marina, ary LOHARANOM-BAOVAO tena azo antoka no nahazoana azy. Tena mampieritreritra ny fizotran’ny tantara ao Madagasikara.
Ny drafitra sy ny scenario nataon’ny frantsay amin’ny toe-draharaha eto Madagasikara
Ataoko bango tsotsotra eto ny tena votoatiny:
Tanjona 1 : hanakorontanana an’ Antananarvo, Fianarantsoa ny voalohany ary avy eo Madagasikara manontolo. (Merina sy ny Betsileo esorina tanteraka tsy ho ao anatin’ny fitantanana-draharaha ao Madagasikara, ka hatomboka any amin’ny miaramila no voalohany, manaraka ny homme politiques, izay no mahavoatonona manokana an’Antananarivo sy fianarantsoa eto.)
Tanjona 2: hanapotehana sy hanakorontanana ny fotodrafitrasa rehetra ao Tana amin’ny alaln’ny Milisy tarihan’Atoa Alain Ramaroson sy ny CAPSAT. Handrodana ny toe-karena sy hanao izay tsy hiasan’ny fotodrafitrasa sy ny mpivarotra ary ny toeram-pivarotana araka izay tratra ao Tana , Fianara, avy Madagasikara manontolo ka tsy hisian’ny PPN intsony hankao TANA indrindra indrindra. Ny Fitaovana hanatratrarana izany dia ny terreur ataon’ireo milisy sy CAPSAT, sy ny fisian’ny infiltration’ireo TGViste ao amin’ny mpanohana ny ara-dalana, dia manakana ny camion sy izay rehetra hitondra ny PPN hiakatra ao TANA. Ka mody miteny hoe misy manao trafika-na PPN dia avy eo tsy tonga any amin’ny tokony ho izy ny PPN fa voahodina eny andalanan tsy ho tonga ao TANA.
Hampitomboina ny fanenjehana sy ny fitifirana ao Tana mba hampiemotra ny legalistes, sy hampatahotra ny mponina ao TANA mba tsy hihetsika intsony.
Ao Ivato ao amin’ny Bani sy ao amin’ny CAPSAT ao soanierana no fiofanan’ireo Milisin-dRamaroson sy ny CAPSAT, ary mercenaires frantsay no mpanofana azy ireo ao amin’ireo toerana 2 ireo. Hofanina hanao ady anaty akata, mba handringana tsikelikely ny miaramilan’i SADC rehefa ho tonga tokoa ny miaramila.
Ka rehefa mitohy izany dia ho tonga ny SADC, ary ireo membre ny HAT izay efa notambazana vola be isan’olona avy dia hitsoaka moramora any Lafrantsa, ka ny fialana bala dia ny hoe handeha ny Membre ao amin’ny HAT ( Andry Rajoelina sy Monja Roindefo) handresy lahatra ny olona any ivelany hankato azy ireo, nefa any dia milentika (Ny vadin’i Andry aza izao efa any Frantsa).
Ary ireo Milisy sy CAPSAT dia hiparitaka eran’ny faritany miaraka amin’ny fiadiana isankarazany ary hampiatra ny fiofanana ady anaty akata zony tamin’ny mercenaires Frantsay hanao izay tsy hijanonan’ny miaramilan’ny SADC ao madagasikara intsony, ary miditra mora ny tafika Frantsay mody hoe hampandry tany ary tratra ny tanjony, fa hoe tsy mahavita azy ny SADC ary nila ny Frantsay vao nilamina ny tany. Dia afaka migalabona amin’izay ry zareo mody manome 10% fanampiana sns dia mitavana ny 90% hiverina any amin-dry zareo.
Atao koa ny hampitahorana ny any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara hatany amin’ny faritra ambanivohitra maba tsy hahatanteraka ny fifidianana alohan’ny faran’ny taona 2009.
Tanjona 3: Ny hamonona an’i Manadafy Rakotonirina alohan’ny hananganany ny Governemantany (izany hoe avant 2 Mai farafahatarany).
Ny miaramila betsileo sy merina izay tsy manaraka ny baikon’ny CEMGAM „Nandra Noel«
dia hahazo fampiajaliana any amin’ny fianakaviany ary ho tapaka ny karamany.
Fanenjehana sy fisamborana ireo lohandohan’ny mpitarika ny legalistes, deputés, senateur, sy ireo hafa ihany koa..
——————————————————————————————–
Tsy araka ny chronologie ireo fa tanjona isankarazany ho tratrarin’ny Frantsay hatao izay hahatanteraka azy ao madagasikara mba hiverenany mora hanjanaka an’i Madagasikara amin’ny fomba hafa indray.
VAHAOLANA: TSY MISY AFA TSY NY FANDRINGANANA IREO OLONA MANATANTERAKA IZANY „MILISY SY CAPSAT«; FIRAISAN’NY MIARAMILA GASY HINA IZAY TSY MANKASITRAKA IZAO ZAVA-MITRANGA IZAO RAHA TSY IZANY DIA TSY HILAMINA MIHITSY I MADAGASIKARA.
Vaovao marina io ary avy amin’ny loharanom-baovao tena marina sy azo antoka. Ka aparitaho omeo ireo olona afaka hampita izany any amin’ny voakasika rehetra ao amin’ny Mpitarika ny legaliste, Ravalomanana, Manandafy sns indrindra amin’ ny vahoka rehetra mba hampahirata ny mason’ny Gasy manerana ny Nosy. …..
Misaotra sy mankasitraka anoa mamaky ity mba hanaparitaka ity araka izay azo atao. Dia mirary soa antsika rehetra ary Madagasikara hiverina ho zana-tany indray , sanatria izany.
MASINA NY TANINDRAZANA
novalian'i fijo ny 24/04/2009 21:49
2. Oay ( 24/04/2009 08:11)
xxx:


Tanjona 1 : hanakorontanana an’ Antananarvo, Fianarantsoa ny voalohany ary avy eo Madagasikara manontolo. (Merina sy ny Betsileo esorina tanteraka tsy ho ao anatin’ny fitantanana-draharaha ao Madagasikara, ka hatomboka any amin’ny miaramila no voalohany, manaraka ny homme politiques, izay no mahavoatonona manokana an’Antananarivo sy fianarantsoa eto.)
Tanjona 2: hanapotehana sy hanakorontanana ny fotodrafitrasa rehetra ao Tana amin’ny alaln’ny Milisy tarihan’Atoa Alain Ramaroson sy ny CAPSAT.




Mahalasa saina toko ity resaka ity ry XXX ka mba manontany za manao hoe:
1° Avy aiza moa ity Ramarson ity?
2° Iza izany no tiany apetraka eo?
3. halloween ( 24/04/2009 08:27)
Angah zay ihany ry Oay ! aiza aloha voalohany indrindra le jereo eto loharanom-baovao nalefanao! faharoa rehefa vakiana le izy de toa lasa ny hevitrao daholo no fa tsy le taratasy latsaka akory ! fahatelo maninona no manao xxx !? sa matahotra ho voakiana aminlé petatoko ?? fahaefatra farany : Tena mino ve ianao ry XXX fa natory tsara halina ?
4. ravatorano ( 24/04/2009 09:04)
halloween < misy tsy mahita tory soana ve any zany e sa tratran dry fressy sy ry jason !
:-P :-P :-P :-P
5. Noue ( 24/04/2009 13:10)
zao ny habibian'ny tgvendrana androany

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]
6. fijo ( 24/04/2009 21:49)
de tratra taiza hono le frantsay nahazoana an'io???,,,sa "hono" le resaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3086