ny ho filoha
1. Djhamhal
(
22/04/2009 13:31)
Inona ny toetra sy finoana tokony ho ananan'ny filoham-pirenena?? tsy maintsy ao anatin'ny F.F.K.M. ve? mahazo manompo sampy ve? (ra izay no mety ahafantaran'ny maro azy ) na mahazo mandala ny fomba nentindrazana ve?( toy ny Fanompoam-be; ny Alahamady sns...); Mahazo mampiasa ny sikidy ve? Mahazo manasina doany ve? mba valio !!ary hamarino ao anatin'ny lalàna Malagasy mikasika ny maha filoham-pirenena izay valinteny omenao! misaotra anao mialoha!!!
répondu par fijo le 22/04/2009 20:41
2. essera
(
22/04/2009 13:46)
Na inonana inona aloha ataon'ny filoham-pirenena iray, ny resaka finoana io dia tsy tokony ampifangaroany io finoana (araka ny lazainao hoe n'inon'inona inoany) io amin'ny fitantanana firenena. Izay no atao hoe : LAICITE DE L'ETAT.
Any am firenena arabo no tsy mampihatra an'io LAICITE DE L'ETAT IO.
Ary eto amintsika indray ao anaty lalam-panorenana ny laïcité fa plivava fotsiny.
Momba ilay resaka sikidy ? Tsy eken'ny fiaraha-monina malagasy io fa napetrany ho fanetry ben'ny firenena ka izay no mahatonga an'io tsy milamina.
Any am firenena arabo no tsy mampihatra an'io LAICITE DE L'ETAT IO.
Ary eto amintsika indray ao anaty lalam-panorenana ny laïcité fa plivava fotsiny.
Momba ilay resaka sikidy ? Tsy eken'ny fiaraha-monina malagasy io fa napetrany ho fanetry ben'ny firenena ka izay no mahatonga an'io tsy milamina.
3. Djhamhal
(
22/04/2009 14:05)
misaotra anao ry essera nanazava an'zay ; satria mantsy ôtran'ny tsy eken'ny fiaraha-monina malagasy miitsy zany oe sikidy zany ; za aloha tsy manao an'io nefa tsy mankahala velively ny olona izay mety manao an'io fa samy manana ny finoany io ; ary samy mitazona ny azy fa tsy manaratsy ny hafa; ka amiko namahita olona mpivavaka aza aho nefa izy mampiasa sikidy de tsy itako miitsy zay anenjehana azy @ zany satri tsy misy lalana mandrara an'zany anie! fa ny fisainantsika no manimba antsika indraindray!!
4. rrgmt
(
22/04/2009 14:22)
Ny ho filoha aloha dia manana fahalalahana amin'izay finoany izy fa ny fitadiavana ny tombontsoam-bahoaka araka ny lalàna no takiana aminy. Hatramin'izay aloha dia kristiana avokoa izay nitondra teto ary ny kristianima dia manohitra ny sikidy ka fampirafesana amin'Andriamanitra izy inoany ny sikidy ka tsy mety, raha mitonona moa ny filoha iray hoe tsy kristiana fa mpandala ny fomban-drazana dia tsy azo enjehina amin'izany izy. Marihina anefa fa kristiana ny maro an'isa amin'ny Malagasy ka inoana fa mbola ho kristiana izay ho lany eo, mba tsy ho sadasada amin'ny finoany. :D
5. Djhamhal
(
22/04/2009 14:34)
tsy maintsy ho kristiana anie zay ho lany ; marina tanteraka ny anao satria sarotra be amintsika anie ny hilaza fa tsy kristiana é!( na dia betsaka aza ny masirasira!!)nefa araky ny teneniko teny ambony oe manao ny iray @ireo izy stria Malagasy izy fa tsy frantsay na Arabo .. fa manana ny soa toaviny sy ny kolontsainy izy ;de aôna ny fitsaran'ny olona azy avy eo?? sa dia hiatsara velatsihy foana ve zany???
6. rrgmt
(
22/04/2009 15:09)
Izay ilay hoe kristiana niova fo fa tsy anarany fotsiny (na dia hoe manana andraikitra lehibe amin'ny fiangonana aza izy kanefa tsy niova fo dia sarotra ho azy ny mitana oratra Masina hoe raha matimaty dia aloan'ny vavan,i Jesoa (Apokalipsy 3.15-16).
