Ajanony ny fandripahana ny ala!

1. soanja ( 22/04/2009 12:58)
Fa iza marina no tena mpandripaka ny ala io fa tsssss!!!!!

Raha hanao ny atao ianareo momba ny politika sy ny fahantrana sns... dia ataovy fa de aza ny ala no kitikitihana sy atao rapadango!!!!!!!

Ny zavatra toy izao no tena ilaina fanagadrana olona. Iza no nanome alalana ny fanondranana ny harena voajanahary!!!!!! Mba tsinjovy zalahy ireo taranaka any aoriana ao! :x
http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=25930
2. patrick2002 ( 22/04/2009 13:11)
analamanga izany no anarana nomena an'i Antananarivo taloha ,fa tamin'izany hono 1850 dia rakotra ala i Madagasikara ,manomboka eo alasora mandra pahatonga an'i atsinanana .
rehefa tonga ny mpanjana-tany dia niroborobo ny varotra t@ firenena frantsay ,betsaka ireo colon no nandripaka ny ala mba haondrana mankany europe .
Nitohy izany t@ androny Tsiranana ,Ratsiraka ,efa haloalika ny ranom-bary ka naka fepetra Ratsiraka natao reserve naturel ny ala maro tao madagasikara ,izany hoe tsy azo atao no mikapa hazo ao na dia iray aza ,fa mbola nisy ihany moa ny olona akaiky ny fitondrana afaka manao izany tany @ iny faritry SAVA iny .
Niditra Ravalo ,dia nivoaka angazety ny trafic na bois de rose ,tokony hiadina sns ,tena hanao zavatra ity filoha ity hoy izaho ,akory ny an-tairako taty aoriana fa kay izy irery ihany no te hanao anio trafic na bois de rose io dia nomeny baiko ny minisitra mba hiady amin'io fa tsy ara-dalana hono ,
porofo ny zanaky Ravalo dia afaka nahazo permis d'exploitation forestiere , 5000 ha :lol: :lol: :lol:
Izany hoe sahala @ ataony mafia @ resaka rongony ihany ,manampy ny polisy izy ,ary tsy misy havelany hivarotra rongony raha tsy izy ihany ,raha vao misy mitady hivarotra dia vonony.
3. tovolahy007 ( 22/04/2009 13:15)
soanja> hahahahaha, aiza ary enao izany e?? Eto Madagasikara ve? Ny eto anie izao efa REPOBLIKA FANJAKANA NY BAROA. Tsy mbola mahatonga saina ireo TRAIN ireo mitsy ny zava- miseho fa ny lazain'izireo dia hoe: EFA MIHA TSARA I MADAGASIAKARA @ zao hoy ny lehibeny. Dia gaga ny tena hoe mihatsara @ ahoana mo izy zany? Fanendahana @ andro atoandro eny Analakely, fandrobana etsy sy eroa, fandrahonana, izay hitan'ny mpitandro ny filaminana saingy dia ihomehezany fotsiny ve ny fiovana izay lazainy.

Tsy misy mandeha @ izay laoniny ny eto Madagasikara @ izao fotoana izao. POTIKA NY FIRENENA SY NY SOA TOAVINY io no miseho izao.
4. fijo ( 22/04/2009 20:48)
soanja an,izo ano ata ohoe fitondrana samy mandeha samy mitady.de izao no vokany
5. rabaradaka ( 23/04/2009 10:37)
Soanja a, entiko enao hijery ny ala any Marojejy any Andapa rehefa milamina ny tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0735