Mpanao politika Malagasy tsy manaraka lojika...

1. Oay ( 22/04/2009 07:42)
Rehefa mandinika ny zava-misy any @ ireny firenena lazaina fa mandroso ireny isika d hita miavaka tsara ny mpanao politika sy ny mpikarakara ekonomie (Les Politiques et les Décideurs économiques) eto Madagasikara sy aty Afrika anefa d tsy izay ny zava-misy!
1°Jereo any USA any fa tsy mba nieritreritra ny hanao politika ingahy Microsoft na d izy ary no manakarena indrindra, ny antony d efa nazavainy fa samy nomena ny asa manavanana anazy ny olombelona ka ao ny natao hanao politika d ao ny natao hanao zavatra hafa!
2°io koa ny fianankaviana Mittal manankarena kanefa d tsy nieritreritra ny hanao politika any India any ohatra!
3°Ingahy Pinault ao frantsa ao ohatra d tsy mety manao politika fa d akamany daholo ny mpanao politika!
Ny mahatonga an'ireny olona ireny tsy hanao politika d satria manaiky izy fa tsy hary ho hainao daholo ny zavatra rehetra (L'homme qui maîtrise tout n'existe pas sinon celui qui le pretend, se prend pour le bon Dieu) ka d aleo samy mipetraka eny @ misy anazy.

Ny eto Madagasikara kosa d mihevitra fa rehefa manambola na rehefa mahazaka olona d afaka manao politika:
Ohatra:
_Dama tarika Mahaleo d inn ny niafarany!
_Rossy d inn niafarany!
_Ravalomanana d inn niafarany
D jereo ity Ramaroson ity é!
Amiko d tokony hihavaka tsara ny mpanao politika sy ny mpikarakara toekarena satria izao:
_Raha sady mpanao lalanà (législateur) ianao no mpikarakara toekarena (décideur économique) d mazava ho azy fa ny lalanà ataona d entinao hiarovana ny tombotsoan'ilay orin'asanao d izay no nitranga teto Madagasikara ka mila narondana.
novalian'i Oay ny 22/04/2009 16:23
2. essera ( 22/04/2009 08:58)
Marina io, fa Dama koa tandremo fa toa sociologue lery iny a. Fa asa aloha
3. Oay ( 22/04/2009 09:26)
essera:

Marina io, fa Dama koa tandremo fa toa sociologue lery iny a. Fa asa aloha



Marina fa nanao sociologie i Dama, fa ny tiako lazaina d hoe "Satria be ny mpankafy Mahaleo d mba nijapijapy politika tao i Dama na d tsy natao hanao politika aza" d jereo fa vao tsy lany d tsy hita intsony teo @ sehatra politika! satria ny talenta nomena anzy d ny fandinihana sy fanaovana izany hohira d jereo fa @ izao fotoana izao i Dama d mivelatra tsara eo @ asa maha mpanatalenta eo @ sehatra mozika anazy, tsaroako ilay tenin'i Zokibe Olombelo Ricky raha niresaka taminy i Oay, ozy zokibe: "Ny ahy ry Oay d ity hira ity no nomen'ilay Nahary mba ahafako miaina sy manao ny adidiko @ fiarahamonina ka tsy afangaroko @ zavatra hafa fa d hajaiko" izay ilay fahendrena amiko!
Ny tena tiako hahatongavana d hoe:
inné ny ankamaroan'ny talenta fa ny milieu sy serasera no manafy na mampandringa an'izany, noho izany d efa samy manana ny talenta nomena anazy d matetika ilay olona tsy mahay micanaliser an'izay acquis naturel izay d simba satria lasa à la dérive!
4. essera ( 22/04/2009 11:22)
Ny contexte eto amintsika mits nge raOay no tsy ahafahan'ilay épanouissement n'ny olona eto am tanana. Toy izao izany no filozofiantsika izao :

ZARA AZA AHO FA . . .

Olom-bitsy eto am tanana raha jerena amin'ny isan'ny mponina eto amintsika no tena hoe izao no tiany atao dia :
- nahazo fiofanana tena amin'io izy.
- tafitany ilay fianarana.

Cas réel izao ity :
Tany amin'ny niasako taloha efa ela izao dia nisy dokotera nanao resaka bracelet montre (zone franche io) :
- Vao niditra izy dia nanosika machine mihitsy aloha mba hahaizany an'ilay asa.
- Avy eo chef de pavet
Inona moa no tena idiran'ny bracelet montre amin'ny médecine.

Ankizy firy amin'ny entiko izao no manana bacc+ 3 voire 5 nefa ny asa ataony bacc + 2 eo fotsiny no tena ilaina.

conclusion dia hoe raha tsy miova mihitsy ny fari-piainana aloha no fahitako azy satria na ny scolarité fotsiny aza dia efa sahirana ny gasy.


5. Oay ( 22/04/2009 12:26)
azoko tsara ilay olana, ka io ZARA AZA AHO IO FA... io indrindra no olana tsy maintsy iadiana, ny ahafahana miady amin'io d izao:
_Rehefa fantatrin'ny mpitondra fa tsy afaka ny hieritreritra izy fa afaka hitoetra mandrakizay eo @ fitondrana d tsy maintsy mieritreritra @ izay ataony izy! ka tsy hanararaotra hanao tantely afadrakotra ny harempirenenana!

Noho izany d anjaran'ny mpanao politika tena mahasahy sy mendrika ny atao hoe mpanao politika ny mametraka ilay arofanina @ izao fidirana @ repoblika vaovao izao!
Mila dedaka @ mahamalagasy antsika isika,
Mila ekentsika malagasy fa ny fahasamihafana eo amintsika malagasy d tsy mafy no ny fahasamihafana misy eo @ amerikana (Tena fotsy sy mainty fa tsy hoe volo fotsiny matetika no tena mampiavaka antsika malagasy) maninn anefa ny amerikana d mahavita tia tanteraka an'i amerika na d mpihavy aza izy ireo no any!
Mila ovaina ny toetsaina é!
6. tovolahy007 ( 22/04/2009 13:09)
Oay> aiza ary elahy zany?? Iza mo letsy ny nampianatra politika an'ireo mpanao politika gasy ireo??? Taiza izy ireo no nianatra sy nandalina??

Tena laziko @ ngahy fa ra tsy nivoaka an'ny Madagasikara ireo nianatra an'izany fanaovana politika izany de ireo no tena mpanao politika nilay indrindra, saingy indrisy fa poltika ny VAZAHA anie letsy io miseho io e.

Marina ny nolazainy la hoe jereo ry Gate sy ny tariny, fa izao kosa anefa ireo izay senatera na prezida ko dia olona mpanambola daolo, mpanakarena fa tsy nisy mitsy hoe olona tsy lebany izany no lasa senatera na Governora. Ary hita io na aiza na aiza.
7. Oay ( 22/04/2009 16:23)
O lety ry Tovolahy007 a! aleo aloha ialana ilay extremisme é!
Za tsy niteny an'elah mihintsy hoe "olona tsy manambola d afaka hanao politika" fa ny nolazaiko d izao raha tsy azon'elah:
_Samy manana ilay inné ny zanak'olombelona:
jereo ohatra ingahy Crosoft fa tsy nahazo diploma fa tonga d nanangana an'i Microsoft d io izy lasa mpananakarena io, d tsy hoe lasa mpanankarena izy d handeha hanao politika! fa eto amintsika
_malaza be i Rossy d lasa milingilingy manao politika,
_mandeha tsara i TIKO d iny Ravalomanana fa mirotsaka manao politika.
Asa raha azon'elah ilay izy!
Fa marina fa misy ohatra i Bill Clinton mbola kely izy tonga nisafidy ny hanao politika na d nanavanana anazy aza ohatra ny fitsofana sax, d io izy manana ny mahaizy anazy io!
Raha fitinina ny tiako lazaina d samy manana ny talenta nomena anazy ka tsy hoe satria ny sasany tafita t@ ilay zavatra nataony d handeha koa ny tena mba hanao an'iny!
Ny mahatonga ana hiteny an'io ry rahalahy d izao tena tsy tokony hanao politika amiko i Ravalomanana jereo anie é! mampalahelo anie i Ravalomanana ry rahalahy é aiza ka sady very ny seza no very ny fananana, d jereo koa fa tsy nisy dikany anie ny nanonganana ndry TGV anazy é aiza ve nama ka roa volana d tafapitsika i lery klé!
Misaotranao rahalahy fa d tohizantsika ny ady hevitra fa mahafinaritra a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1649