Ampiledaledana ny akama, ampitahorina ny fahavalo...

1. Oay ( 21/04/2009 08:44)
Voalaza izao fa afaka herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy d ho avy i Ravalomanana noho izany:
1°Ny eo Ambohijatoto d atao milendalenda fa ho avy dada na d tsy fantatra aza hoe rahovina ka raha tehahazo mofomamy d mila tonga manamafy ny hetsika mandritra ny fotoana tsy voafetra!

2°NY HAT kosa mandritra izany d manamafy ny fiambenana mba ahafahana misambotra an'i Ravalomanana raha vao mandiha ny tany Malagasy izy araka izay fomba aingana indrindra!

io fampilendalendana sy fampitahorana io d fomba nanmpiasain'i Bush mba nahafahany nandefa miaramila tao Afghanistan sy Irak!
Azavaiko: Nolazaina fa tsy maintsy ho voasambotra i Ben Laden ao antin'ny fotoana fohy d sasa niandry anambato bevohoka tsy ho teraka ny amerikana satria lasa ihany i Bush kanefa tsy azo i Ben Laden!
Nolazaina fa misy arme à destruction massive ny Irakianina d natahotra ny vahoaka amerikanina d namela malalaka an'i Bush nandefa ny GI d tsy nisy akory ilay izy!
D otranizany ity paikapaika ny TIM ity ampanantenaina ny olona fa ho avy i dada d miandry ny vavalambemandry ny fotoana anefa mandeha ihany!
novalian'i Oay ny 21/04/2009 11:17
2. tsiafoi1 ( 21/04/2009 09:00)
OAY aza maika fa ho tonga eo indrindra isika...

RETOUR en ECLAT DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE MARC RAVALOMANANA

KELY SISA FA MAHANDRASA (fin de 2nd round zao ny combat)
3. ravatorano ( 21/04/2009 09:06)
fahitako azy :
1° - tsy ho tonga eto izany mihitsy i ravalomanana raha tsy hoe angaha ka ny mpiara dia aminy no eo amin'ny fitondrana izany hoe ny TIM madiodioa fa tsisy fangarony izay vao azony antoka fa tsy ho voasambotra na tsy hisy hamono ho faty izy .Dikany aza manatena ny hiverenany eto fa mbola ny HAT no tompon'ny fahefanana amizao aloha.

2°- tadidiko tokoa ilay hoe ho avy Ravalo amin'ny sabotsy d nofenoina miaramila efa vono kiady teny Ivato nasiana blindé fa hoe hiverina ny Dadan'ny TIM ka mila fandraisana "mafana".
D valaky ny hehy aho satria izao ny nivoahan'i Ravalo teto Madagasikara aza mistery amin'ireo miaramila malagasy hatramin izao ka raha hiverina eto ve izy dia eo amin'ny aeroport Ivato no hidina :wink: tena diso b ilay stetegie tamin' iny aloha ary teo dia tsapa fa mbola tsy ampy tactique ireo izay nanomana izany fitsenana ara tafika iny sady miharihary be ange zany ry zareo e ! Aza hadino koa fa raha ny fanaraha maso ny sisi tany sy ny habakabaka eto amitsika mbola tena olana be ihany koa ka raha tsy efa "visuel" izany ve vao ho tazana ny fahavalo hanafika na hiditra tsy ho raharaha be !

Ho an izay miandry ny fiverenan'i Dadavalo dia aleo zareo hiandry eo fa anjarany izany ary azy izay ka tsy asiko famendrofendroana loatra fa ny ahy dia izay hampilamina ny tany sy ny hiverenan izany filaminana izany no tena heveriko fa tanjona lehibe tokony ho karakarain ireo mpitondra amizao ireo
4. essera ( 21/04/2009 09:22)
RETOUR en ECLAT DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE MARC RAVALOMANANA


[size=13px][center]RETOUR en PETITS ECLATS DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE MARC RAVALOMANANA[/center][/size]


[center]=(( =(([/center]
5. Oay ( 21/04/2009 09:31)
Tsiafoi1 a! tsy misy mahamaika ary mbola averiko fa ny tsy mampitovy antsika d i Oay tsy manaiky fa i Ravalomanana no ilay Andriamanitra velona hanavotra ny Malagasy, ary i Oay d tsy manaiky fa Andriamanitra i Ravalomanana ka tsy mandainga, fa ho an'i Oay d olombelona i Ravalomanana ka d mampiasa lainga sy fikafika entina hanomezana fanantenana ny mpomba anazy "Parfois L'espoir fait vivre les imbéciles".
Mbola averiko fa ho an'i Oay d tsy ny fanohanana an' i TGV no manosika anazy hanoro ny Malagasy mba hieritreritra fa tsy hitelina izay omen'ny mpanao politika fotsiny fa ny tena mahamaika an'i Oay d ny hanafohezana (écourter) ny faharetan'ity HAT ity, noho izany d amin'i Oay d marikin'ny fananantsaina ny fanaovana politika ka raha tena manantsaina marina d eny ambony latabatra miresaka fa aza eny andalambe.
Mbola averiko fa i Oay d tsy nankasitraka ny fakana fanjakana andalambe nataon'ny TGV fa kosa tsy nisy azo natao hafa tsy iny fidinana andalambe iny satria nanetsitsofina sy nanamafy fahefana ka zary lasa fanjakana jadona no nataon'ny Ravalomanana ka tsy maintsy nazera iny fa tsy tsara raha toa ka lasa mpanjaka toa ny ao Swaziland no hitondra teto Madagasikara.
Momba ny fihavian'i Ravalomanana d apetrak'i Oay mazava tsara fa izy d Kristianina noho izany d tsy mankasitraka ny tsy famelankeloka i Oay, ka amiko d afaka mody i Ravalomanana ary tsy hisy hahasakana an'izany rehefa izay no sitrak'Andriamanitra!
6. Mirananirina ( 21/04/2009 10:19)
Oay zandry lahy a;mitovy ve aloha Bush sy Ra8 e????????????
Hitanao angamba ny différence BE DIA BE misy amin'ireo :roll: Tsy misy hitovizany na kely ary ;afatsy ny naha ex président angaha
7. coucou2 ( 21/04/2009 10:47)
RETOUR en PETITS ECLATS DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE MARC RAVALOMANANA

Izay maharitra h@ farany no hovonjena. Vakio ny baiboly fa ny mpanao coup d'état dia tsy haharitra zany fa tsy maintsy miongana ary mandray ny valin'asany.
8. Oay ( 21/04/2009 11:17)
Mirananirina:

Oay zandry lahy a;mitovy ve aloha Bush sy Ra8 e????????????
Hitanao angamba ny différence BE DIA BE misy amin'ireo :roll: Tsy misy hitovizany na kely ary ;afatsy ny naha ex président angaha



Saotra zoky vavy a! misy itovizana i Ravalomanana sy Bush d ireto izany:

_i Ravalomanana @ izao fotoana izao d mampilendalenda ny mpiaraka aminy @ hoe "Hoavy za fa tsy fantatra hoe rahovina" d i Bush indray nampilendalenda ny vahoaka amerikana ka nanao hoe :"Hosamborina tsy ho ela i Ben Laden" d izy moa efa tsy afaka nirotsaka intsony d i Ben laden mbola tsy azo!
_D misy hitovizana koa i Ravalomanana sy Bush teo @ fomba nampiasana ny fivavahana hitazonana ny fanjakana i Bush Batista d i Ravalomanana FJKM.
_D misy hitovizana ihany koa ry zareo satria i Bush d tsy avanana loatra t@ fianarana kanefa lasa prézidà ny be kintana d i Ravalomanana ihany koa tsy d nianatra loatra kanefa lasa filou ny Malagasy!
_D hatreto @ ity anoratako eto koa d mitovy i Bush sy Ravalomanana satria samy ex-président!
Izay aki zokivavy ilay mampitovy anazy, fa ny tena mampitovy anzy d ny fanomezana fampanantenana pok'aty!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1663