Fanambarana : Ny nitiavako an'i TGV

1. essera ( 21/04/2009 05:26)
Salam daholo a,

Efa sasa-miandry ry namana isany momba an'io point io ka dia indro ary ny valiny :
Ny itiavako an'azy :
- Ra-Andry dia bandy manana tena ambition handroso.
- Manana fahasahiana tsy eritreretina ary tsy possible mihitsy ho an'ny Goaika antitra.
- DJ izy nefa tsy nieritreritra ny ho dj mandra-pahafatiny fa najanony ilay mix tape dia nanangana orin'asa izy (ny mahasoa aloha fa tsy ny mahafinaritra no lesona azo tsoahina).

Ny tsy itiavako azy :
Tsy misy antony tsy itiavako an'azy manokana fa raha ts zah ko no vendrana ko hiteny am Mirananirina sy penguin hoe : eto ny point faible-ko ry penguin fa tonga d asio eo aho.

Oaina be le aza, sa aôna ra-Oay ?

PS : tsy miondana dj ny tenako no tsy tia misotro ronono be loatra. Fa kosa tsy tia an'i Dada araka ny antony nolazaiko omaly. Fa zah koa mazaka s mataty asiana tsara mihitsy ry pro-tim. Mafy toto zan e.

:-D :-D :-D :-D
novalian'i coucou2 ny 21/04/2009 11:00
2. ravatorano ( 21/04/2009 06:06)
sali essera

na iza na iza manana ambition daholo ny handroso hatrany fa tsy hisy hieritreritra ny hihemotra izany.Mila ny tsaratsara kokoa hatrany fa ny fomba hahatongavana amin'izay no samihafa.
Amin'ny maha tanora azy dia marina ilay fahasahiana tsy azo neritreretina fa izao aza hadino fa goaika antitra avokoa no miaraka aminy eo ary goakia antitra efa nadamoka tamin'ny fitantanana ny firenena ary mino aho fa fatatrao tsara izany.
nanangana orinasa izy ary tena nandeha sy nivoatra ary niroborobo tokoa ny orinasan'Ingahy Andrinirina Rajoelina tsisy izay mandà an'izany ary miaiky an'izany aho fa raha ny fahamatorana ara politika kosa mbola lavitra ihany hoy aho ary tsy idirako lalina ny amin'izany fa samy mahita izay isika !
tsy hanakiana be fahatany na hanasoketa olona amin'ny resaka politika aho satria tsy izany no tanjona eto ary koa tsy hampiova ny efa misy eto amin'ny firenena amin'izao izany .
3. Oay ( 21/04/2009 06:09)
essera:

Salam daholo a,

Efa sasa-miandry ry namana isany momba an'io point io ka dia indro ary ny valiny :
Ny itiavako an'azy :
- Ra-Andry dia bandy manana tena ambition handroso.
- Manana fahasahiana tsy eritreretina ary tsy possible mihitsy ho an'ny Goaika antitra.
- DJ izy nefa tsy nieritreritra ny ho dj mandra-pahafatiny fa najanony ilay mix tape dia nanangana orin'asa izy (ny mahasoa aloha fa tsy ny mahafinaritra no lesona azo tsoahina).

Ny tsy itiavako azy :
Tsy misy antony tsy itiavako an'azy manokana fa raha ts zah ko no vendrana ko hiteny am Mirananirina sy penguin hoe : eto ny point faible-ko ry penguin fa tonga d asio eo aho.

Oaina be le aza, sa aôna ra-Oay ?

PS : tsy miondana dj ny tenako no tsy tia misotro ronono be loatra. Fa kosa tsy tia an'i Dada araka ny antony nolazaiko omaly. Fa zah koa mazaka s mataty asiana tsara mihitsy ry pro-tim. Mafy toto zan e.

:-D :-D :-D :-D



Ka aiza izy zany ra-essera a!
Mazava ny resaka é! ny ahy mbola averiko fa ilay toetsaintsika Malagasy mihintsy no mila revolisiona klé!
Azavaiko:
1°Lazaina fa lasan'ny bandy kely ny fitondrana >>> d rehefa omeko anazy anefa hoe firy taona i Joseph Kabila no tonga teo @ fitondrana tatsy RDC tsy hitany izay ambara, d hisy hiteny indray hoe ka ao afrika izany d valiny ka i dada ary zao ao afrika no mitady fanampiana! fa raha ohatra moa ka mila ohatra hafa d i USA d fivondronana fanjakana maromaro d mba jereo ary hoe firy taona i Bill Clinton no lasa prézidà an'ilay fanjakana atao ho Arkansas!( Il est élu procureur général de l'Arkansas en 1976 puis gouverneur de l'Arkansas en 1978. À 32 ans, il est alors le plus jeune gouverneur d’un État).

Ampy aloha io fa ho antsika mpisera manana fahafahana sy fahalalana isika matoa tonga eto, ka aza mitelina izay lazain'ny mpandainga sy mpanao ronono an-tavy fa mba ampiasao ny anterineto ary avereno izay nianarana tany ampianarana fa isika olona natao handinika sy hisaina!
4. xxx ( 21/04/2009 06:15)
dinika mampite handoa raha hendry izy asaivo aloany ny volany artiste tsy voaloany isaky mi organisé spectacle reny
5. Oay ( 21/04/2009 06:24)
xxx:

dinika mampite handoa raha hendry izy asaivo aloany ny volany artiste tsy voaloany isaky mi organisé spectacle reny



Toa izao fisainan'i XXX izao mihintsy ilay mampalahelo.
Alohan'ny nahalasa prézidà an'i Ravalomanana d nigadra izy satria nisy fisolokina niaro fanodikondinana d ilaza ve isika hoe tsy mendrika ny ho prézidà izy, valiny @ i Oay :"Tsy misy olona tonga lafatra eto an-tany fa ny zava-dehibe d ny fanekena ny hiova" satria NY TOETRA RATSY AZO OVAINA!
Fantatro fa i TGV rehefa tsy azonao eo no ho eo ny karamanao raha miaraka manao zavatra aminy d sarotra ny ahazahoanao an'iny avy eo fa tsy midika izany fa izay rehetra niaraka niasa taminy d tsy nalohany daholo ny volany a!
6. ravatorano ( 21/04/2009 06:25)
Oay < resaka taona v izy ty sa resaka fahaiza mitondra firenena aloha ?
satria raha ry Kabila hainao ny tantarany ah izay tena mifanohitra be mihitsy amin'i Bill clinton izay tsy azo heverina fa hampilaharina amin'i Andry Rajoelina
7. xxx ( 21/04/2009 06:28)
oay; na oooooooooooo na annnnnnnnnnnnnnnnn asaivo aloany ny volany artiste vao mitondra firenena eeeeeeeeeeeee! ary ny toetsainao mba ahoana dia asaivo miverina maka bac koa izy aloa
8. Oay ( 21/04/2009 06:36)
xxx:

oay; na oooooooooooo na annnnnnnnnnnnnnnnn asaivo aloany ny volany artiste vao mitondra firenena eeeeeeeeeeeee! ary ny toetsainao mba ahoana dia asaivo miverina maka bac koa izy aloa



D mbola vao maika milentika satria d andeha hiteny koa ary ve ny mpomba an'i TGV hanao hoe "asaivo manala CEPE" i Ravalomanana!
ary otrany fantatro i XXX an!
Mbola averiko wa: "aza mitelina izay avy notsakotsakon'ny sasany satria efa miova ny tsiro noho ny fisian'ny roran'ilay nitsakotsako" fa mba tsakotsakoy izay aloha d hotsapanao tsara ny tena tsirony!
9. essera ( 21/04/2009 06:37)
Milay raOay,
Marina le resaka eo ambon hoe ry Goaika antitra ireto no tena manimba. Miombo-kevitra tanteraka aho amin'io. Ny olana eto amintsika koa moa izany dia tsy misy ny tena hoe fiofanana tena ho politicien fa par expérience vécue daholo ny ankamaroany indrindra indrindra ireto tena miady seza ireto.
Raha raisiko oh fotsin izao eo amin'ny tanana misy ahy dia misy efa nandalo tamin'ny karazana antoko eo amin'ny 8 eo izy vao tonga teo amin'ny TIM. Hatramin'ny antoko tsy hitanao ny nitsanganany ary tsy tsaroanao torak'izay koa ny firodanany. Ao amin'ny cursus politique zan d feno mihitsy ny cartable-ny.
Eo amin'ilay ambition no tiako asiana resaka kely. Misy ange olona tsy manana fanantenana intsony betsaka eto amintsika fa dia miaina au jour le jour e. Mora kely ny mandefa krimozeny mandatsa-dranomaso maangolingoly fo amin'ny ronono an-tavy sy ny etc etc.

Diso tanteraka ny tena définition politique eto amintsika :
samy mba manana diksionera angamba isika any dia afaka hanamarina an'izay fa tsy olona tena natao hitantana no nisy teto amintsika ny ankabeazany fa olona TE HITANTANA satria MANAM-BOLA ka afaka hanaparitaka parotsa mandritra ny propagande.

Mba hanoanako ny hevitro ery ambony indrindra dia efa nolazaiko hatry ny ela ity phrase ity hoe :

Mission TGV ange re oul hanapaka ny tendan'ny JADONA sy ry mpanao ampihi-mamba e.
Mbola ho tohizako io resaka io fa sao lava loatra
10. mihitsy ( 21/04/2009 06:39)
xxx:

oay; na oooooooooooo na annnnnnnnnnnnnnnnn asaivo aloany ny volany artiste vao mitondra firenena eeeeeeeeeeeee! ary ny toetsainao mba ahoana dia asaivo miverina maka bac koa izy aloa


teneniko foana oe aleo mangina rehefa tsy hita ze tenenina fa oainina fotsiny!
asaivo maka BEPC fotsiny aloha ra8 ze vao miverina mitondra vahoaka fa nandra tsy mahay n'inona n'inona
11. Oay ( 21/04/2009 06:54)
Marina mihintsy ity resaka mivadimbadika antoko ity,
NY PSD lasa AREMA d avy eo lasa UNDD d avy eo niverina ho AREMA d avy eo lasa TIM io fomba fanao io d mahahenika ny fokontany d miakatra firaisana sns!
D mazava ho azy fa satria mpangalabato ny PSD d lasa mpangalabato ny AREMA d teto moa niova satria tratran'ny empechement i Pr Zafy, d avy eo niverina ny AREMA d lasa TIM d nangalabato!
NY olana d io base mpangalabato io é!
12. majakely ( 21/04/2009 07:46)
ka izay no tokony tsy hankarary fo ny pro rab na pro tézévé!le ola matimaty fahatany no mampa!!!
13. xxx ( 21/04/2009 07:49)
essera:

Salam daholo a,

Efa sasa-miandry ry namana isany momba an'io point io ka dia indro ary ny valiny :
Ny itiavako an'azy :
- Ra-Andry dia bandy manana tena ambition handroso.
- Manana fahasahiana tsy eritreretina ary tsy possible mihitsy ho an'ny Goaika antitra.
- DJ izy nefa tsy nieritreritra ny ho dj mandra-pahafatiny fa najanony ilay mix tape dia nanangana orin'asa izy (ny mahasoa aloha fa tsy ny mahafinaritra no lesona azo tsoahina).

Ny tsy itiavako azy :
Tsy misy antony tsy itiavako an'azy manokana fa raha ts zah ko no vendrana ko hiteny am Mirananirina sy penguin hoe : eto ny point faible-ko ry penguin fa tonga d asio eo aho.

Oaina be le aza, sa aôna ra-Oay ?

PS : tsy miondana dj ny tenako no tsy tia misotro ronono be loatra. Fa kosa tsy tia an'i Dada araka ny antony nolazaiko omaly. Fa zah koa mazaka s mataty asiana tsara mihitsy ry pro-tim. Mafy toto zan e.

:-D :-D :-D :-D



Indrindra fa izy tia bandy angamba no tena itiavanao azy :-D :-D
14. essera ( 21/04/2009 07:53)
Indrindra fa izy tia bandy angamba no tena itiavanao azy

Aza misalasala miresaka fa azo raisina amin'ny sens roa io teneninao io ry xxx.
1/ Tia bandy akama
2/ Pelaka
15. tsiafoi1 ( 21/04/2009 08:08)
1°- Ambition : Raha ambition tsara raha entina @'ny TSARA, entina hampandroso sy hampivelatra de ekena, fa le an'i Rajoelina, nentina NANDROBA SY NANDRAVA EFA ka TSY EKENA.

2° DJ tonga Général Manager : Tsara le izy fa saingy mila mahazaka sy mahasedra fifaninana ny orinasa natsanganao(INJET - DOMAPUB - VIVA), fa vao betsaka ny orinasa nitsangana sy nifaninana taminao (ERRE - MADOI - IMADA - JOCKER - PUBLIVEL - CLEAR CHANEL - BLUEPRINT- RADIO MADA - FAHAZAVANA - ALPHAPUB - ALPHAPRINT - GORPINT...) , de tonga enao de mikorapaka miditra politika, mitady argent facile hentina handrava ny an'ny sasany fa te hanjaka tokana. Zao manjary ny firenena no amidinao @'ny Frantsa, TSY EKENA.
16. essera ( 21/04/2009 09:02)
14. Mpandefa : tsiafoi1 [ Valio ] 21-04-2009 10:08:18
Lohateny : Re : Fanambarana : Ny nitiavako an'i TGV
1°- Ambition : Raha ambition tsara raha entina @'ny TSARA, entina hampandroso sy hampivelatra de ekena, fa le an'i Rajoelina, nentina NANDROBA SY NANDRAVA EFA ka TSY EKENA.

I Tgv v no niteny ho robay ataovy mahita mihitsy. Mety tsy naharaka ilay fanazavako tany aloha be tany ianao fa misy ny mpanararaotra ny tolona ny sasany vokatry ny fahantrana sy ny hoe tena asany mihitsy ny mangalatra.

2° DJ tonga Général Manager : Tsara le izy fa saingy mila mahazaka sy mahasedra fifaninana ny orinasa natsanganao(INJET - DOMAPUB - VIVA), fa vao betsaka ny orinasa nitsangana sy nifaninana taminao (ERRE - MADOI - IMADA - JOCKER - PUBLIVEL - CLEAR CHANEL - BLUEPRINT- RADIO MADA - FAHAZAVANA - ALPHAPUB - ALPHAPRINT - GORPINT...) , de tonga enao de mikorapaka miditra politika, mitady argent facile hentina handrava ny an'ny sasany fa te hanjaka tokana. Zao manjary ny firenena no amidinao @'ny Frantsa, TSY EKENA.

Mety nisy voadinganao kely ny tantara. Ahoana ny tantaran'i Imada sy Injet. Io fotsiny aloha nanomboka tany amin'ny CUA vao Ramiaramanana. Efa tany io ry tsiafoi1. Ary raha azonao tsara ilay zavatra dia hoe : "Monopoliser tous les domaines" no tena tian'i Ra8 natao teto fa tsy hoe ny fifaninana no tsy zaka.
Io ange raha mpanjifa ianao dia afaka misafidy izay zavatra tsara e. Raha nahatadidy ianao mitanisa ireto société maro dia maro ireto dia vao hampiditra ny publicité 3D ra-Andry tonga dia nataon'zalah fahirano. Tsy noforonina ireo fa zava-nisy.
Firy ny mpivarotr'anana eto Antananarivo, fa firy koa ny mpividy ka ny fanomezanao teny mamy kely sy ny kadoa kely ho an'ny mpividy no hiverenany fa tsy hoe : "TSY MAINTSY ISIKA IRERY SISA NO MANANA NY TSENA REHETRA NA INONA IO NA INONA".
Ao ange ilay tsy mety fa betsaka no mahazaka fifaninanana tsara ry tsiafoi1.
Ny ankabeazan'ilay société tononinao fandroany ireo izao dia ilay an'ra8 et famille. Anontanio tsara ihany aloha Sarah rah tsy mahatoky nareo e.
17. Oay ( 21/04/2009 09:44)
Ka ny mpiaramisosy tsy kopy an'ilay kozy ry essera a! satria tsy mpanjifa araka ilay lazainao izy fa mpiaramisosy @ mpanolotra!
Ary manahy ary za fa tsy fantany akory ilay fikafikan'ny mpivarotr'anana manome kadoa kely mba hiverenanao rahampitso satria ny ainy d hoe "vidio io mpifaninana amintsika io d rehefa tsy manaiky d ataovy daholo ny asa alika mba hahakivy anazy d rehefa mbola be loha d aanaovy dossier d ampidiro any Tsiafahy!
18. coucou2 ( 21/04/2009 11:00)
Marina ny lazainao fa tena manana ambition ho an'ny @ ratsy tokoa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.063