ny tsaho ahelin'ny gazety...

1. itaramasoandro ( 18/04/2009 22:31)
Natao ampita vaovao mitombona ny gazety an-tsoratra, ny radio sy ny fahita-lavitra saingy tsaho tato ho ato no matetika hiangan'ny vaovao.
Misy mantsy ny manararaotra ny toejavatra mampalaelo miseo eto an-tanindrazana anaovana "benitra" hamarotana izay mety hampisavorovoro ny fiaraha-monina.
Aiza re ny nalehan'ny fitadiavana ny fahamarinana? Tsy tahakan'ny mahamonamonaina anareo va ny mamaky ireo karazam-baovao izay tsy ahitàna intsony izay marina sy tsy marina?
Tsy aleo tsy mamaky toa izay hanaiky savorovoron'ny sasany fotsiny.
Hevitra tahaka inona ary no mipetraka ho an'ireo tsy hafaka manavaka ny akotry sy ny fotsimbary?

itaramasoandro 8)
2. soanja ( 19/04/2009 00:00)
itaramasoandro:

Izay ilay lazaiko ry Itara hoe aleo tsy misy toy izay misesika fako. Madio kokoa ny saintsika raha manalavitra ny serasera haino aman-jery sy ny gazety tsy mampitombo ny mahaolona fa manimba aza! Indrindra ny ankizy dia ilaina fitandremana tokoa ny tontolo iainany satria izy mbola tsy mahay manavaka ny mahasoa sy ny manimba.

Mila mamokatra zava-baovao isika ao Mada handaniana andro sy hanaovana fanitaran-tsaina. Tokony andraikitry ny fanjakana no mitady/ mikatsaka izany hetsika izany.

3. itaramasoandro ( 19/04/2009 03:00)
Tsy ho an'ny mpamaky sy mpihaino vaovao ihany no niantefan'ny hevitra napetrako fa ho an'i mpanao gazety sy tompon'andraikitra mampiely azy ihany koa.
Zary fandrangitana ihany ny nametrahako ny hoe "tsy aleo tsy mamaky na mihaino toa izay (...)" mandray izay tsaho sy fakom-baovao araka ny voalazanao Rasoa. Satria heveriko fa olana lehibe anivon'ny fiaraha-monina ny mbola hilazàna lainga @ toe-java miseo manodidina ny firenena sy ny mponina ao @.

Raha izaho manokana dia aleoko indrindra mifantina izay tiako ho henoina/jerena ary manoloana ny safidy maro tsy hitanisa ankehitriny dia sarotra indraindray ny mahita izay mahafapo.

Atao anefa izay ahitana ny mahafapo satria tsy hay ho leferina ny tsy hahafantarana ny zava miseo marina. Ary haiko ny anaiky hosesehan-dalitra fotsiny izao.

itaramasoandro 8)
4. benasy ( 23/04/2009 10:00)
Marina, ary tena marina ireo voalza ireo

Lazaiko anareo fa TENA MISY mpanao gazety malagasy eto Tanà eto sahy milaza zavatra efa diso, ary fantatra fa efa diso saingy mbola iziriziriany lazaina ihany.... !

Efa tsy fampitam-baovaoa intsony.... Efa tsy fitaizana ho olom-pirenena vanona intsony... fa lasa FAMPISARAHAM-BAZANA ! nanjary fandranitana ady.... ! Nefa tsy mba toe-tsaina Malagasy velively ny hifamono sy hifandripaka izany.... fa toe-tsaina tena hafa mihtsy .... sy mitady ahazo laka eto amintsika sady voizin'ireo mpanao gazety sasany ireo !

5. itaramasoandro ( 25/04/2009 02:19)
benasy:

Lazaiko anareo fa TENA MISY mpanao gazety malagasy eto Tanà eto sahy milaza zavatra efa diso, ary fantatra fa efa diso saingy mbola iziriziriany lazaina ihany.... ! [...]

sy mitady ahazo laka eto amintsika sady voizin'ireo mpanao gazety sasany ireo !

Heverin'ny sasany mantsy fa mora manadino na very tadidy ny tsirairay sy ny vahoaka ka dia ho sesefan-dalitra fotsiny izao dia voky?! Ho hitantsika eo ny tohiny fa manantsaina anie ny gasy e!
Mody mangingina izy izao fa tsy manaiky ho entina @ orony izy raha lasa lavitra loatra ny lainga sy ny tsaho....

itaramasoandro 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4578