ROI ndefo: mahay loatse ndaty ty

1. bozyboleta ( 18/04/2009 04:29)
Dia gaga aho teo am-pihainoana ny rediredin’ ty ndaty ty omaly. Mba te-hampidera fahaizana angamba :-D :-D :-D
Raha nanontaniana izy momba ny fanendren’ny Filoha Ravalomanana an’Andriamatoa Manandafy Rakotonirina ho PM, dia hozy hoe «manao usurpation, usage de faux ary escroquerie». Efa ny HAT no fitondrana ara-dalàna napetraky ny vahoaka t@ fomba demokratika hozy ka hanendry PM ahoana ndray.
Mba fanatatr’ilay ndaty io ve ny zavatra lazainy?
Iza no tena nanao usurpation teto? Nisy fanjakana ara-dalàna teto napetraky ny vahoaka t@ fifidiana izay hany fomba tokana ilazana fa ara-demokratika, ary tao anatin’izany fanjakana ara-dalàna izany no nananganana fanjakana fôpla indray ary nanaovana le ndaty io ho PM teo @ 13mai.
Ny escroquerie moa dia izy no niloa-bava azy satria efa fanaony io.
2. xxx ( 18/04/2009 05:24)
aza omena tsiny izy ry bozy an mba mafy koa anie izany hoe mba te hitondra firenena izany nefa tsy lani mbahoaka e ,coup d'etat no mba moyen hitany hiakarana eo ka atao akory
3. Oay ( 18/04/2009 06:18)
Mampimé daholo ilay izy ry bozy a!
Jereo ani é:
_i Ravalomanana d nanome ny fahefana feno ny miaramila kanefa izany d tsy voafaritra ao anatin'ny lalampanorenana!
_Nofohanana ilay hitsivolana nanomezana ny miaramila ny fahefana feno, izany hoe otrany hoe ara-dalana ihany izany ilay izy raha toa nofohanana alohan'ny nanaovana hitsivolana vao²!
_D raha ara-dalana indray ary ilay hitsivolana nanomezana ny fahefana feno ny miaramila, d lasa ara-dalana izany ity HAT ity satria ny miaramila tsy nety nandray ilay fahefana fa nomeny ny HAT! hiteny i bozy hoe ka nambanana basy ny miaramila d voatery, tsy lavina fa ny mahagaga d hoe maninn ireo miaramila ireo tsy mivazavaza ary mitondra ny raharaha eo @ HCC! afaka manao izany ireo miaramila ireo satria efa misy hery ny mpanohitra eo Ambohijatovo ka efa malalaka ny fitenenana!
D mbola mampimé ihany ilay izy satria omaly moa d iny nanao veloma ny mpiara miasa taminy ny praiminisitra teo aloha Rabemananjara, d gaga ny tenako rehefa nisaotra an'i Monja izy ka nanao hoe :"... hisaorana ianareo nanaiky ny hidiranay teto satria azonareo atao tsara ny nandà an'izany" d mampimé ana ilay izy satria HAT izay lazaina fa tsy aradalana kanefa d hisaorana satria afaka nandà raha tehanao izany!
Je continue à faire rire ces politiciens tant qu'ils continuent à me faire rire ozy ilay rangah izay!
4. bozyboleta ( 18/04/2009 07:01)
_i Ravalomanana d nanome ny fahefana feno ny miaramila kanefa izany d tsy voafaritra ao anatin'ny lalampanorenana!
_Nofohanana ilay hitsivolana nanomezana ny miaramila ny fahefana feno, izany hoe otrany hoe ara-dalana ihany izany ilay izy raha toa nofohanana alohan'ny nanaovana hitsivolana vao²!

Ka efa hita fa hoe nambanana basy ka iny tsy hiadian-kevitra. Satria décret no nanomezana fahefana ny miaramila dia décret ihany koa no nanafoanana azy.
_D raha ara-dalana indray ary ilay hitsivolana nanomezana ny fahefana feno ny miaramila, d lasa ara-dalana izany ity HAT ity satria ny miaramila tsy nety nandray ilay fahefana fa nomeny ny HAT! hiteny i bozy hoe ka nambanana basy ny miaramila d voatery, tsy lavina fa ny mahagaga d hoe maninn ireo miaramila ireo tsy mivazavaza ary mitondra ny raharaha eo @ HCC! afaka manao izany ireo miaramila ireo satria efa misy hery ny mpanohitra eo Ambohijatovo ka efa malalaka ny fitenenana!

Ny nanolorana ny fahefana t@ HAT kosa aloha tsy ho ara-dalàna na oviana na oviana e!Efa nitsangana angaha ilay directoire militaire? Efa be ny fandalinana nataon'ny mpahay lalàna momba an'io tranga io fa tsy hanampy intsony aho.

Tapahako kely ny dinika eto fa nahazo antso aho fa raikitra indray ny gidagidra eny @ carlton izao anoratako izao ka ho eny aho hikaro-baovao..
Mandram-piresaka indray.
5. ifiona ( 18/04/2009 07:25)
mba hilazao vaovao bozyboleta a!!!!! raha azo atao


naona daholo eeee
6. Oay ( 18/04/2009 07:34)
Misaotra ny reportera bozy @ fanomeza-baovao fa za aloha tsy hivoaka ny trano fa sao tratran'ny tsy azo idiovirana any klé!
7. xxx ( 18/04/2009 09:39)
salama daholo é! izaho dia efa nilaza hatramin'izay,fa tsy hilamina intsony ny eto madagasikara raha tsy miala io HAT io! ary miverina an-dakazera (caserne) ny CAPSAT sy ny firongony,ary io fitondrana sandok'i ANDRY Rajoelina sy ny PM fôpla io mangoron'entana,ary i RA8 averina eo amin'ny fitondrana hamita ny mandat naha voafidim-bahoaka azy ,RATSIRAKA sns avela hody sy hiaina milamina eto Madagasikara,fa na inona lazainareo sy ataonareo TGV ANDRY ra Lucky luke sy ny firongony ,dia izao tsy misy vidiny eran'izao tontolo izao ianareo fa mpanongam-panjakana,ary ny fipetrahanreo ny fizirizirianareo dia hanapotika tanteraka an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy fa tsy misy raha hanjary eo fa korontana mbola ho pires noho izay nisy izay,izahay tsy TIM na pro-RA8,fa manaja izay nosafidiam-bahoaka,fa raha higidraka dia aleo hazava fa tsy mitsoaka na matahotra ireo mpanongam-panjakana ireo akory ,fa aleo hilamina fotsiny ry TGV isany mahatsiarova tena dia mialà teo fa aza misandoka fanjakana fa aty amin'ny 2009 isika izao .....
8. Mirananirina ( 18/04/2009 10:38)
fanendren’ny Filoha Ravalomanana an’Andriamatoa Manandafy Rakotonirina ho PM, dia hozy hoe «manao usurpation, usage de faux ary escroquerie». Efa ny HAT no fitondrana ara-dalàna napetraky ny vahoaka t@ fomba demokratika hozy ka hanendry PM ahoana ndray.

hahaha,ny mangala-ketsa indray no avo vava??????? :roll: :roll: :roll:
9. andrywui ( 18/04/2009 11:37)
hahaha,ny mangala-ketsa indray no avo vava???????



MAMO MIANTSO POLISY VE,, ??? RAVALO ANIE RY MIRANA NO TENA NAMPIJALY NY MALAGASY NAMPITONDRA FAISANA NY VAHOAKA TETO EEE
10. Mirananirina ( 18/04/2009 11:49)
MAMO MIANTSO POLISY VE,, ??? RAVALO ANIE RY MIRANA NO TENA NAMPIJALY NY MALAGASY NAMPITONDRA FAISANA NY VAHOAKA TETO EEE

Za anie tsy mandà izany e,fa ity solony no tena loza
11. Oay ( 18/04/2009 12:01)
Mirananirina:

MAMO MIANTSO POLISY VE,, ??? RAVALO ANIE RY MIRANA NO TENA NAMPIJALY NY MALAGASY NAMPITONDRA FAISANA NY VAHOAKA TETO EEE

Za anie tsy mandà izany e,fa ity solony no tena loza



Aiza i Salopard fa tsy mafana ny fety ééééééééééé
12. Mirananirina ( 18/04/2009 12:32)
Hoy i Mirananirina:


Voalaza teo :
MAMO MIANTSO POLISY VE,, ??? RAVALO ANIE RY MIRANA NO TENA NAMPIJALY NY MALAGASY NAMPITONDRA FAISANA NY VAHOAKA TETO EEE

Za anie tsy mandà izany e,fa ity solony no tena loza




Aiza i Salopard fa tsy mafana ny fety ééééééééééé

maninona raha anaovana LOHATENY manokana izy dia tamy eo e :) :) :)
13. bozyboleta ( 18/04/2009 14:14)
Zay vao tafaverina indray I Bozy fa mbola nitady vaovao teny retraretra teny androany.
Feno miaramila teo @ Carlton io maraina io hatrany ambadiky ny piscine tany. Raha ny re teny an-toerana dia nikasa ny hisambotra an’I PM Manandafy Rakotonirina ireo. Rehefa tonga teny anefa ny olona nirodorodo dia nilefa ireo miaramila ireo.
T@ 4 ora teo dia naharenesana poa-basy teny @ manodidina. Tsy fantatra hoe inona aloha ny antony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0433