miahihay ny tantsaha eo amin'ny vidim-bary !

1. ravatorano ( 16/04/2009 10:44)
Amizao dia efa misy ny vokatramiakatra ary efa valasira na asotry na fararano ny tantsaha eny ambanivohitra eny.
Miahiahy nefa izy ireo nohon'ny vidin'ny vary amin' izao fotoana izao izay aely tokoa mao fa 500 ariary na dia ampahany kely amin'ny vahoaka ihany aza no mahazo an'izy io hatramin'izao.
tetika iray hahafahan'ny mpanangom-bokatra hividy mora ny vary akotry nefa io filazana fa 500 ariary io ny vidin'ny akotry amlin'izao.
amin'iny faritr'i Mandoto Betafo iny dia milaza ny mpijirika mpanangom-bary fa tsy hividy akotry mihaotra ny 250 ariary nohon'ny fahamoran'ny vary ??????
An,y ambanivola any moa dia ny radio no mahazo any ary ny RNM no re any izay handrenesana fa efa anampidinin'ny HAt ho 500 ariary ny kilaon'ny vary ka dia hanao ny danin'ny kibony izany ireo mpijirika ireo.
Raha ny vla lany entina mikarakara ny fambolena vary nefa dia tena lafo tokoa nohon'ny vidim-bokatra raha izany.
Ny any aloatra moa dia mampiasa ny SRI ry zareo tamin'ity mba hanara penitra ny fambolena ka mahatratra eo amin'ny 5 ka hatramin'ny 6 taonina ny vokatra azo amin'ny hekitara raha antsasak'izany izy taloha.ny vola lany amin'izay nefa dia mahatratra eo amin'ny 2 tapitrisa ariary eo no lany hikarakarana azy.Ka raha atao nefa ny kajy hoe 250 ariary ny akotry dia zara raha misy 1tapitrisda sasany ariary ny vola miditra.Jereo amin'izay ny fantiantoka amin'ny mpamboly.
tsara asiana fiheverana sy fandinihana izany ho an'ny mpitondra fanjakana indrindra fa ny minisitry ny fambolena sy ny varotra anatiny !
novalian'i fijo ny 16/04/2009 20:35
2. rabaradaka ( 16/04/2009 10:52)
Tena maty zahay tantsaha dadatoa a ! Zao aty aminay de terena zahay hivarotra vary 700 Ar ny kilao. Ampio ny tantsaha
3. ravatorano ( 16/04/2009 11:11)
rabaradaka ah tena mahavoa ange zany ny tantsaha any amianreo mbola afaka mivarotra vary 700 ariary ny kilao e !
aiza zany mba hanondranay any kalé ! :wink:
4. Mandefitra ( 16/04/2009 11:14)
Efa hifarana tsy ho ela ny fitondram-pozaorana .... Mivavaha mafy ianareo tantsaha.
5. ravatorano ( 16/04/2009 11:46)
raha izao no fandehany aloha dia mbola sarotsarotra ihany vao afaka hifaly ny tantsaha raha izany !
:-P
6. Noue ( 16/04/2009 12:04)
tena mampalahelo ny tantsaha, ny horohoro etsy an-daniny, efa nilaza mahintsiny ry zareo oe tsy alehonay ve mividy vary @ io vidiny io toy zay mivarotra fa tena fantihantoka tsisy oatrizany !!
7. xxx ( 16/04/2009 12:12)
Raha hiteny eto dia ohatran`ny hoe hanome tsiny lava ny HAT kanefa dia izay ny zava-misy ankehitriny . Miaina am`publicité ny fitondran`i TGV ka mba hahazoana doka amin`ny fozaorana dia voatery manao zavatra mamohehatra . Tsy vahaolana ny fanerena ny vidim-bary hidina ho 500Ar izany fa fanimbana ny economie tsotra izao . Isika rehetra dia mahafantatra fa ny fitobahan`ny vokatra eo amin`ny tsena ihany no hampihena ny vidim-bary , ny dikan`izany dia ny fampitomboana ny vokatry ny tantsaha no vahaolana ary efa miasa tamin`izany politika izany ny Fitondrana Ra8 teo aloha. ( fampiharana ny SRI , fampindramam-bola ny Tantsaha ary ao anatin`izany ilay projet hanangana banky tena malagasy afaka mampindrana ho an`ny orinasa madinika amin`ny interet mora kokoa , ...sns). Ny olana dia asaina hifaninana amin`ny vidim-bary halatra tsisy masonkarena ny vokatry ny tantsaha ka izany aloha dia efa concurrence deloyale , fa ny zava-doza , ho kivy ny Tantsaha ka tsy hamboly vary dia tsy maintsy hiakatra ny vidin`izany ao aoriana satria tsy ampy ny vokatra , raha hanafatra vary nefa tsy maintsy ho lafo satria mihena be ny sandam-bola malagasy amin`izao fotoana izao vokatry ny krizy . Mbola zava-doza ny vidim-piainana hiandry antsika mianakavy atsy ho atsy noho ity HAT ity fa dia eo tsika rehetra mahita anazy
8. Noue ( 16/04/2009 13:06)
xxx:
. Mbola zava-doza ny vidim-piainana hiandry antsika mianakavy atsy ho atsy noho ity HAT ity fa dia eo tsika rehetra mahita anazy
mino ahoa fa tsy aharitra ela dia ho rava io


9. KALACK ( 16/04/2009 17:27)
mampalhelo ry reto nareo TIM a, manatena lava izao sao mba hisokatra ihany ka hanazava ilay masoandro politika izay nitsilopilopy ary maty tanteraka izao
10. fijo ( 16/04/2009 20:35)
vavan'ny efa hilevina ny an'ialahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4337