resaka nono

1. price ( 16/04/2009 08:44)
Inona kay reto no mahatonga le nono milentika be ireny nefa efa teraka, dia misy koa ngeza be le faritra sady mainty be.
Inona no tokony atao mba hampisy nono haingana rehefa teraka, sy ny fikarakarana atao mandritra ny fitondrana vohoka.
Misaotra.
novalian'i penezy ny 25/04/2010 21:29
2. ni81 ( 16/04/2009 11:34)
Ilay nono milentika tsy dia fantatro loatra, fa ilay nono ngeza be le faritra sady mainty iny dia efa misy karazan'olona toy izany (sady ngeza be ilay loha-nono).
Misotro rano betsaka araka izay vita ary dia somary trohana koa ny nono mba handotso tsara (tire-lait).
Ny fikarakarana ny nono indray dia atoron'ny eny @ tobim-pahasalamana io rehefa misafo fa arakaraka ilay olona koa satria misy manana loha nono vakivaky dia tsy maintsy asiana fanafody.
3. fahamarinana ( 16/04/2009 12:48)
:arrow: price : hosorana huile d'amande douce ,dia ezahana avoaka koa,amin'ny 1er marary fa rehefa avy eo mivoaka tsikelikely !Aloha be mbola bevoka no atao io fa tsy miandry teraka an ! Dia rehefa teraka moa dia mazava ho azy fa mivoaka satria mampinono ! Izay no hitako tamin'ilay zokiko zay !(l)
4. sarobidy ( 16/04/2009 12:52)
ka ny fahazoako azy nge oe efa teraka izy dia oe inona no atao mba hahabetsaka ilay nono fa kely ny nonoy, sa diso aho ry price?
5. fahamarinana ( 16/04/2009 12:57)
price:
sy ny fikarakarana atao mandritra ny fitondrana vohoka.

:arrow: sarobidy : ka io koa no fanontaniana napetrany kouh ! (l)
6. sarobidy ( 16/04/2009 13:14)
fahamarinana: ie itako ko io :roll:
7. karinah ( 16/04/2009 21:31)
Ny ahy koa tamin'ny vao teraka dia tsy nisy ronono mintsy anefa le zaza efa noana, dia nasain'ny infirmière minono eo ihany le zaza na tsy misy nono aza fa arakaraka ny hinonoany eo no mampisy ilay nono avy eo, dia tena nety avy eo.
rehefa bevohoka koa dia mila diovina amin'ny rano matimaty sy cotona (ivelan'ny douche na bain) ny loha-nono mba tsy hatonga anazy ho vakivaky rehefa mampinono, tena mangirifiry be mantsy hono ny nono rehefa favikaky.
8. karinah ( 16/04/2009 21:32)
coton fa tsy cotona,oups!!
9. rova30 ( 17/04/2009 13:08)
Ranon' ampango koa fanaon'olona hanasana ny nono!

Ny antony indray ? ...Tsy haiko loatra.


10. arialy ( 30/04/2009 10:03)
marina ny tenin'ny namana etsy ambony fa mila misotro rano be dia be hampisy nono, ny nono koa mila tiré-na, tena marary io fa refa tena te hampinono ianao de iareto kely fa ho benono enao avy eo.
tadidiko za tena nitomany kely mihitsy tam lay tire-lait électrique ireny sady mapisy crevasse, marary an! mividiana koa crème anti-crevasse raha mety fa manampy be.
dia bon courage fona fa zaza salama no tanjona e
11. kofbay ( 04/05/2009 13:02)
Ny fika gasy dia ny saosety sy voanjo, ny saoety dia izay fomba hanaovanao azy na atao ro @ hen'omby, na atao saosy na atao lasary, dia toy izany koa n voanjo, azo hanina amin'izao, na atao saosy voanjo! dia ny misotro zavatra mafana koa na dite io na lasopy fa ataovy anie fa ho hitanao ny fiakany e?
12. penezy ( 25/04/2010 21:29)
ny mahabe nono haingana aloha araka ny nataoko dia manao rompatsa dia sotroina mafana miampy ny rano moa mazava ho azy dia manaraka ho azy avy eo ny saosety sy ny voanjo sy ny papay na ny hena ritra sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4105