Said Omar e, Anjoany e

1. ikaretsaka ( 14/04/2009 23:12)
Asa ho anareo mpitia kalon'ny fahiny ireo angamba afaka hanazava azy misimisy kokoa

raha mijery ny tonon'ireny hira taloha ireny (t@ androndry barijaona sy ry Justin rajoro)
Misy ilay hira hoe Veloma ry said omar, sy heo Veloma ry ilay anjoany (handao ity tanana mahazatra) .

dia mba saika hanontany hoe inona tokoa ny fiantraikan'ny komorianina sy i anjoany (anjouan) sy i said omara @ ilay tononkira gasy...


novalian'i lembelo ny 04/09/2009 08:44
2. soanja ( 16/04/2009 15:25)
Tsy tadidiko Ika ny anaran'ilay Andriana saika hikomy tamin'ny andron-dRadama I dia tsy tafavoaka ilay izy ary nenjehina ka nitsoaka niakandrefana ary tafita tany Anjouan. Tany izy dia nanorina fanjakana vaovao izay nisy Gasy ihany koa niaraka taminy. Mamim-bahoaka tany tokoa izy saingy i Madagasikara no finidiny hatramin'izay dia nanao veloma ny tany komoro izy sy ireo Malagasy vitsivitsy. Nony tonga taty ry zareo toa novonoina ihany fa tsy tena tadidiko ny niafarany. Mety ifandraisany angamba io hira io.
3. Lejoba ( 18/04/2009 12:49)
Ilay Saïd Omar tantara tena nisy. Tantaram-pitiavana. Da-Kôm niaraka vhvv gasy dia nilaozan-dranamana ilay vhvv. Dia nanaovan'ny olona io hira io. Tsy haiko ny antsipirihany fa na miaramila ileiry na olo-malaza.
4. ikaretsaka ( 20/04/2009 19:27)
ah ok...misaotra nizara
toa misy koa hoe faritanin'i M/kara i komoro nisy fotoan'androny! taorianan'ny 1 ere guerre ka hatr@ 1947 raha tsy diso aho
5. lembelo ( 04/09/2009 08:44)
Efa voalazan\'i Soanja ny ambangovangony.Raha tsy diso aho dia Ramanetaka ilay printsy nikomy tamin-dRadama rainy, voatery nitsoaka tany \"Anjoany\". (Anjouan) ary niova anarana hoe \"Saïd Omar\" rehefa tafaorina tany. Io tantara io no nataon\'ny tropy Analamanga an-tsehatra, nitondra ny lohateny hoe \"Noro-Kaima\". Betsaka ireo hira \"fahiny\" noforonin\'i Naka Rabemanantsoa notsongaina avy amin\'io Teatra io no fantatra : \"Veloma ry Said Omar\", Handao ity tana-mahazatra\", \"Lehilahy mody izao no famindra\" ...sns.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1838