Ohabola diso filaza.

21. Mahasahy ( 06/08/2009 19:36)
Miarahaba an'i Soanja, tsara b ilay izy fa ity no mety tsy hitan'i Soanja: Faritra taiza no niandohan'io Ohabolana io? Raha miteny hoe voay manga dia entina ilazana ny voay efa tena antitra any @ilay toerana. Ny voay sy ny mamba dia teny manana ny fiaviany. Ny voay ohatra avy @Teny Indonesia hoe Boaya izay midik hoe voay. Ny tena mampiasa azy io dia ny eto Antananarivo fa ny teny hoe mamba kosa dia avy @ teny Bantoa, na misy miteny hoe teny soahili, na teny SAHEL RAHA teny tokana, ny faritra any @ sisin-tany no tena mampiasa azy indray....
22. soanja ( 10/08/2009 23:51)
Mahasahy:

Misaotra nanome fanazavana. Tsy arako ny niandohan'ny teny na faritra niaviany. Ny hany fantatro dia ny voay no resahina amin'io resaka io fa tsy vomanga izay mahazatra tokoa ny be sy ny maro.

23. RKjeanclaude ( 11/03/2017 12:33)
Toa tsy nisy tohiny intsony ny fikarohana teto amin'ity lohahevitra ity. Indro ary fa manan-kambara aho. Saingy tsy ohabolana fa fomba fiteny:"sanatria ny vava ladian'ny lela" dia diso; fa "sanatria ny vava, fadian'ny lela no marina". fomba fiteny malagasy mantsy ny filaza masaka; ohatra: miala tsiny, miala fondro; arahaba tompokolahy, salanitra tompokovavy; azafady manembana, azafady misalovana......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0144