Andia-miaramila tonga teny Ampandrana nitady ny CEMGAM teo a

1. ravatorano ( 10/04/2009 06:57)
«Andia-miaramila tonga teny Ampandrana nitady ny CEMGAM teo aloha»


«Tsy misy fanajana lehibe izany eo amin’ny miaramila. Ny lehibeny aza tsy mahalala izay ataon’izy ireo. Tsy manana filaminan-tsaina sy tsy milamina intsony eo amin’ny fiantohana ny ainy ny fianakavian’ny miaramila». Izany no namehezan-dRtoa Rasolomahandry Judy, vadin’ny CEMGAM teo aloha, ny Jeneraly Rasolomahandry Edmond, ny nanjo azy ny tontolo andron’ny alarobia 8 aprily 2009 lasa teo. Araka ny fitantarany mantsy, dia nisy andia-miaramila mirongo basy tonga teny an-tranony teny Ampandrana ny marainan’io andro io ary teny amin’ny tranony eny Alasora ny tolakandro, nilaza ho mitady ny vadiny sy hisambotra azy.

Tsy nisy taratasy

Mitovitovy ihany ny zavatra niseho teny Ampandrana sy teny Alasora araka ny fitantaran-dRtoa Rasolomahandry Judy: nisy andia-miaramila tonga tao an-tranony. Nibosesika niditra an-keriny izy ireo ny maraina tokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany tao an-tranony teny Ampandrana tsy nisy taratasy ary avy hatrany saika hiditra tao amin'ny efitrano fatoriany. Tsy nisy fanazavana fa avy hatrany dia nanontany ny Jeneraly Rasolomahandry izy ireo. Namaly Rtoa Rasolomahandry Judy fa tsy ao izy. Velona ny fifamaliana teo amin'ny roa tonta. Nanakana an-dreniny tsy hifamaly amin'ireto miaramila ny zanany izay miaramila ihany koa. Nampandolehin'izy ireo ny miaramila tao ambany rihana, nalainy tany amin'ny mpamily ny lakilen'ny fiara 4x4. Rehefa izany nentin’izy ireo nanaraka azy ny fiara sy ilay mpamily. Niverina nony kelikely saika hamerina mangingina ilay fiara.
Ny tolakandro, tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany, tonga teny Alasora misy ny trano namboarin'izy mivady ity andia-miaramila ity. Nanao fanamiana ara-dalàna ny kaomandà anankiroa nitarika azy. «Ny Cdt Charles Andrianasoavina ny iray ary ny Cdt Lilison avy amin’ny Zandarmaria ny iray», hoy Rtoa Rasolomahandry Judy. Nomarihiny fa «isan’ny teny an-tranony teny Ampandrana ny maraina ny Cdt Charles Andrianasoavina saingy nanao blouson teo ambonin’ny tenue camouflée». Mbola nitady ny Jeneraly Rasolomahandry ihany izy ireo. Nanontany izay taratasy fiantsoana azy tamin'izy ireo Rtoa Rasolomahandry Judy. Tsy mazava ny valinteny azony. Noteren'ireto miaramila hanaraka azy ireo miaramila tao an-trano ka ny iray tsy nanaiky fa ny roa kosa rehefa nodakadakan'izy ireo nanaraka azy tsy satry.

«Tsy baiko avy aty amiko»

Na ny maraina teny Ampandrana, na ny tolakandro teny Alasora, niantso an-tariby hatrany ny lehiben’ny Etamazaon’ny Tafika, ny Kolonely Ndriarijaona Rtoa Rasolomahandry Judy nitantara taminy ny zavatra niseho rehetra sy nanontany ny anton’izao fihetsik’ilay andia-miaramila. «Nilaza tamiko ny Kolonely Ndriarijaona hoe tsy baiko avy aty amiko izany, alamiko ny raharaha araka ny tandrify ahy», hoy ihany Rtoa Rasolomahandry Judy. Teo amin’ny resaka nifanaovan’izy ireo no nahalalany ny fisian’ny «commission d’enquéte» eo anivon’ny Fitsarana ary mety ho anatin’izany ireto miaramila ireto . Niezaka niantso ny Fitsarana nanadihady ny amin’io kaomisaona io Rtoa Rasolomahandry Judy izay nanamarika fa hametraka fitoriana noho ny fidirana an-keriny an-tranon’olona sy fitarainana fiandry.


H.R.
gazetiko
10/04/09
novalian'i xxx ny 12/04/2009 08:06
2. penguin ( 10/04/2009 07:17)
Io ny endrika soan'ny tetezamita tarihin'ny andry tgvendrana izay voalaza hitondra fampihavanana sy miantso ny anaran'i Jesosy Kristy eny imasom-bahoaka. Ny Malagasy samy Malagasy no ampirafesiny ary tsy tahotra tsy henatra fa izy filohan'nity HAT no mampiditra an-tsain'ny olona hoe aza ekena ho avy ny Dadan-dry zalahy izay resaka tsy mandalo @'ny sain'ny olona akory. Anaovana fitsiam-paritra mihintsy ny fampiadiana. Eto Madagasikara koa moa izao ny Amiral sy Général voalaza ho voakarama daholy ka asa raha tokony hajanona eo @'ny kolonely ny grady farany avo ary alefa returety avokoa ny voakarama rehetra. "Général sans soldat" moa afaka aninona ka tsy aleo vé manaiky mandeha reitrety.
3. penguin ( 10/04/2009 07:18)
Io ny endrika soan'ny tetezamita tarihin'ny andry tgvendrana izay voalaza hitondra fampihavanana sy miantso ny anaran'i Jesosy Kristy eny imasom-bahoaka. Ny Malagasy samy Malagasy no ampirafesiny ary tsy tahotra tsy henatra fa izy filohan'nity HAT no mampiditra an-tsain'ny olona hoe aza ekena ho avy ny Dadan-dry zalahy izay resaka tsy mandalo @'ny sain'ny olona akory. Anaovana fitsiam-paritra mihintsy ny fampiadiana. Eto Madagasikara koa moa izao ny Amiral sy Général voalaza ho voakarama daholy ka asa raha tokony hajanona eo @'ny kolonely ny grady farany avo ary alefa returety avokoa ny voakarama rehetra. "Général sans soldat" moa afaka aninona ka tsy aleo vé manaiky mandeha retitrety.
4. saranga ( 10/04/2009 07:23)
Jery atrika !! Zay no fantatray miaramila fa ny ankoatra zay dia coup d'Etat toy ireny nataonay ireny
5. xxx ( 12/04/2009 08:06)
ka nareo ko ve tsy mahita fa toy ny gidro daolo ny tarehiny , toy ity le ni s'autoproclamer cemgam , ka zany gidro zany sauvage normal be ra toy izany ny fihetsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2121