fitokonana : vita ny etsy...mipoitra ny eroa !

1. ravatorano ( 10/04/2009 06:30)
Manao fitokonana fanairana 24 ora indray izao ny mpiasa rehetra ao amin'ny Hopitaly Befelatanana rehetra (mpistabo mpandidy,mpitsabo tsotra,rasazy mpampivelona,ny mpitsabo mpanampy ary mpiasa tsotra) omaly tontolo andro nefa na izany aza dia nisy ihany ny fikarakarana ireo marary.
Ny anton'izany moa dia ny fanendrena Tale vaovao ao ami 'io Hopitaly lehibe io izay lazain ireo mpiasa rehetra ao fa tsy nanaraka "procédures" ny nanendrena azy ary koa tsy mifanentana amin'ny rafitry misy ao amin'ny hopitaly.Mpitsabo tsotra na Medecin g=énéraliste mantsy no notendrena hitantanana ny Hopitaly Befelatanana nefa raha ny tokony ho izy araky ny sata mifehy azy ireo dia Professeur Titulaire no tokony hitana izany toerana izany.Efa nandefa taratasy tany amin'ny HAT moa ry zareo mpiasa rehetra ireo tamin'ny 03 Avril lasa teo nefa dia toy izao ny valiny azo tany :"porofoy aminay aloha fa tsy mety amin'ny oloa rehetra io olona vao notendrenay io",ary dia raikitra izany fa nisy ny fitokonana fanairana aloha izao ary rah mbola miziriiry amin'ny heviny ihany ny HAT dia hihitatra ny hetsika .

Ny tao amin'ny Banky Foibe indray dia efa namonjy ny asany ny mpiasa nanombokla omaly atoandro reefa avy ny fampidinika tamin Ingahy Monja Roindefo nefa nilaza ny solotenany fa raha tsy mahazo ilay taratasy miantoka ny fahalalahan'izy ireo amin'ny asany dia hiverina hitokona indray !

novalian'i Oay ny 10/04/2009 06:59
2. Noue ( 10/04/2009 06:35)
rariny raha mitokona ny vahoaka saria toa didin'be sandry fotsiny no atao !!!!
taiza koa no mbola misy oe medecin generaliste no atao tale lehibe ny hopitaly ??? zany ve tsy fanaovana tsinontsinona ny profesiora ??
be ny zavatra tsy rariny ataon'io HAUTE AUTORITE DE TRAHISON io eee ! aiza ve koa ireny gadra ireny no omena toerana fa halana fotsiny zao ny tompon-toerana? ary ahoana ireo olona analphabete ao @ haute autorite de trahison ireo ? RARINY DAHOLO VE ZANY ?
3. Oay ( 10/04/2009 06:59)
Noue:


rariny raha mitokona ny vahoaka saria toa didin'be sandry fotsiny no atao !!!!



Rariny tokoa raha mitokona ny olona satria otrany lasa fanovantoerana sy fametrahana namana ny nanaovana an'i fihetsehambahoaka.Amiko alohan'ny hanovana mpitantana d tokony jerena akaiky aloha ny fomba fiasan'ilay mpitantana, tokony henoina ihany koa ny hevitrin'ny mpiara miasa.

Noue:


taiza koa no mbola misy oe medecin generaliste no atao tale lehibe ny hopitaly ??? zany ve tsy fanaovana tsinontsinona ny profesiora ??



Eto kosa d tsy miombokevitra @ i Noue i Oay satria:
_ny resaka administratif d tsy voatery hoe ny Pr mahay mitantana noho ny Dr. tsy hoe izay nanao Ecole Nationale d'Admnistration ihany ohatra no afaka mitondra ny appareil d'Etat fa ao koa ireo olona afaka manao synthèse sy manana bon sens ohatra.Azontsika atao ohatra i Ravalomanana izay mpitantana sady tompon'ny TIKO (aza raisina @ maha Entreprise privée anazy fa ataovy hoe Ese fotsiny an)
_fa kosa tsy azo ekena ohatra raha toa ka ilay chirurgien cardio no handeha hisolantsolana hanao ny asan'ny ophma. Izany indray d mila fahaizana.Ohatra azo omena d ity i Nono ao @ tarika Mahaleo d mbola tsy Pr kanefa tadidio fa misy Pr mitovy spécialité aminy fa tsy mahavita ny vitany an!
Ohatra iray koa i Dr Patricia momba ny maso, iza no Pr mahazo olona toa ny azony.
Ohatra iray koa nolazaina fa nahatezitra ny tafika t@ Ravalomanana d hoe satria vevavy ny minisitra é! amiko moa iny resa-jaza tsy mitombina.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2792