Raha mahay manararaotra ny 8 + 2 dia mety mba 10/10

1. essera ( 10/04/2009 06:17)
Salama e,

Raha ny vaovao farany heno omaly dia mety raha manaiky ny fandaminana omaly ireny ny roa tonta. Ilay fandaminana moa izany dia ny fanendrenan-Ra8 an'i Mr Tabera ho praiministra-ny. Raha ny voalazan'i Tabera omaly dia hoe mijanona amin'ny toerany i Andry fa ny gouvernement izay mitsangana kosa dia ho gouvernement de coalition. Raha ny fijeriko manokana dia hitako fa vahaolana ho an'ny andaniny sy ny ankilany io.
Izay tsy te hiditra amin'io amiko dia efa zavatra hafa manokana mihitsy. Sarotra mantsy ny hametraka amin'izao amin'izay hoe anay na an'azy fa rehefa antsika rangah dia antsika miaraka. Somary tezitra mantsy ny vahoaka teny Ambohijatovo omaly raha nilaza Rasolomaso hoe : hiditra amin'ny fifampidinihina amin'ny HAT ny fandaharam-potoana manaraka. Sarotra ny mamerina ny sain'ny vahoaka rehefa ohatran'io raha tsy mahay. Izay no henjana amin'ny ilay mampiditra. Tsy ny Tim ihany no nisedra an'io fa ny TGV koa efa nandalo teo ka dia anjaranareo roa tonta ny mifanantona. Ny TGV angamba efa mipetrapetraka fa fahendrena r zalah ny manararaotra izao : Tsy maintsy hisy ny fivazavazana izao indrindra2 ho an'izay tena mafana fo be izao kanefa tsy misy hevitra ankoatra an'io ivoahana.
Ny mety ho olana dia ilay slogan hoe : "Avereno i Dada". Fantatrareo ny tohin'io : Lohany anankiroa no hisy eto ka tsy hisy handeha amin'ny laoniny.
Diniho ilay dinika efa nosoratako teto hoe : "Meti2 ko2 ho an'i Dada ny tsy miverina aloha"
2. Oay ( 10/04/2009 06:29)
Salama essera a!
Ny idéaly aloha d io resaka governemanta iombonana io é! ary io efa nolazaiko fona fa ny tokony ataon'ny TIM d mandray anjara @ izay atao rehetra mandritra ity fitondrana HAT ity.
D aleo aloha hangatsiaka kely ny fitakiana ny fiverenan'i Ravalomanana, ny antony d mbola averiko hoe "mbola mahamay be ilay zava-misy ka tsy mahatsara an'i Madagasikara ny fiverenany ary tsy mahatsara an'i Ravalomanana ihany koa" fa kosa raha vao vita ilay référendum d tokony hiverina @ zay Ravalomanana ary tokony tsy hisy lalana mihintsy hanakana anazy ny @ ahafahany milatsaka hofidiana.
D hisy hamaly indray ny TGV hoe ka namono olona i Marc Ravalomanana
Valiny: anjara ny fitsarana no manamarina na madiso izany fa tsy anjaran'ny mpanao politika!
3. ravonjison ( 10/04/2009 11:44)
Izaho ry zakaly dia tsy manaiky izany a. Fifidianana ihany no hitako fa vahaolana.
Fanatsinotsiniavana ny vahoaha sy demokrasia ireo voalazanareo eo ambony.Tsy ekeko mihitsy ny hoe nanongampanjakana ireo olona ireo , dia avy eo hifampraharaha aminy. Tsy azo pasopasohina toy izao ny zavamisy.Raha mbola ao foana ilay olana fototra ( fanonganam-panjalkana no nahazoana seza ) dia tsy hilamina mihitsy ny tany, mety hoe @ izao no mangingina kely , fa any aoriana tsy maintsy hisy foana ny olana.
Tsy miankina mihitsy @ hoe, Ravalo hiverina na tsy hiverina ( tsy izay ny olana), fa ny hoe : tsy azo legitimer na legaliser ny fanjakana azo ankeriny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0417