Ny fitiavan-tanindrazana.

1. soanja ( 08/04/2009 15:06)
Inona tokoa moa io teny io aminao? Inona avy ny tokony hita dia hilaza isika fa tia tanindrazana ny olona iray.

Efa nanoratra an'io aho 3 taona lasa izay. Aleo haverina indray ho n'ny vaovao eto. Misaotra indrindra.
novalian'i soanja ny 09/04/2009 15:23
2. soanja ( 08/04/2009 16:02)
Ireto izany misy sosokevitra azoko aroso: Ny MahaMalagasy!

- Fitiavan-tanindrazana dia aseho amin'ny fiainana andavanandro:
a, Fanabezana, fanasoavam-bahoaka ary fanentanana.
b, Fanairana ny ambompo maha Malagasy sy ny tanindrazana.
c, Toetsaina sy teo-panahy mahaOlona sy ny ho an'ny firenena (io ilay voa-janahary) ka manosika ny olona iray ho tia tanindrazana:
- Fampiroboroboana ny kolontsaina mahaMalagsy
- Fitazomana ny rom-pihavanana sy ny fahaizana miara miaina
- Ary ny Firaisan-kina.
d, Fanorenam-paka ny fitiavan-tanindrazana: mitaiza, manabe ary mampianatra ny zaza sy ny tanaora ho olom-banon'ny firenena.
e, Fampianarana ny hahatonga ho olom-banona.

Ireo toe-tsaina sy toe-po takian'ny fitiavan-tanindrazana:
- Fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firaisan-kina ary ny fikatsahana ny soa iombonana.

BE NY ATAO ARY MALALAKA I MADAGASIKARA HANAOVANA NY FITIAVAN-TANINDRAZANA. Misaotra namaky ary mazotoa daholo amin'izay atao. Soanja.
3. itaramasoandro ( 09/04/2009 03:51)
ho fanampin'ireo dia ny hoe: voizo malaky ny fitenim-pirenena fa 18 tapitrisa isika no miteny sy mamelona azy. Aza manaiky ho tsindrin'ny teny vahiny.

tsara ny mianatra fitenim-pirenena hafa. iriana tokoa izany satria ny fitenimpirenena dia anisan'ireo fitaovana sarobidy hifandraisana @ hafa, fomba fahalalana azy be be sy tsara tsara kokoa, fomba fanekena azy ihany koa.

saingy hatao aloha izay hahaizana tsara ny tenin-drazana fa io no maha samihafa antsika @ sasany: ny maha malagasy. Tokana sy sarobidy ka harovy.

itaramasoandro 8)
4. soanja ( 09/04/2009 05:15)
itaramasoandro:

ho fanampin'ireo dia ny hoe: voizo malaky ny fitenim-pirenena fa 18 tapitrisa isika no miteny sy mamelona azy. Aza manaiky ho tsindrin'ny teny vahiny.

tsara ny mianatra fitenim-pirenena hafa. iriana tokoa izany satria ny fitenimpirenena dia anisan'ireo fitaovana sarobidy hifandraisana @ hafa, fomba fahalalana azy be be sy tsara tsara kokoa, fomba fanekena azy ihany koa.

saingy hatao aloha izay hahaizana tsara ny tenin-drazana fa io no maha samihafa antsika @ sasany: ny maha malagasy. Tokana sy sarobidy ka harovy.

itaramasoandro 8)


Tafiditra tanteraka ao anation'ilay b, io fanagasiana io satria ny fanairana ny hambom-po mahaMalagasy dia mitaky tokoa ny fahaizana ny tenindrazana tanteraka.

Any amin'ny Blaogy dia misy koa fanazavana momban'ny fampidirana ny fampianarana ny tenim-paritra isanisany avy ao anaty taranja any amin'ny fanabeazana fototra sy CEG ary Lycee. Ka mianatra tenim-paritra iray avy isaky ny telo taona dia ovana dia miditra tenim-paritra vaovao hafa indray. Ka mandrapahatongany any amin'ny Oniversite ny ankizy iray dia efa afaka mifankafantatra tsara izy ireo na ara-kolontsaina na ara-teny ka mba hihena ny fandrangitana ara-politika.

Ny fampidirana ny rehetra ho mpandray anjara mavitrika ihany no hahatonga ny firenana hanana olom-banona.


5. sarobidy ( 09/04/2009 06:09)
KA SAMY milaza ho tia tanindrazana dhaolo de fanina aho oe inona ary no tena izy raha izany
6. soanja ( 09/04/2009 06:16)
sarobidy:

KA SAMY milaza ho tia tanindrazana dhaolo de fanina aho oe inona ary no tena izy raha izany


Miankina amin'ny tsirairay tokoa ny fahafantarany sy fanantanterahany ny fitiavan-tanindrazana- toy ny finoana ihany io tsinona- ka tsy misy ifanomezan-tsiny fa rehefa tsy manimba ilay tanindrazana ilay izy dia efa soa izay.

Ny manimba tanindrazana amiko dia toy ny hoe tsy famelana lova ho an'ny taranaka ohatra mba hiasany sy hahasambatra azy ary hampiodina ny fiainany amim-pahalalahana sy amim-pahamendrehana. Ohatra dia ny fandoroana ala amiko dia tena tsy fitiavan-tanindrazana tokoa raha toa ka efa mahalala ny iray fa tsy tsara io ary manimba ny tany sy ny tontolo nefa dia mbola mikiry biby ihany manapatra ny fanantanterahana izany tsy ampiheverana.
7. ravatorano ( 09/04/2009 06:42)
iza no tsy tia ny tanindrazany izany
iza no tsy tia an'i Madagasikara fa eo amin 'ny fanehoana an'izany no tsy itovizana indrindra amin'izao toe draharaha miseho amin'ny firenena izay.
Efa maro no voalaza etsy ambony etsy ary ekeko sy irahako miombo kevitra ireo voalaza ireo. Ny tikao ho soritana fotsiny dia miainga eo anivon'ny fiaraha-monina manodidina anao ny fitiava-tanindrazana ary mipaka any amin'ilay firenena,izany hoeny tontolo andavan'andronao dia tokony ahitana taratra an'izay ka ho an'ireo mpiasa dia manao izany amin'ny fony tokoa,tsisy olakolaka tsisy tambitamby tsisy faneriterena ary tsy manao ny tsindrio fa lavao ihany koa.Ny fijerena ny mahasoa ny manodidina ano amin'ny alalan'ny raharaha sahanina dia efa tena fitiavan-tanindrazana lehibe tokoa
8. Mandefitra ( 09/04/2009 06:56)
Ka tsy tsapany hoe tsy fitiavan-tanindrazana anie no hataony ... zay no olana lehibe. mila fitaizana.
1/ Ireto misy fahazaran-dratsy ny gasy :
- mandoro fananam-bahoaka : tvm, rnm, rova
- mandroba fanananam-bahoaka : fil jirama, telma, fefy ...
- mandoro tanety sy ala
- mandrehoka na mandrora eny andalambe
- manary fako eny rehetra eny
- mipipy eny andalana

2/ Ary ny politika sy ny haino amanjery any amintsika de tsy manabe ny mponina mitsy fa vao maika manimba ... fitiavan-tena no manjaka.
mba hanatrarana ny tanjona de ampiasaina aby ty fika maloto rehetra ty.

@ zao vao maika sarotra ny hanarina ny toe-tsaina, ary hamelona indray ny afom-pitiavan-tanindrazana ...

Asa re, sao isika metisy mitsy no mahatonga zany?
9. fahamarinana ( 09/04/2009 07:01)
Zoky Ravato:
tikao ho soritana fotsiny dia miainga eo anivon'ny fiaraha-monina manodidina anao ny fitiava-tanindrazana ary mipaka any amin'ilay firenena,izany hoeny tontolo andavan'andronao dia tokony ahitana taratra an'izay ka ho an'ireo mpiasa dia manao izany amin'ny fony tokoa,tsisy olakolaka tsisy tambitamby tsisy faneriterena ary tsy manao ny tsindrio fa lavao ihany koa.Ny fijerena ny mahasoa ny manodidina ano amin'ny alalan'ny raharaha sahanina dia efa tena fitiavan-tanindrazana lehibe tokoa

:arrow: ^:^ izay ihany koa no hitako tena tsara !Tsy afa hiainga raha tsy ny tsi11 no miezaka,io aza efa manahirana sy sarotra ny manova azy !tokoa moa !:? (l)
10. vahiny2004 ( 09/04/2009 08:48)
concrètement : Inona no TOKONY ataon'ny TIA TANINDRAZANA eo anatrehan'ny zava-misy eto M/car @ izao fotoana ?
11. soanja ( 09/04/2009 15:12)
ravatorano:

iza no tsy tia ny tanindrazany izany
iza no tsy tia an'i Madagasikara fa eo amin 'ny fanehoana an'izany no tsy itovizana indrindra amin'izao toe draharaha miseho amin'ny firenena izay.
Efa maro no voalaza etsy ambony etsy ary ekeko sy irahako miombo kevitra ireo voalaza ireo. Ny tikao ho soritana fotsiny dia miainga eo anivon'ny fiaraha-monina manodidina anao ny fitiava-tanindrazana ary mipaka any amin'ilay firenena,izany hoeny tontolo andavan'andronao dia tokony ahitana taratra an'izay ka ho an'ireo mpiasa dia manao izany amin'ny fony tokoa,tsisy olakolaka tsisy tambitamby tsisy faneriterena ary tsy manao ny tsindrio fa lavao ihany koa.Ny fijerena ny mahasoa ny manodidina ano amin'ny alalan'ny raharaha sahanina dia efa tena fitiavan-tanindrazana lehibe tokoa


Marina tokoa izany. Tafiditra ao anatin'ny c, io. Ny toe-tsaina mahaolona sy ho olom-pirenena vanona, izay mitaky fahaizana miara-miaina.

Zava-dehibe tokoa io amin'ny fiaraha-monina satria mila mahatsapa fa manan-danja daholo ny olona tsirairay ao anatiny ary mandray anjara mavitrika amin'ny zavatra ataony , amin'ny asa sahaniny andavanandro ka fantany fa misy fiantraikany amin'ny fanatsarana ny firenena.

Mila manome lanja azy koa fiaraha-monina manodidina azy, ka raha ohatra ka mpamafa lalana ohatra ny asany dia tokony ho zava-dehibe amintsika rehetra mampiasa ilay lalana ny zavabitany ary mankasitraka izany isika. Io fanomezan-danja io moa no mitohy dia mipaka amin'ny fahafantaran'ny firenena fa zavadehibe ny fisian'ilay olona amin'ny anjarabiriky entiny.

Mila mahay mamaha olana ao anaty fifandraisana ara-piarahamonina koa ny olona tsirairay ao anatiny. Ity angamba no isan'ny olontsika Malagasy. Tsy ampy ny fampianarana azo miatrika famahana olana. Jamben'ny politika loatra isika ary izay nisy dia mifangaro herisetra na mivantana na ankolaka , moa na ny fitaovana serasera aza dia mbola mampivoitra an'io koa dia zary mianatra lesona ny ankizy hoe atao anaty herisetra ny famahana olana. Ny teny mafonja nefa tsy mandratra ary voaporofo tsara dia afaka ifandaharantsika satria olona manantsaina isika rehetra ary afaka miresaka sy mifankahazo fiteny. Io no ilana ny fahaizana teny gasy tsara mba amin'ny mifankahazo ny tiana ampitaina. Tsy mora anefa ny azahoana olona iray afaka hihaino sy hifandahatra ary tsy mifanipaka hevitra ka tsy tonga amin'ny herisetra fa io dia mila any amin'ny fanabeazana mbola garabola dia efa atrehana sy ampianarina ny ankizy. Raha mbola misy ny olona ao aminy mahatsapa fa tsy voajery sy ailikilika izy dia tsy maintsy hirona amin'ny herisetra foana ny fiafaran'ny adihevitra tsy mitovy satria izy mahafantatra fa afaka ampiasaina ny saina hanampatra herisetra sy adin'ny be sandry koa.

Mila tsimoka avy amin'ny fahaizana ny mahaolona aloha vao afaka mivoatra ho olom-pirenena vanona. Ny olom-pirenena vanona no lasa tia tanindrazana. Io fitiavan-tanindrazana io anefa dia arakaraky ny kolontsaina ampidirina sy nasesika ao aminy no mety hisehoany amin'ny fihetsiny. Noho izany dia mila mifankahalala koa isika hoe inona avy izany ireo kolontsaina misy ireo dia ahoana no ahafahana miaramiaina na dia samihafa aza ny fiaviana. Eo no miasa ny fifanjana sy ny marimaritra iraisana ary ny fahaizana mamaha olana.

Mahereza daholo fa tsy mora io resaka fitiavan-tanindrazana io.



12. soanja ( 09/04/2009 15:23)
vahiny2004:

concrètement : Inona no TOKONY ataon'ny TIA TANINDRAZANA eo anatrehan'ny zava-misy eto M/car @ izao fotoana ?


Amiko aloha raha afaka mifidy aho dia ny hisian'ny filaminana no tokony vahaolana voalohany itarakarana hevitra ifampiresahana sy fotoana ieritreretana. Ao anaty filaminana ihany no ahitana ny soa sy ny maharitra. Avela ny tantara no hamalona ny momba izay efa misy eo fa ny fiatrehana ny ho avy kosa no atao tsara paika.

Manaraka izany dia atomboka ny fanovana ny fomba fampianarana sy fanabeazana ny zaza. Ilaina koa ny fanombohana ny fanabeazam-bahoaka hahalalany ny tokony ataony amin'ny olona mizaka ny zom-pirenena azy, ary hialana lavitra amin'ny kolokolo mba tsy haharoboka azy na tsy ho voafitaka izy. I Ra8 dia efa nanomboka an'io tokoa amin'ny projet miaraka amin'ny Bianco saingy vao nitsimoka moa io dia efa rava iny.

Tsy vahaolana ny herisetra.

Izay aloha no hitako avy aty amiko.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608