Tsy mila vonona izany ny Groupe TIKO ry Fanjakana tsis saina

1. essera ( 08/04/2009 08:19)
Dia midradradradra mafy mihitsy moa izany ny namana sasantsasany ao ambany ao an'io phrase io. Efa mitady tsy handeha amin'ny saina intsony ilay hevitrareo fa mapmé be.

Na mandray mesure mety ilay fanjakana ts'isy saina na mandray mesure eritreretina oe tsy mety mivazavaza foana ry mpiondana isany.

Ny fahitako anareo dia toy ny ankizy kely ilay midongy omena dia rehefa omena indray dia midongy tsy hihinana. Oh la la la la la. Ndana ary aloha mivoaka milalao any an-tokotany any indray fa simba fotsiny ilay sakafo. :-D :-D :-D :-D

Tao ambany tao moa dia nisy niteny hoe tsy omena iray volana ilay fanjakana ts'isy saina. Ka izao izy io ...
- Ny irikon-faty matetika no ela velona.
- Ny nahay nilomano ihany no maty an-drano (ny teo aloha io).
- Ary mba miezaha mampiatra ny tena fanarahan-dalàna amin'izay fa aza manao sesi-boletra fotsiny ihany ka lasa voalobo-jaza no iafarany, tsy lany nohanina fa potika natao kanety.
novalian'i fijo ny 09/04/2009 22:28
2. ntss ( 08/04/2009 08:32)
Reveko essera a! :-*
3. xxx ( 08/04/2009 08:32)
ka zay no maha-opposition azy koa :D
4. essera ( 08/04/2009 08:37)
Saika adinole les "ntss" :
Fitsapam-pahaizana ho an'ny mpitantana ao amin'ny tiko ity vanim-potoana lalovany ity satria :
- Raha tena bon dirigeant ny cadre ao dia tsy mampiova velively izay fivoaran'ny TIKO io, ary aza gafigafiana izy ry HAT fa izay ho an'i Sezara ihany no an'i Sezara (Hetra sns io).

- Hidina haingana dia haingana ny puissance-ny kosa raha toa ka no-booster-na tamin'ny tsy ara-dalàna miom-papana izy.
5. ravatorano ( 08/04/2009 08:48)
raha ny fandehan'ny toe-draharaha amizao aloha araky ny fahitako azy dia ny fanjakana HAT mihitsy no "manambitamby" ny groupe TIKO hisokatra satria mafy be mihitsy ny fanoherana avy ao amin'ny faritr'i Vakinakaratra Antsirabe iny.Saika avy ao avokoa mantsy ny vokatra entin'ny tiko ahodina toy ny ronono ,voankazo,ny vary,ny soja,ny karoty sy ny sisa !
Mbola ao ihany koa no be mpiasan'ny tiko indrindra satria ao ny ankamaroan'ny ozinina an'io orinasa io koa tsy mahagaga raha ao no matevina indrindra ny fanohanana ny "ara-dalana" sy ny fitakiana ny fiverenan-dRavalo.
Isika malagasy tokoa dia tena sangany amin'ny famotehana fa farakizé gisitra eo amin'ny fananganana sy fanamboarana.Mamotika sy manimba no haitsika betsaka ary mbola asiana famendrofendroana indray aza.
Nilaza Ingahy Benja Razafimahaleo Ministry ny teti bola sy toekarena ao amin'ny HAT fa haverina hisokatra ny tiko ary tsy mbola amizao no hakana aminy ny hetra milimiliara ariary izay tsy voaloany hatramin izay fa atsy ho atsy.
Izay ilay lazaiko taloha hoe vava be io ange mora amboarina amin'ireo mpanao politika e satria teo dia nilaza mihitsy teny ankianjan'ny 13 mai fa na hakatona ka hatao lavanty aza ny ozinina tiko dia tsy maintsy mamerina ny trosabe an'ny fanjakana aminy ry zareo.
Miova tokoa ny tantana reefa tena ao amin'ny toerana ah ary hafa ny kabary ankianja sy ny ambony latabatra anaty birao sy mipetraka eo amin 'ilay seza fiketrahana misy fiankinan-damosina io !
6. essera ( 08/04/2009 08:53)
Ka dia inona fa mifandray zany ny tia sy ny manina e.

hi hi hi
7. Oay ( 08/04/2009 09:01)
Marina mihintsy fa tsy nandinika tsara fa taitaitra é! soa ihany fa mbola HAT fa raha fanjakana haharitra d zava-doza!
Amiko ny tokony atao d rehefa hita fa tsy hahaloa ny hetra ny TIKO d fanaovana tolombotsotra @ fivarotana anazy na d à un franc symbolique aza mba hitsinjovana an'ireo mpiaramiasa sy mpiasan'ny TIKO, izao zavatra izao no tanteraka d satria io no tanjon'i Ravalomanana "monopole" ka rehefa voakitika izy d tsy maintsy hovoakitika ireo vahoaka izay nofeheziny t@ alalan'izany monopole izany!
Fa za mino sady manantena fa tsy hoela d hovoavaha io satria tsy maintsy hisy mpanambola afaka hitondra vola hamahana an'io olana io é!
8. ari.malala ( 08/04/2009 09:01)
Fa angaha moa tsy efa hoe 40 milliara araiary no tsy maintsy aloandry zareo e! ko maninona ankehitrin no hoe aorian'ny fanadihadiana no halefa ny taratasy fitakianketra? izany hoe resa be nambaboana fombahoaka ftsn daolo zany reny teny @ trezmé rehetra ireny? aoka marina :)
9. ravatorano ( 08/04/2009 09:08)
arak'ilay hira izany io ry essera ah : "ny tia sy ny manina no tafara dalana"
tsy izay nefa no miseho fa na ny direction générale ny tiko aza mbola mitaky ihany hatramizao ny "antoka" ahafahan-dry zareo miasa ao anatin'ny filaminana sy fandriampahalemana fa tsy hoe vao misy vokatra mivoaka dia efa ry rasill no miandry eny andalmabe hambabo an'izany !
ny hetra izay tokony haloany re ry arimalala tsy maintsy aloany fa ny fotoana no mbola tsy hay hoe rahoviana.Aza adino fa miovaova resaka foana ange ireto mpitondra antsika ireto amin'izao fotoana izao e ka mety rapitso rahafakampitso indray hoe akatony fa hatao lavanty fa mila vola ny fanjakana
d za tsy gaga tsony reefa tonga izay :wink:
10. Oay ( 08/04/2009 09:17)
Misy fiteny manao hoe :"Ny valala misy ary mpilaza koa mahay rahateo" ataoko angamba fa tsy misy afaka handà eto fa nisy ny:
_fiangarana natao t@ Tiko anisan'izany fandrafetana làlana tampotampoka fanafohanana ny habatseranana ohatra rehefa misy zavatra tian'ny TIKO ampidirina teto Madahsikara.
_tsy arapotoana ny fanefan'ny TIKO ny hetra
_monopole nanan'ny TIKO io monopole io d mbola averiko fa zavatra tena ninian'i Ravalomanana natao satria ny ao Antananarivo ao d tsy mba otrany aty @ faritany, tsy mba mahazaka tsy mihinana d jereo fa nosafidian'i Ravalomanana tsara hoe aiza no nametrahany ny fototr'i TIKO.
D amizao manararaotra milaza abobo ny HAT fa na izany na tsy izany d misy ilay izy fa tsy mbola fantatra hoe ohatrinona marina!
11. xxx ( 08/04/2009 09:19)
"miezaha manpiatra ny tena fanarahan-dalàna aminizay" n'impôrte koi, ny fanjakana mijoro ary tsy ara-dalàna kou lalàna a lalàna, aza miteniteny foana fa mahamenatra
12. ari.malala ( 08/04/2009 09:19)
Zoky a! za nge manaiky hoe tokony alohan izay tsy nalohany hatrizay e! fa mahagaga ahy iany ilay efa napoapoaka ny chiffre tery ankianja hoe tokony handoa 40 miliara ariary no tokony haloan'ny tiko @ fanjakana, izao ndray nefa d lasa hoe atao aloha ny fanadiadiana! d ts ho gaga marina raha iny indray misy filazana hafa mifanohitra @ le resaka natao teo k :-D :-D Ary inona marina hoa ny antony hoe vao misy camion mandalo de iny fa sakanan'ny miaramila! zay nge tsy mety voavaly mintsy io fanontaniako io e! mody lazain'ny sasany fa ny taratasy no tsy mazava ko maninona tsy ny taratasy no savaina fa ny entana ao anaty camion no avoaka? halatra be vava anie izany e! ary raha tena te hampanjaka ny fahamarinana marina ity fitondrana vaovao ity d manao fanadihadiana @ ireo miaramila manao izany toetra tsy mendrika izany ary manasazy azy ireo araka ny lalàna!
13. xxx ( 08/04/2009 09:21)
Tokony haloa ny hetra tsy nohefaina h@zay ! b ny kenda @ilay ara-dalàna takiana...:°)
14. essera ( 08/04/2009 11:09)
ari.malala:
Fa angaha moa tsy efa hoe 40 milliara araiary no tsy maintsy aloandry zareo e! ko maninona ankehitrin no hoe aorian'ny fanadihadiana no halefa ny taratasy fitakianketra? izany hoe resa be nambaboana fombahoaka ftsn daolo zany reny teny @ trezmé rehetra ireny? aoka marina :)


Ka zao ry ari-malala, na inona na inona izany lazaintsika eto dia tsy maintsy mandoa ny Groupe Tiko. Test ho an'ny dirigeant ao io raha tena :
- mahay mitantana (hitantsika eny hoe tsy niova ny puissance Tiko).
- na no-booster na ilay société (ho tratra eto ny marina amin'ny ilay hoe ara-dalàna na mody ara-dalàna).




15. essera ( 08/04/2009 11:16)
xxx:
"miezaha manpiatra ny tena fanarahan-dalàna aminizay" n'impôrte koi, ny fanjakana mijoro ary tsy ara-dalàna kou lalàna a lalàna, aza miteniteny foana fa mahamenatra


Rehefa nanao masque foana i Dada nampanara-dalàna ny olona moa izy manao bisou bisou minou minou tao ambadika dia tsy maintsy nofaranana ilay atao hoe :

fanjakana manara-dalàna ary tan-dalàna satria dans la coulisse jadona sy magouille avo lenta.

Anontanio an'azy ange fa sarotra be ny mi-convaincre anareo hoe efa be loatra ny tsy fanarahan-dalàna teo aloha nefa dia slogan an'ilay tolona hoe : "MANARAKA NY ARA-DALANA". Io izany no tena mendrika an'ilay n'importe quoi .

Rehefa azavaiko herinandro eo izay dia azonao vetivety kely.


:lol: :lol: :lol:

16. essera ( 08/04/2009 12:53)
Hamaranako ity sujet ity amin'ny fomba ofisialy dia hoy aho hoe :

Aza vonovonoina izany ny Groupe Tiko fa izy ihany dia mahavita mamono tena raha nanao dopage izy.
Misaotra tompoko.
17. ari.malala ( 08/04/2009 14:08)
Ka zao ry ari-malala, na inona na inona izany lazaintsika eto dia tsy maintsy mandoa ny Groupe Tiko.
izaho ts mandà mintsy hoe tsy tokony handoa hetra ny tiko! zà mpiasa madinika kely ty aza akàna irsa ny karamako ko manin izy orinasa ngeza b iny no tsy hakàna, fa ny toheriko d le fomba ratsy hoe robaina sy dorana d refa mba miezaka mi survivre sy mitsinjo ny mpiasa ao aminy sy ireo mpiara miasa aminy d gafiana! raha tena voaporofo fa ts mazava ny taratasin'ireny camions norobaina ireny d tokony ny taratasy no asaina régulariséna fa tsy ny entana ao anatiny no robaina! averimberiko foana fa na hamatsiany ny fihetsiketsehana eo ambohijatovo aza ny vola azo amireny anazy zany! otranareo hoe ze anaovanareo ny vola azonareo tsy idirandrakoto ts idirandrabe!!!! zao ndray ko tambatambazana hovohaina! mba tsmanankambo! aiza le vava be hoe na hamidy atao lavanty aza e! :-D
18. fijo ( 08/04/2009 21:17)
tsy misy manda ny handoavany,za koa dia isan'ny tena romotra raha naheno fa tsy nandoha hetra ny tiko.izy natao hitarika indray ve no nivaralila.amiko dia mila alohany izay tokony ho nalohany ary hatraminn'y farantsa farany.

saingy aoka kosa izy havela hiasa ,fa robana sy ravana lava izoa.rah aizoa moa ny tiko no mitaky amin'ny HAT koa hoe,avereno aminay ny vola vidin'ny simba rehetra tamin'ny 26 janvier no mankaty,di ainona no holazain'i zokely????
19. pitchou ( 08/04/2009 21:59)
dray! fijo! aoka kely klo le we simba t@ 26 janvier! fa iza no nampanokatra le magazay TIKO? be ny resaka mande momba an'iny! i dada aza mba isany! ko naona no tedaviana mbola iza ndray no handoa an'zany? tena avia ela aty mandoa ny hetran'lah raha zany kle!
fa aleo klo aloan'i tiko ny vola tokony aloan'ny @ fanjakana d hita eo, fa tsy we sokafy sokafy! refa nataon'ny tompon'ny tiko ze nanakatonana ny orinasa maro teto fa te hanjaka rery eto v izy d we tohano tohano, fa maninn rah ireny orinasa nianjadian'ny tsy rariny ireny no tohanana?
20. fijo ( 08/04/2009 22:14)
tamin'ny 26 janvier ,kosa ny tgv no nandroba sy namaky ny magro sns e.raha ireny no mba takian akoa ny hamerenana ny vidiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1613