Nampiseho ny vahoaka marobe Antsirabe manohana ara-dàlana

1. penguin ( 08/04/2009 05:55)
Namoaka ny vaovao tao Antsirabe ny TVM ary hisaorana azy satria tsy tankon'afenina fa heniky ny vahoaka nilahatra ny tananan'Antsirabe. Sahy mijoro ny vahoaka any satria ilay avy voaenjika nohon'ny fanjerana tetezana no miseho ho favy sy masina ary milaza tia hitantana ny tanàna. Azafady hoy Antsirabe fa hitanay ny vitany ary nanao izay ho afany ny Fitondrana Ravalomanana ka mijoro izahay. Koa lazao indray fa voakarama ireo vahoaka marobe nahafeno tanàna ireo ry TGVendrana a.
novalian'i pitchou ny 08/04/2009 22:26
2. tataka ( 08/04/2009 06:00)
Manga tanora no saina ahofakofan-dreo ary tena mahafinaritra satria tsy mandroba sahalan'ny fanaon'ny tarika FOZAORANA TGVENDRANA. Zanak'olona nandolo taty Andravoahangy ambony nanao T-shirt manga no nolazain'ny fozaorana hoe iny TIM fa daroy. Izany no teny hain'ny TGVENDRANA. Fampitahorana ary fandrahonana aminy no atao hoe demokrasia.
3. penguin ( 08/04/2009 06:15)
Ka ny fozaorana anie ry akama mitady hanaikitra ka HATAMBARO NY HERY TSY HO LANIN'NY FOZA E. =)) =)) =)) =)) Sady mihemotra no mihana zavatra tsy fihinana ka ny gadra no rehareha lazaina fampandrosoana an'i Madagasikara. Izao lasa adala satria mitady ny anjara toerany ao @'ny HAT koa ny silamo ka aleo hitonotonona Jesosy Kristy hatrany satria nolazaina vendrana sahala azy i Ravalomanana rehefa niteny hoe ANDRIAMANITRA. Izao fantany tsara fa Madagasikara iray manontolo ary ny Malagasy rehetra no resahina fa tsy ny Kristiana irery ihany. Vao nipoitra ty Coutiti dia nampiseho azy fa silamo be io ry fozaorana a.
4. essera ( 08/04/2009 06:34)
Ka izao izao ry Penguin sy Tataka, aiza moa ny tena lohan'ireto vahoaka tena maro be sy tena manara-dalàna ireto :
- Etsy Ambohijatovo ve sa ilay ni s'exiler ?
Manomboka misy mantsy ary tsy takon'afenina intsony izao ny incohérence eo amin'ny réalité sy ny dotandroka.

ahoana ilay nolazain'ny teo Ambohijatovo hoe vonona hifampidinika amin'ny teteza-mita tamin'ny tv maromaro omaly, raha ilay niteny an'io ihany afak'omaly no niteny hoe hanendry praminisitra ny filoha Ra8. Aza manjeny ny andro ho lava intsony fa ny tena eritreretina ho leader aza ange efa tena miova hevitra vetivety tsy fantatra hoe ahoana tampoka teo.
Lefy ho azy io ry zalah fa ny aty am ville aza ange efa mba fiarovana fiandrianan'ny tena no tsy mi-déclarer hoe tafa lisany ry tgvendrana na dia fetsy aza izahay.

5. xxx ( 08/04/2009 07:40)
de mieritreritra miitsy essera hoe tafa ry tgv a? 1volana raha ela indrindra dia miendaka teo io, ny grevy any bira sy eto tana ihany dia ampy
6. essera ( 08/04/2009 08:07)
xxx:
de mieritreritra miitsy essera hoe tafa ry tgv a? 1volana raha ela indrindra dia miendaka teo io, ny grevy any bira sy eto tana ihany dia ampy


Na izaho aza tsy nino hoe : "Le prédateur a été renversé par un coq Fataka et Vendrana".

7. locl ( 08/04/2009 08:46)
Hita fa vendrana ny TGV, ka basy sy tanky moa no nentina ka izany no nahafahana nandrombaka fahefana, fa raha samy vahoaka no teo...tsy nisy raha vita
8. reeves ( 08/04/2009 09:15)
Ny olona anie ry essera matoa tonga eo tsy voatery hoe manohana olona iray ka voatery hoe hiandry mpitarika foana e ! Institution no arovana fa tsy olona iray akory ! Ny antony mahatonga ny olona tonga eo dia tsotra : tsy eken`ny sainy ny hoe ity FATIM-BOTO rehetra manana basy ity ve dia afaka HANITSAKITSAKA NY SAFIDINY , safidy izay azo tamin`ny FIFIDIANANA DEMOKRATIKA sy MALALAKA tahaka izay hita any amin`ny tany normal hafa rehetra fa tsy hoe alaina AN-KERINY satria raha izany no ekena dia MIVERINA TAON-JATO maro any aoriana isika , tamin`ny andron`ny L`homme de la caverne . Question de principe izany fa tsy dia voatery ho resaka olona loatra !
9. penguin ( 08/04/2009 11:22)
Ampiako koa fa tsy andry tgvendrana fozaorana no nahatongavan'ny olona amin'izay alehany fa ny hijery Rossy na tsinjatsinjaka dihy vatan'ny hafa. Ity tena tsy fankasitrahana ity tetezamita ity ary fanajana ny ara-dàlana no ahatongavan'ny olona manaraka ny mpitarika ny ara-dàlana. HAKAMBANO NY HERY SAO LANIN'NY FOZA.
10. fijo ( 08/04/2009 22:04)
ny herisetra ry sera,dia mariky ny tsy fahampian tsaina.ka mba mandinika ihany
11. pitchou ( 08/04/2009 22:26)
ka tsy hitako mintsy klo ze tokony hampifamaly @ zany eo! mitovy fomba fiasa sy fomba fiady ra8 sy rasanga, ary tô mitovy hevitra kounkou aza! fa le pkona no tô miditra @ patalo tery! ny lesona azo tsoahana ngah d we tena misy tanora navita sy nahasahy nanohitra ny tsy mahatanty toherina eto de zay!
alohan'ny hiazana fozaorana d sô d mba tokony jerena iany we maninn no TIM no hazain-drizalahy? sô d mba valifaty ny nataon'ny TIM azy tany ho any zany? be iany ko manko ny resaka mande ... na d ny nahatonga ny sefo fozaorana (i rossy) norarana tsy hiverina teto azany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0449