efa teny an-dalana no niverina dia ho aiza indray ?

1. milamm ( 08/04/2009 05:45)
tsy atoro antsika intsony fa ho taizam-bazaha(frantsay) lava eny izany ny zanak'i Gasikara noho izao fiverenan-dalana izao,na dia efa nanana kara-panondro eran-tany nampahaleo tena aza 49 taona lasa izay dia ny reny malala no te handidy sy haka ny tombotsoam-pirenena ao Madagasikara.
Ireto goaika antitra ,ny zanak'i Gasikara sy lafrantsa lahimatoa ara-politika ny padesm izay niteraka ny AREMA dia tena nampitondra faisana tanteraka ny firenena nandritra ny 27 taona,sempotry ny fahoriana ,vono olona sy halatra fananam-bahoaka @ fomba rehetra ary nibabena trosa aman-jaotanany eran-tany.Na dia teo aza ireo Hery velona ny 1991 varavarana namoha ny lalan-kizony boky mena sy fitondrana jadona ara-miaramila dia tsy naharitra izany Efa nahatsapa ny vahoaka fa nila rivo-baovao ka tsy tonga izany raha tsy nandray ny fitondrana i Ravalomanana 2002,betsaka ny zavatra nareniny ary mivaingana niaraha-mahita teo koa anefa ny halemeny toy ny raharaham-barotra manokany nanodinana ny toekarem-pirenena sy ny roplana roa novidiany ary ny fikasany hampanofa tany midadasika ny koreana @ fifanarahana tsy ahazahoan'ny firenena tombotsoa mifanaraka @ izany. Tsy ho vita avy hatrany anefa izany tolona nantenaina izany fa lalana hitondra any @ tanjona no nasehon-dRavalomanana @ MAP dia nosetrasetrain'ny deba sy i andry indray ka simba,inona avy no mbola hiseho sy ho avy ?
répondu par ari.malala le 09/04/2009 05:42
2. milamm ( 08/04/2009 05:57)
Ny fanorenana ilay nosy iray tsy mivaky ny malagasy dia miainga @ lenta maro samihafa ,firaisan-kina,fihavanana ary ny fifanakalozan-kevitra
3. Oay ( 08/04/2009 06:22)
[quote=milamm]

4. ari.malala ( 08/04/2009 08:30)
Ataovy serieux kosa fa zay tsmila deba miverina kle! anisan'ny niaina tam fitondran'iny ah, vao teraka ah no efa teo am fitondrana in lelà iny ary tsy vitsy ireo izay mitovy taona amko no hilaza fa nangalatra ny fahazazanay iny lelà in! tsy mba nilalao toy ny ankizy rehetra izahay fa varina nilahabary sy menaka sy savony sy siramamy tany @ fokontany! izay ppn nilaina nilaharana daolo t@ andron'iny! izany ve no haverina! aoka iany! momba an'i andry rajoelina ndray, olona inexpérimenté iny amiko! tsy manana programa matotra amizay itondrana firenena fa de aongana alou ra8 d eo tsika maita izy, zay no fahitako ilay nataony teo. Tsy sanatria momba anra8 ah raha miteny izany, betsaka ny tsy mety nataony teto am firenena, isan'nizany ny hoe ny vahoaka noana mitofezaka moa izy mi se permettre mividy fiaramanidina sady mbola manambany olona iany koa...

Ny fanorenana ilay nosy iray tsy mivaky ny malagasy dia miainga @ lenta maro samihafa ,firaisan-kina,fihavanana ary ny fifanakalozan-kevitra
d vakio ny midi nivoaka androany :-D :-D :-D momba an'i zafy albert sy ny musulmans :-D :-D :-D :-D :-D ts sanatria io resaka fanorenana nosy tsy mivaky io no mahatapaka ny tsinaiko fa ilay toe-tsaina lasa nifindra hoe manao autoproclamation d lasa filou sa flou :-D :-D
5. rabaradaka ( 08/04/2009 09:34)
Kalama fotsiny dadatoa
6. milamm ( 08/04/2009 14:48)
ka le izy milamm tsara kalo mbola ho avy eo aho ry Oay satria betsaka ireo tsy fantatry oay @ tantara na izaho ko aza ,raha ny marina dia fito taona izany niainako raha ny vanim-potoana 1991 nionganan-dratsy iraka no resahina,fa ny zavatra resahiko rehetra eto dia zavatra fantatry ireo mpanao politika avo lenta an'i Gasikara tsindriam-porofo mazava izay tsy azo atao ririnin-dasa tsy tsaroana ireo lasan'ny tantara politika malagasy,savasavaina ny raviny ahitana ny voany ,hadihadiana ny fototry ny hazo ahafantarana ny faka itsiriany ary izaho no anisan'ny ilay mino fa mbola hisandratra i Gasikara nefa i A.toa Ravalomanana no tetezana hitondra antsika ho any ,raha fanohanana tsangan'olona toy izao lazain'i Oay izao nefa dia tsy fahalalana ny tantara marina kotrehin'ny politika malagasy ka tsy omeko tsiny.Ka tsy io andry racaille politque ampiasain'ny frantsay sy deba io akory no antsoina hoe fiovana fa mba misaina
7. ari.malala ( 09/04/2009 05:42)
milamm, ekena hoe mety ho tetezana nitondra nankany @ fandrosoana tokoa angamba i ra8, saingy diniho tsara fa tao anatin'izay 7 taona farany nitondràny izay d lasa nitontongana faran'izay ambany ny fari-piainan'ny ankamaroan'ny malagasy; nefa izy mbola sahy mi se permettre mividy rôpilanina! ts insulte hoan'ny vahoaka mahantra ve zany? firyfiry akory ny olona mitaraina fa forcény hoazy fotsiny izao ny tanin'olona? aizahoaiza amizay ilay fampanantenana hoe tsy haka ny an'ny efa manana fa hampanana ireo mbola tsy manana? ankoatr'izany ny fanambaniana olona tsy lazaina intsony! ts haiko enao na eto Madagasikara na any ampita, fa tsy nisy tsy nahatsiaro koa raha mbola olona eto Madagasikara ilay teny hoe ry zareo angamba no tsy zatra mitaingina rôplan! zany ve d teny tokony tenenina? mbola misy koa ny hoe raha mbola misy tany azontsika totofana d totofana foana! zany ve d teny tokony tenenina? aza d diso fanatik loatra hoà! za ts mankasitraka ary tsy mila mitns an tgv, fa ts tiko koa nefa ny nataon ra8. Fehiny, mila olona vaovao ny firenena, tsy olona efa hay laza koa nefa! zay no amerimberenako foana hoe ts mila deba na ekipan deba miverina ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0463