Manankery ve ny teny?
1. badboy
(
07/04/2009 11:23)
Iarahamahalala ilay tenin'i jaona hoe "ny teny tonga nofo"! Manankery ny teny izany saingy ny fametrahana ny herin'ilay teny ho masina na demoniaka na koa natioraly no tena olana!
Ry zareo eropeanina dia nandalina ilay hevitra 800 taona lasa izay ary nahatonga ireo vanimpotoana nifanesy tahaka ny "moyen-âge, renaissance..."!
Isika gasy tsy nandeha lavitra t@ ilay fandalinana ny herin'ny teny, fa avy hatrany dia nametraka hoe 1 ihany ny teny tsara dia ny baiboly!
Tsy misy ve noho izany ny teny natioraly na ny "incantation naturelle" fa tsy maintsy na hoe teny masina na teny demoniaka? :roll: :roll:

novalian'i soanja ny 13/04/2009 04:35
2. soanja
(
08/04/2009 00:24)
Mankasina tokoa ny teny. Tsy fototra anefa ny teny fa elanelana mampitohy ny saina na ny fo na fanahy izay iporian'ny teny ho zavatra mivainga hita maso na azo ampiasain'ny olombelona.
Raha amin'i finoana Xtianina ny araka ny fazahoako azy dia ireto telo ireto no misy: Ilay Nahary izay Andriamanitra Ray, ilay Teny ary ny zavatra rehetra misy ka nahatonga ny fisiana. I Jesoa no Teny ao amin'ny testamenta vaovao fa ny ao amin'ny testamenta taloha kosa dia ny fihariana ny zava-drehetra na hita maso na ny tsy hita izay lasa nisy tokoa rehefa avy niteny Andriamanitra Ray. Noho izany dia fahasoavana ny teny ary mirakitra fisiana.
Io Teny tokoa anefa raha raisina amin'ny Ntaolo Malagasy dia fandavorariana ny fisainana koa. Ny teny no solo milaza ny saintsika ao anaty. Izy izany no hanelanelana ny olona sy ny zavamisy. Ohatra hoe Ohabolana. Ny Razana no niaina sy nisaina azy ireo satria efa hitany izany, dia izy ireo milaza ny ohabolana avy amin'ilay zavanisy ary ny ohabolana anefa dia iainana sy ampiasain'ny taranaka amin'ny fiainana ka lasa mivaingana ho zavamisy na traikefa.
Raha ny mpandalina fiainana indray dia hoe Thoughts, Words and Creation! Ny zavamisy hitantsika rehetra dia vokatry ny saina nieritreritra azy avokoa ary matoa nisy dia notenenina sy nosoratana ary nohariana hivaingana.
Masina ny teny satria io no ahafahantsika rehetra mifandray! Io teny io ihany koa no mampivoatra sy mampitombo izay efa ananana. Toy ny ranombavaka: Sady mivavaka no miteny no mihamitombo ny finoana efa azo.
Nefa azo atao ifamonoana koa izy, izay no maha mpanelanelana azy.

3. ikaretsaka
(
08/04/2009 02:22)
Le teny dia miara minina @tsika fa tsy ampi nosoratana na natao hotsimponina
4. deric
(
09/04/2009 07:59)
OK! Tena manan-kery ny teny:
1- Io no meterialy nampiasain'Andriamanitra betsaka indrindra tamin'ny namoronana izao rehetra izao ( tamin'ny teny hoe: "Misia ny tany , dia nisy izany", Misia ... dia nisy izany...)
2-Ilay teny tonga nofo izay voasoratry Jaona fa Izy no nisiam-piainana, raha tsy izy dia tsy nisy ary izao rhetra rehetra izao. RAha jesosy no teny teny nofo mbola hanatsafana indray ve ny herin'io JEsosy io?
3-Raha tonga ilay kapiteny nilaza tamin'i JEsosy hoe marary ny ankizilahiny, nefa tsy nanaiky ny handehanany tany an-trano anefa ilay kapiteny fa hoy izy hoe: "mitenena fotsiny ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko" Sitrana tokony noho ny tenin'i JEsosy io ankizilahin'ilay kapiteny io.
4-Jakoba dia nanaoratra indra fa mahery vaika ny teny, ka na hanozonana na hirarian-tsoa.
tsy efa tsikaritrareo ve fa noho ny teny ihany dia mety hanova zavatra betsaka eo amin'ny fiaraha-monina?
Oh: ny teny ataon'ny sasany no mahatonga ny tahotra sy ny horohoro ho an'izay mandre azy.
mbola noho ny teny ihany koa no ahfahana mampahery ny ketraka sy ny kivy ary dia mandaitra tokoa izany.
5-Ekeko fa tena marina ny fivavahan'ireo sekta satria rehefa tonga ny fotoana hivavahana dia samy mamoaka ny ao am-pony fa tsy mionona amin'izay lazain'ny mpitarika, antony dia satria hahafahana mampiasa ny teny ka hanan-kery amin'izay ilana azy.
Ok! TEna manan-kery ny teny e!

5. coopsal
(
09/04/2009 08:51)
badboy:
Iarahamahalala ilay tenin'i jaona hoe "ny teny tonga nofo"!
==> Fa nialoha ny nahatonga nofo an'ilay Teny dia hoy i Jaona hoe : "Ary tamin'ny voalohany ny teny, ary ny teny dia tao amin' Andriamanitra, ary ny teny dia Andriamanitra"
badboy:
Manankery ny teny izany saingy ny fametrahana ny herin'ilay teny ho masina na demoniaka na koa natioraly no tena olana!
==> Araka ilay tenin'i Jaona ihany, Tompon'ny hery ny teny. Satria hoy ihany izy hoe "Izy no nisiam-piainana, ary tsy nisy zavatar ary raha tsy izy".
badboy:
Ry zareo eropeanina dia nandalina ilay hevitra 800 taona lasa izay ary nahatonga ireo vanimpotoana nifanesy tahaka ny "moyen-âge, renaissance..."!
==> Ny olona mangetaheta tsy mila mandalina hahafantatra hoe : H²O ny rano vao afaka hisotro sy ho afaka hetaheta. Toy izany ny Teny (izay nolazain'i Jaona), tsy mila mandalina (toy ny hoe 'trinité') vao afaka hahatsapa fahafaham-po amiNy, mila mino.
badboy:
Isika gasy tsy nandeha lavitra t@ ilay fandalinana ny herin'ny teny, fa avy hatrany dia nametraka hoe 1 ihany ny teny tsara dia ny baiboly!
==> Na ny Baiboly aza tsy milaza ny tenany ho "ny Teny (tsara)". Ny Baiboly dia Soratra Masina, manambara an'i Jesosy, ilay Tenin' Andriamanitra velona, ilay teny izay Andriamanitra, tonga nofo ka nonina tety.
badboy:
Tsy misy ve noho izany ny teny natioraly na ny "incantation naturelle" fa tsy maintsy na hoe teny masina na teny demoniaka? :roll: :roll:
==> Raha tsy diso aho voa-janahary no fandikantsika an'io natioraly io. Moa misy zavatra ary tsy noforonin'ny Zanahary ve?
6. ikaretsaka
(
09/04/2009 17:37)
Ny Teny efa tonga NOFO avy eo tonga Mofo..ary eo amintsika lalandava..mahavita alakamisy masina soa aby
7. badboy
(
09/04/2009 18:09)
Raha azoko tsara ny voalaza etsy ambony dia natioraly ny teny sady avy @ Atra irery ihany. Mahagaga anefa fa ny zazakely dia n'y RR sy ny manodidina no mampianatra azy miteny fa tsy tonga ho azy, ary voaporofo fa tsy niteny ny razamben'ny olombelona. Tena natioraly ve izany ny teny sa ianarana vao hay?
8. soanja
(
09/04/2009 19:32)

Hay ny ara-batana sy ara-tsaina no tian'i Badboy ho fantatra?
Tena tsy natoraly ny teny amin'ny olombelona ka. Mila ianarana tokoa raha toa ka te hifandray isika samy olombelona.
Mbola menavava ny zaza dia efa tokony hiaina ao anaty teny, na mbola any ankibo akory aza. Zany hoe ny manodidina azy no miteny dia izy mihaino. Efa voajanahary ao aminy anefa ny fisian'ny sponjy fandraisana ny teny ao anaty atidohany ka arakaraky ny hisinan'ny teny betsaka manodidina azy vao maika mihamibontsina na hoe mitsiry ireo neurons na hoza-tsy-hita-maso mampisandrahaka ny fifandraisana ao anaty atidoha ka mahatonga ny zaza hanana fahafahana hiteny rehefa efa avy mianatra mibadabada izy mifandray amintsika aloha. Zany hoe arakaraky ny ifandraisan'ny zazakely amin'ny ety ivelany na ny manodidina azy no itombohan'ny atidohany hanana teny isan-karazany sy ho matsilo foana handray izany. Efa voajanahary ao amin'ny olombelona ny mianatra satria izay no mahaolona azy saingy ny fametrahan'ny olon-dehibe sy ny rehetra mifandray aminy ny manodidina ho lavorary amin'izany no ahafahany hahalala bebe kokoa na kely satria tsy afaka ny hahalala zavatra tsy hitany sy niainany ary efa niodinany izy.
Manomboka amin'ny 2 taona eo ho eo ny zaza vao afaka mieritreritra sy mandinika ary mahavita mamaha olana mampiasa saina. Ny alohan'izay dia somary instinct daholo no misy saingy misy tokoa ny zaza matsilo mahavita alohan'io taona io fa vitsy.
Hoy i Lev Vygotsky's theory izay hoe mila ny fampianaran'olon-dehibe na ny lehibe noho izy ny zaza iray vao afaka miakatra ambonimbony kokoa ny fahaizany. Io ilay zone of proximal of development. Avy eo amin'izay izy dia manao ny scaffolding ka izay no mahatonga azy manontany foana hoe fa nahoana ny toy izao sy izao satria mitady fanakarana ny atidohany ary farany dia miezaka amano private speech izy ka ao antsainy amin'izay ny betsaka fa tsy voatery miteny intsony izy mamita ny asa iray na fianarana iray na mamaha olana iray.
Raha fintiniko izany dia zavatra goavana indrindra amin'ny atidoha ny fisian'ny teny eo amin'ny manodidina azy mba ahafahana mivoatra sy mitombo. Raha tsy misy ny teny amin'ny manodidina ny zaza iray dia tsy mitombo firy ny atidohany ary mety ho sembana ara-tsaina izy. Io tsinona no mahaolombelona. Raha miara miaina amin'ny biby ny olombelona iray hatramin'ny fahakely ka lehibe dia mazava fa fianana biby no iainany ary tsty hanana teny izy fa hanana fihetsika sy afaka misaina fa voafetra.
Noho zany films fotsiny zany ry tarzan sy ry jungle boy sns.. ireny fa ny tena izy efa voadiniky ny siansa avokoa! Eny manan-kery lehibe ny teny!
9. ikaretsaka
(
09/04/2009 20:22)
badboy:
Raha azoko tsara ny voalaza etsy ambony dia natioraly ny teny sady avy @ Atra irery ihany. Mahagaga anefa fa ny zazakely dia n'y RR sy ny manodidina no mampianatra azy miteny fa tsy tonga ho azy, ary voaporofo fa tsy niteny ny razamben'ny olombelona. Tena natioraly ve izany ny teny sa ianarana vao hay?
ah... ilay teny "vehicule" entina "mifanerasera sy mampita ny "feeling" kay ve ny fahamaritana ny hoe "teny" tian'i badboy hahatongavana e!
tsy parole fa language raha azoko tsara!
raha tena samy zazakely anankiroa tsy mahay miteny tokoa ve no apetraka amina ile deserte iray dia hoe tsy hitenenanana mihitsy (fa kosa hananteran-kanina sy karakaraina rehefa mipipi sy mikapa. sns...) fa izy no mi debra eo... mety hifankahazo resaka ihany izy mitsam an
10. fijo
(
10/04/2009 20:54)
manankery ny teny,fa ny fanerena hoe ,ny teny manankery dia ny baiboly,io ilay hantsoin ahoe "fanjanahana"
11. badboy
(
11/04/2009 04:27)
Raha tsy misy ny langage tsy misy ny parole satria ny teny iraisana no ahafahana mifankahazo sy mifanerasera. Ary ny fifaneraserana no mampivoatra ny fomba fijery sy ny fisainana satria ny tsara @ sivilizasiona 1 mety ho ratsy @ sivilizasiona hafa. Ny olona izany dia manana anjara sy andraikitra lehibe @ famaritana ny tsra sy ratsy ary ny teny no iandohan'izany.
12. soanja
(
11/04/2009 22:10)

Raha ny ara-tsaina sy ara-piarahamonina no hiejerana azy dia ok io voalaza io. Fa raha kosa ara-pinoana dia Ny teny no entina mampiakatra antsika hivoatra ahita ny fahamarinana izay tsy aiza fa ao amin'i Kristy. Mila manao tonom-bavaka mihitsy isika. Mila miresaka amin'Andriamanitra mba hisian'ny fifohazana bebe kokoa. Mangataha dia omena hoy Andriamanitra izay: mampiasa saina, feo, ary fo avy amin'ny olombelona ireo ary Izy Andriamanitra kosa hanatanteraka izany ara-panahy!
Izay aza no tena maha zava-dehibe ny fisian'ny MITENY AMIN'NY TENY TSY FANTATRA! izay inoako fa mbola tsy voazavan'i siansa hatramin'izao nefa misy.
13. ikaretsaka
(
12/04/2009 14:23)
badboy:
Raha tsy misy ny langage tsy misy ny parole satria ny teny iraisana no ahafahana mifankahazo sy mifanerasera. Ary ny fifaneraserana no mampivoatra ny fomba fijery sy ny fisainana satria ny tsara @ sivilizasiona 1 mety ho ratsy @ sivilizasiona hafa. Ny olona izany dia manana anjara sy andraikitra lehibe @ famaritana ny tsra sy ratsy ary ny teny no iandohan'izany.
fa inona aloha no tena dikan'ny language sy parole sy ny maha samihafa azy , mba hahafahana milaza ny fifampiankinany?
amiko manko ny fototr'izy rehetra dia ny hevitra: idee!
ny parole e..language e.. dia fitaovana fotsiny (vehicule)
tadidio fa raha manana hevitra ny olona 1 ka tiany hampitaina iny de tsary voatery hiteny (words) foana raha te hampita izany @ hafa:
azo atao @ alalan'ny fampiasana ny sary sy mozika ohatra!... misy zavatra (idee) anao tianao hampitaina @ mpihaino sy ny mpijery.. dia entinao ny plans (sary) sy ny gitaranao
parole ve ireny, teny ve ireny?
izay no ilazako hoe farito mazava aloha !
14. pitchou
(
13/04/2009 03:46)
araka ny fiheverako azy dia ny teny no voalohany nisy. Satria ny Teny no nahariana izao tontolo izao. Manan-keryt lehibe izany ny Teny. Ary raha mpino inaoa, dia manitatra hoe: raha ny Teny no nahariana izao tontolo izao, dia mety ho Andriamanitra izany ny Teny.
Dia raha ety an-tany indray: ny teny no mampihavana na mampifandrafy ny olona. Manan-kery lehibe izany ny teny.
Endrika isehoan'ny teny daholo izany parole ... langage .. sns izany. Ikaretsaka miteny hoe "idée", nefa amiko na tsisy idée aza misy ny Teny (abstrait).

15. soanja
(
13/04/2009 04:35)
ikaretsaka:

namaste!