Inona no tena marina: gadra politika sa gadra mpanao politik

1. bozyboleta ( 07/04/2009 08:21)
Efa nandrasako elaela mitsy taorian’ireny nivoahan’ny voafonja ireny vao manao ity loha-hevitra ity aho; mba ahafahana mijery izay mitranga taorian’ireny zava-niseho ireny.

Fampahatsiahivana kely:
T@ 26/03 no nivoaka ny lisitr’ireo gadra “politika” 28 nohafahana taorian’ny famotsoran-keloka nomen’I tgv.
T@ io dia nanambara ampahabemaso reo gadra “afaka” 28 reo fa ho mariky ny firaisankina @ namany 13 hafa dia tsy hiala teny @ resto gasy toerana nitazonana azy izy ireo.
Taorian’io daty io dia nanomboka nifamahofaho @ zay ny zava-niseho.
Tsy hay hoe oviana marina moa izany ry voninahitsy, ry pety, ry jly fidy sy ry bôlô no niala tao @ resto gasy fa dia hita niriaria hatreny Ambohijatovo (nanao famoriam-bahoaka) ka hatreny Ambohitsorohitra (nisaotra an’I tgv) sy Antanimena (ni-konfesy t@ odon ve???) ry zareo na dia mbola heverina fa mbola nijanona tao aza reo namany sasany. Nankaiza zany le firaisan-kina nolazaina teo? Farany moa dia tonga tany Fianara sy Mahajanga ihany naterin’I tgv.
Ry coutiti ndray koa dia tsy hay hoe nisy didy sy lisitra vaovao indray koa ve nivoaka taorian’iny 26/03 iny mikasika azy ireo ary oviana no niala tao @ resto gasy reo. Fa dia iny izy naterin’I tgv tany Antsiranana iny indray vao fantatra ny momba azy. Ny namany moa tsisy resaka.

Ny nahagaga dia tsisy gazety nahazoam-baovao mikasika ireo lazaiko ireo. Ny fitanisana ny helok’ireo “gadra afaka” koa tsisy nanao mba ahafantaran’ny besinimaro hoe inona marina moa no helok’ireo olona ireo ka nahatonga azy ho nalefa tany Tsiafahy sy Antanimora.
Matahotra koa ve ny mpanao gazety sa manampy hikosoka ny tantara?
novalian'i fijo ny 07/04/2009 22:17
2. Mirananirina ( 07/04/2009 08:53)
Ka ny marina tsy hiseho e.Efa harahamaso ny mpamoka vaovao
3. Oay ( 07/04/2009 09:11)
Mirananirina:

Ka ny marina tsy hiseho e.Efa harahamaso ny mpamoka vaovao

Aza manahy fa minoa fotsiny ihany ry Mirananirina a!
D tsarovy fa ny harena toa ny zavona ka androany ireo (Ny TGV io an) manana fa rahampitso ireo d mety ho bankiropotra, jereo ny nahazo an'i dada é! i dada no nolazaina hoe olona manankarena indrindra teto Madagasikara izao anefa tsy nahatondra na singana biriky iray lasa any Swaziland any, tsy afaka manakana akory ny fanankatonana ny orinasany!
Fa sambatra izay mitoetra eo @ Ray satria tsy hananjava mahaory!
Ny ahy izao ny vavaka ataoko d mba hiverina hanompo an'Andriamanitra i dada fa tsy hanompo vola intsony satria efa voalaza fa ho mora @ rameva ny fidirana @ vodifanjaitra fa ho sarotra ho an'ny mpanankarena ny fidirana @ fanjakan'ny lanitra. Mino aho fa efa kopy tsara i dada ao an-dapa ao Swaziland ao ka!

4. xxx ( 07/04/2009 09:13)
tsy mbola nisy didy namoaka an'i kotity izany fa reseidence surveillée any atsiranana izy izao,ka na izany aza mbola tsisy didy ihany koa fa tamin'ny dian'Ingahy Andry Rajoelina tany avaratra no niaraka taminy ingahy colonel assolant kotity malaza ratsy :p :p :p
Ny amnistie tadiavin'dry AREMA sy ry Olala dia mbola miandry ordonnance havoakan'ny filohan'ny HAT nefa raha i ratsirahonanan tsy hanao an'izany mihitsy aloha satria izy anie ka anisan'ireo nipetsa tamin'ny nampidirana amponja andry Pierrot rajaonarivelo sy ny klikiny ireo e
5. andrywui ( 07/04/2009 09:35)
Tamin'ny Ravalomanan tonga teo amin'ny Fitondrana tam 2002 koa anie ry akama ka namoaka ireo dahalo sy mpanao afera sy mpamono olona zay voatazon dratsiraka rehetra tao e!! zavatra efa fanaon'ny tonga eo amin'ny Fitondrana zany fa tsy zavabaovao ka tsy hitako ze mampiakatr'evitra angah be toy izao !!! sa ve zao nareo vao naheno sy nandre anzany ????
6. papala ( 07/04/2009 09:36)
matahotra i andry tgv de reo gadra ireo aloha no tsy maintsy navoaka mba hanamafisana ny toerany. FA TENA FANJAKAM-BOTO SY BAROA!
7. xxx ( 07/04/2009 09:40)
hoy wuiwui n

Tamin'ny Ravalomanan tonga teo amin'ny Fitondrana tam 2002 koa anie ry akama ka namoaka ireo dahalo sy mpanao afera sy mpamono olona zay voatazon dratsiraka rehetra tao e!! zavatra efa fanaon'ny tonga eo amin'ny Fitondrana zany fa tsy zavabaovao ka tsy hitako ze mampiakatr'evitra angah be toy izao !!! sa ve zao nareo vao naheno sy nandre anzany ????

tsy fantatry ny tim zany ry wuiwui fa ny hamely ny tgv iany no tiany hatao a, zay tantara efa lasa tsy tsaroany
8. Oay ( 07/04/2009 09:44)
xxx:

Tsy hoe tsy fantatra ilay izy fa mba ririnindasa tsy tsaroana é! sady efa manomboka mahazoazo taona d efa somary miverintsaina fa aza omena tsiny é!

9. Mirananirina ( 07/04/2009 09:49)
Aza manahy fa minoa fotsiny ihany ry Mirananirina a!
D tsarovy fa ny harena toa ny zavona ka androany ireo (Ny TGV io an) manana fa rahampitso ireo d mety ho bankiropotra, jereo ny nahazo an'i dada é! i dada no nolazaina hoe olona manankarena

Ka izay ilay tsy hanaovan-dratsy,ny atao no miverina,mbola arahany tgv ihany ,nefa hita fa ratsy.
10. bozyboleta ( 07/04/2009 09:51)
Iza avy le dahalo nivoaka t@ zany fa mba tsy naharaka ndray zay?

Ny anton'ny fanontaniako @ lohahevitra dia satria raha ny fahafantarako ny heloka nataon'ny maro t@ ireo gadra afaka ireo dia tsisy ifandraisany @ politika hoe resaka fanohintohinana ny fanjakana na fiandrianam-pirenena.
Raha ry jly fidy sy bôlô dia fanakorontanana fanjakana, mety ho azo ekena ny maha-gadra politika azy.
Halatra ny an'i pety, fanaovana kolikoly ny an'i vonimbozaka, famonoan'olona ny an'i kotity,... dia avela hiriaria daholo zany reo @ zao.
Fa natao ho an'ny mpangalatr'akoho irery ihany zany ny fonja.
Zao ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery feno jerem-potsiny.
Itony aza moa ny maramila gasy mina-taiparasy nangala-pinana tany @ TIKO tazanim-potsiny koa.
11. Oay ( 07/04/2009 12:45)
bozyboleta:

Fa natao ho an'ny mpangalatr'akoho irery ihany zany ny fonja.
Zao ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery feno jerem-potsiny.
Itony aza moa ny maramila gasy mina-taiparasy nangala-pinana tany @ TIKO tazanim-potsiny koa.

Neny a! aza mikorapaka fa milamm fotsiny d misesy é! efa hanendry praiminisitra izao i dada! fa izao atovy manaitaitra fotsiny ny lohaten'ny afisy apetrak'i neny fa mitady tsy ho taitra ilay essera!

12. bozyboleta ( 07/04/2009 13:30)
Tsy maninona zay tsy taitra.
Tsy fombako ny manao balarora tsisy dikany, ôtran'ny tsy mba hamaliko dinika tsisy dikany.
:lol: :lol: :lol:
13. Oay ( 07/04/2009 13:37)
bozyboleta:

Tsy maninona zay tsy taitra.
Tsy fombako ny manao balarora tsisy dikany, ôtran'ny tsy mba hamaliko dinika tsisy dikany.
:lol: :lol: :lol:

Misaotra neny a! ôtranizao mahintsy ny valiteny tsara! sady ilay titre an'ilay afisy napetak'i neny misy dikany bdb d tsy hitan'i le essera izay lazaina.
neny a! saika adinoko ny hafatr'i dada avy any andapa manao hoe mahereza fa ho avy dada hitondra mofomamy hono izy!

14. fijo ( 07/04/2009 22:17)
izao anie no atao hoe firenena jaojoby e.izany hoe(samy mandeha samy maka izay tiany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0472