hay ve mba miheritreritra ihany ee !!!

1. Noue ( 07/04/2009 07:14)
toe maimay ery oe akatona ny orinasa Tiko, zao indray hita fa tsy mahomby ny tetika fa ho kila firehitra eo oa nihafarany eee !! dia ho sokafana indray zany ny Tiko! Aiza koa moa ee ! mba rariny ve ny hanidiana an'io?

Comme il s'agit d'un fleuron de l'industrie malgache avec 3 500 emplois directs et près de 100 000 emplois indirects, les conséquences de la fermeture du groupe s'avèrent un coup dur pour l'économie.

sa efa tena ritra ny vola nividiana ny capsat sy ny forongony ka @ fomba ahoana no handohavana ny karaman'ireo mpiasa mpanjakana, ary ireo olona firy no very asa?
zany ny aina ka te hanao !! :-D :-D :-D :-D

http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=25612

novalian'i fijo ny 08/04/2009 21:24
2. xxx ( 07/04/2009 08:29)
Zah vendrana ity aza kopy ihany fa raha misy olana @ hetra ny an`ny TIKO , tsy ny fanidiana azy no vahaolana fa ny fahafahany miasa satria raha tsy miasa izy aiza no hampidirany vola handoavana ny arrièré fiscal-ny ? Raha robaina izay zava-bitany na simbaina ny fitaovam-pamokarany ( toy izay nataon`ny CAPSAT ) , ahoana ny fomba hahafahany mamokatra ? ary ahoana ny ho avin`ireo Mpiasa sy ireo Tantsaha marobe izay mivelona amin`ny TIKO ? Ireo tantsaha izay tena nahita tombo-tsoa tam`Ra8 satria tena niasa mafy fa tsy mba toy ireto fozaorana miandry tolorana lava raha tsy zany dia hanendaka sy handroba no atao anton-draharaha , miandry solution de facilté lava . Tsy mba nosainin`ireto fozaorana HAT ireto akory ny hoe ny herin`ny toekarena anie ka avy amin`ireo Orinasa tsy miankina mitambatambatra ka raha akatonao ny orinasa marobe na doranao nohon`ny fifanenjehana Politika tsy misy dikany ery dia ho osa ny toe-karena ary ny vahoaka ihany no ho sahirana . Efa tsikaritra amin`izao fa hiakatra be ny vidim-piainana atsy ho atsy fa satria io tsy vitan`ilay sarintsarina fampidinana vidin`entana hatao bontoloa fa tsy maintsy hanaraka ny lojika ekonomika , be dia be ny ho very asa sy ny orinasa hikatona ( fijanonan`ny MCA , sy ny AGOA ...) noho izao zavatra ataon`ny HAT izao koa dia efa afaka mitehaka sahady isika rehetra fa nahay be ny TGV , deraina sahady ny CAPSAT nahavita ny adidiny tamin`ny fanonganam-panjakana ary inoana fa efa nahazo ny VOLABE tambin`izany , misaotra ireo miaramila sy ny mpitandro filaminana rehetra mitazam-potsiny ary tsy nandray andraikitra manoloana izany zavatra izany , mitehaka anareo ny vahoaka fa tena mendrika anareo tokoa ny volam-panjakana omena anareo !! Dia samia ho ela velona hahita ny tohin`ny tantara isika mianakavy !
3. irihat ( 07/04/2009 08:37)
za koa aza efa saika hanao an'ity ho sujet vaovao kay efa nisy nanolotra. Ka tena may ny endim-boanjo satria raha mikatona marina io de ho feno mpanendaka sy mpamaky trano ary dahalo sy cox ny firenena malagasy 135.000 chômeurs zany + ireo efa tsy an'asa. Ka tsy izany koa fa na izy ministra aza tsy mahavidy ilay menaka olive 60.000fmg ny bouteille nefa menatra koa ny hilahatra tapak'andro. Ka na ny fianakaviany koa aza anie mba misy miasa ao koa e (ny zanak'anabavy ohatra).

Hay va re ka misy impact eo @ economie malagasy ny fanakatonana an'io orinasa maty enjika io e!!!!!!!!!

Fanga izany ihany fa betsaka ny capsat ao @ toby de tsy maintsy omena sakafo ireo ka raha mikatona ny tiko de tsy misy camion horobaina intsony. Mbola etsy ankilany koa ny menaka amidy 12.500Fmg ny litre. Menaka Tiko anie io e. Raha importé io tsy marina. Vao 1 mois androany no nahateo azy ve de ahoana no maha importé an'io?! Ny transit time raha Fos-sur-mer fotsiny no 21 jours + transaction commerciale ....

Esy e ra-HAT e.
4. Mirananirina ( 07/04/2009 08:59)
Ka efa hoe miandry volan'ny vazaha hono e,hanavotana ny firenena :(
Nefa tsy hohitan'ny vahoaka izany avy eo.any ampaosin-dry zalahy.
5. andrywui ( 07/04/2009 09:42)
hoy mirana

any ampaosin-dry zalahy.



io ndray fa mamorona ,, mahita volana mialohan'ny habib !!!
6. Mirananirina ( 07/04/2009 10:02)
io ndray fa mamorona ,, mahita volana mialohan'ny habib !!!

tsy mamorona mihitsy za,fa tsy maintsy io foana no fandehany hatrizay ka hatramin'izao.manana manana ihany;ny mahantra mahantra ihany.IZA no afaka hanova io?Andrywui,essera,sa iza................
7. fijo ( 07/04/2009 22:23)
ka ny dg ny tiko izoa no toa nilaza fa hoakatona ny tiko fa tsy hafak ahiasa intsony
8. nancy ( 07/04/2009 22:48)
Governemanta tsy mana-kambo anie e. Ny haka toerana fotsiny fa kay tsisy afitsoka akory...
Hidiana ny tiko, avy eo indray tsy hidiana ny tiko...
Raha mahay maninona tsy manamboatra dia mifaninana amin'ny tiko fa ny zavatra efa vitan'ny olona ihany nefa no ampiasaina....dooooonto oa e.

9. ravonjison ( 08/04/2009 16:45)
Efa hita fa fitondrana tsy misy saina, araka ilay lohateny atsy ambadika atsy.
10. fijo ( 08/04/2009 21:24)
hihihi mampalahelo izany ,fa di aentin'ny tsy misy saina ny gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0589