ny fitiavana sy ny fanabadiana angamba noforonina e?

1. sitlo ( 06/04/2009 21:06)
Rehefa nandinika aho dia ohatra ny tsy misy izany tiana izany fa safidy no izy. Izany hoe misafidy ianao hoe itsy no milailay dia miaraka amin'iny. Dia raha sendra nifanojo ilay safidy dia atao hoe mifankatia.
Izany hoe raha tsy nisy an'iny olona iny teo dia olon-kafa no niarahana.

Ka raha izany nahoana no iray ihany no safidiana?
novalian'i sitlo ny 16/04/2009 06:37
2. soanja ( 06/04/2009 23:37)
sitlo:

Rehefa nandinika aho dia ohatra ny tsy misy izany tiana izany fa safidy no izy. Izany hoe misafidy ianao hoe itsy no milailay dia miaraka amin'iny. Dia raha sendra nifanojo ilay safidy dia atao hoe mifankatia.
Izany hoe raha tsy nisy an'iny olona iny teo dia olon-kafa no niarahana.

Ka raha izany nahoana no iray ihany no safidiana?

Ilay safidy angamba eto hoe hiaraka sa tsia. Zany hoe tsy hoe misy roa na telo eo amin'ilay safidy resahina fa hoe afaka hiaraka ve sa tsia. Miankina amin'ny zavamisy miseho eo no ametrahana ny safidy.

Ohatra hoe tsara tarehy i Bakoly, mahay zavatra be dia be saingy satria tsy Betsimisaraka izy dia noho izany tsy hanambady azy aho. Ilay hoe Betsimisaraka sa tsia izany no ipetrahan'ny safidy.

Misy tokoa anefa ny safidy ao anatin'i maro ary amin'io dia misandrahaka izany ny fitiavana raha izay. Zany hoe misy olona iray manana PhD saingy sarotra be ny manome azy fafinaretana ohatra. Misy ny iray indray tsy manana BEPC ka mety hovelomina fa anefa tsara tarehy be tsy misy ohatr'izany. Ao indray ilay be vola be sady ngetroka ny dadany saingy mampifilafila tokoa.

Eo no misy hoe iza no idirana? Izay hidirana no safidy.

Misy koa anefa tena hoe ilay olona nonofisina mihitsy hatramin'izay no tonga manoloana anao eo tsy nokatsahana akory! Tsy misy resaka iny fa tonga dia raikitra. Tsy nisafidy mihitsy teo fa ny razana no nanesika azy.

Samihafa ny fisehon'ny fiainana fa tsy ho lasitra iray daholo akory!

3. aikon ( 07/04/2009 07:09)
salut toi
tsara angamba raha
azavaina kely ny antony
mety mahatonga ny fitiavana
1)voalohany dia avy @ alalany fahatsapana
no mahatonga ny fitiavana izany hoe mampitsiry sy
mampitomboizany ao anatin'ny olona iray
ny fahatsapana dia matetika dia avy amin'ny
fahitana zavatra iray no iatombohany
izany hoe izao :miainga avy @ fahatsapana sy fahitana izy io
ohatra mikasika ny fahatsapana
misy olona iray nanao soa anao de lasa tia azy ianao
na koa hoe mahita zavatra ianao dia lasa tia ilay zavatra ianao
arakaraka ny fahaizanao sy ny fahalalana ananao koa izay anefa no afahanao mamaritra ilay zavatra ho tsara sy ratsy
ka noho izany tsy afaka ny hitia zavatra tsy hitanao sy tsy tsapanao ianao
dia izay no antony mahatonga ny fitiavana
asa na mazava aminnao ny tiako ambara
mrci
:idea:
4. Mirananirina ( 07/04/2009 09:22)
Ka raha izany nahoana no iray ihany no safidiana?

Mahazo maka 2 na 3 ianao raha velonao daholo e.
5. sitlo ( 07/04/2009 18:03)
soanja:
Eo no misy hoe iza no idirana? Izay hidirana no safidy.

Izay mihitsy ilay safidy teneniko hoe diso fipetraka. Tokony 4 no safidy eo: tsy misy sa itsy sa itsy sa izy roa, fa tsy hoe itsy na itsy fotsiny. Raha amin'ny math izany dia partie no isafidianana fa tsy element.

aikon> eo indrindra ilay teneniko, hoe raha ohatra ka betsaka ilay fahatsapana hitanao dia nahoana no iray ihany no alainao?

Mirananirina> amin'izao angamba tsy misy resaka velomina izany intsony sa ahoana?
6. soanja ( 08/04/2009 05:02)
sitlo:

soanja:
Eo no misy hoe iza no idirana? Izay hidirana no safidy.

Izay mihitsy ilay safidy teneniko hoe diso fipetraka. Tokony 4 no safidy eo: tsy misy sa itsy sa itsy sa izy roa, fa tsy hoe itsy na itsy fotsiny. Raha amin'ny math izany dia partie no isafidianana fa tsy element.

Ny fitiavana koa anie ka tsy hoe efa mitombina ao an-tsaina ka statika fa miovaova toy ny marimpanam-batana e. Arakaraky ny zavatra hitan'ny maso ny tsapan'ny saina no mamorona ny fitakiana na ny filana ao anaty fo sy saina. Ny fivezivezin'ny ra ao anaty lalandra mitondra any amin'ny fo no mitarika no fitempony, io anfe baikon'ny atidoha. Mbetika ny sainy mitaky filaminana nefa ny vatana sy ny fo mitady savorovoro. Ao indray ny taitaitra sy ny tia kisendrasendra. Ao koa ilay hita matetika no lasa fitiavana satria io no hita. Ao ihany aloha ny be planina ny ahy sady volony no taviny ihany fa ireny tsara zanaka sns... fa ilay eritreretina mialoha io ilay antsoina hoe nofy mivaingana, irina sns.. . Izay indraindray zary tenany ihany raha tsara vintana ilay olona. Vitsy tokoa anefa io fa tsy ho tsisy.

Sitlo> Betsaka ny olona fantatro amin'izao fotoana tsy mino ny atao hoe fanambadiana satria io fanontanianao io no mitoetra aminy. Zavamandalo ny zavatra tsapa (fihetsempo) fa ny ankoatr'izay dia fanamboaran-tsaina avokoa! Mahereza mitady ny soa.

7. Zina ( 09/04/2009 02:29)
Ny fitiavana dia avy @ Andriamanitra napetraka /mitsiry ao am-po tsika. Andriamanitra dia fitiavana.
ny mariazy ndray dia institution izay nomen'andriamanitra an-draolombelona nanomboka tao @ jaridaina ny Edena.
8. xxx ( 09/04/2009 09:56)
sitlo:

Rehefa nandinika aho dia ohatra ny tsy misy izany tiana izany fa safidy no izy. Izany hoe misafidy ianao hoe itsy no milailay dia miaraka amin'iny. Dia raha sendra nifanojo ilay safidy dia atao hoe mifankatia.
Izany hoe raha tsy nisy an'iny olona iny teo dia olon-kafa no niarahana.

Ka raha izany nahoana no iray ihany no safidiana?

Dia nankaiza ilay coup de foudre ??? Ilay midobodoboka be iny ?
T@ izahay mbola tanora dia nisy hoe "tsy fidiny ho ahy anie fa niantoraka tany @ Anona ny fitiavako e "
9. Mirananirina ( 10/04/2009 13:31)
Mirananirina> amin'izao angamba tsy misy resaka velomina izany intsony sa ahoana?

Raha maro ,mila manambola ianao ka. :) :) :)
10. Koditra ( 13/04/2009 18:42)
sitlo:
Rehefa nandinika aho dia ohatra ny tsy misy izany tiana izany fa safidy no izy. Izany hoe misafidy ianao hoe itsy no milailay dia miaraka amin'iny. Dia raha sendra nifanojo ilay safidy dia atao hoe mifankatia.
Izany hoe raha tsy nisy an'iny olona iny teo dia olon-kafa no niarahana.

Ka raha izany nahoana no iray ihany no safidiana?
@ ankapobeny dia samy depara @io daolo kalou, zany oe efa samy manana ny domaine de définition-ny aby any anatiny any daolo alou ny tsi11, ra misy 4 isafidianana eo dé zé mahazo point betsaka indrindra no iantefan’ny safidy (ohatra oe lava volo, taille manequin, maranidranit’endrika, zarazara fiodirana, manana CEPE sns ... arakaraky lé domaine de définition).
Raha raisina hoe 100 ny fitambaran’ny point tokony omena ilay olona nefa dia ny 20 iany farafahabetsany no azo omena mandritran’ny safidy fa ny sisa omena mandritran’ny fiarahana, manomboka mahita @antsipirihiny @zay aveo (toetra, fahazarana, sns ...), raha mitombo ny point dia miroso @ fanambadiana.
Ny olana dé ny oe raha tsy nitombo ary lé point nandritran’ny fiarahana ? Mety oe kay mahayvava be lé olona, na oe mahay miatsaravelatsihy be sy gaigy be raha handainga, na oe kizitimbelona sy sarotra iaraha-monina sns ..., isafidy iray hafa indray ve sa zay mitsy ve le anton'ny fanontanian'Sitlo oe fa maninona no iray fotsiny no safidiana?
11. ikaretsaka ( 13/04/2009 22:00)
Mitovy fijery @ koditra
12. soanja ( 14/04/2009 04:44)
Koditra:

Ny fahitako azy koa ry Koditra dia eny amboalohany dia misokatra ny fandraisana rehetra, eo ara misy mahalaza mihitsy hoe "Tsy misy fetra ny fitiavako anao sns.." ka na dia nampifilafila aza ohatra ilay sipa dia iny aza vao maika mahatonga anao olona iray tara aminy. Fa rehefa ao anaty fiarahana kosa dia tsy mieritreritra ny androany intsony ilay olona tia fa ny ho avy sy ny taranaka. Eo no matetika ny miforona ny boundaries na limits na fefim-piaina. Asiana fetra ny fahazakana. Mila mamefy ny fiainany izay tia ary mila miezaka miditra ao anaty fefy ilay tiavina. Mifamaly anefa ireo ao anaty fiarahana.

Raha iverenana zany ny subject ny sitlo dia misy ny fitiavana saingy miovaova izany arakaraky ny zavamisy eo amin'ny fifandraisana.
Ny fanambadiana indray dia ny fikatsahana ny ho avy, izay samy fanirian'ny rehetra avokoa amin'ny ankapobeny.

13. xxx ( 14/04/2009 05:47)
tena mi existe ny olona tandrify ny fitiavanao ka!
izany hoe ny olona tiana, ary rehefa samy mifanojo io fitiavana io an! tena sambatra be daholo ny roa tonta....
14. sitlo ( 16/04/2009 06:37)
Ilay izy aloha ekeko hoe misy ilay tsy olona tsy foy. Fa ny tiako tenenina dia hoe tsy ny saina ve no namolavola izany inconsciement tao hatramin'ny mbola kely.
Ohatra fotsiny hoe: ny akamaroan'ny coup de foudre mahazo ny lehilahy dia avy amin'ny vehivavy misy itoviazana amin'ny reniny. Izany hoe mitady ny zavatra nialany (complexe de home) ihany.
Tsy tsara ve raha tsy asiana mivady izany fa tonga matory any amin'izay tiany ny iray tanàna? Sa lasa misy himenomenona indray hoe: aleo hilamina dia misesy fa lasa any amin'ilay manja be daholo ny vahoaka. :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0803