departement française

1. lema ( 04/04/2009 21:18)
ny hetrao ra averina omena ny frantsay i mdagasikara
novalian'i xxx ny 05/04/2009 19:43
2. bazylou ( 04/04/2009 21:51)
na izaho pro tgv aza dia hoy aho hoe " aza manonofy fa sao manangatra eo ny menalamba"" :lol: :lol:
3. yonikafopl ( 05/04/2009 06:43)
mety hanaradia an Mayotte tsy ho ela mintsy Dago ra zao ka, mba hitazomana ny petrole ho an Total tanteraka.
4. aikon ( 05/04/2009 07:04)
miarahaba ny rehetra aloha ee
tena mahagaga raha mbola misy gasy miheritreritra
ho zanatany indray @izao fotoana iainantsika izao mbola
tsy ampy antsika ve ireny nataon'ny frantsay t@ razambentsika ireny de mbola misy gasy sahy milaza sy maneho izany evitra izany ve eto ee
tena amikop olona voakarama ianao izay nampiditra io hevitra io
merci
aoka mba hanana ambom-po isika malagasy
5. lasa ( 05/04/2009 09:27)
Milamina aloha r'ise a!mba eritreritra nandalo ny azyiny de naborany hiarahamandinika fa aiza kosa no hoe:"voakarama".Aoka ho tony hatrany isika ato @serasera. :*
6. badboy ( 05/04/2009 10:05)
aikon >> Ilay mitodika mijery ny ao afara lalandava fa tsy miezaka ny mitsinjo ny ho avy no ratsy!! Noho izany ilay hevitra na tsy eken'ny maro aza dia azo tohanana!!

Tadidio fa na dia nahaleotena aza ny gasy dia ny toekarenantsika niankina lalandava t@ frantsay! Noho izany ilay fahaleovantena fiatsarambelatsihy fotsiny, ary na Ravalomanana niezaka ny hijery lalankafa aza dia nahatsapa fa renimalala no havokavoka mapiaina ny gasy!! Tsy afabela no dikany!

Nefa kosa azo atao raha misy ny finiavana tena hampivoatra, ny miala tsikelikely @ fiankinana @ renimalala! Dia ny fampirisihina ny fananganana orinasa gasy fa tsy ny fanampotehana azireo tahaka ny nataon'ny teo aloha mba hividianana azy moramora!!! :idea: :idea: :idea:
7. locl ( 05/04/2009 10:39)
Raha mahatsara zavatra moa ve tsy efa natao hatram'izay, sa hoe tena tratran'ny krizy marina La Frantsa ka mitady izay hananany reserve.
Asio Referendum e!
8. mosabe ( 05/04/2009 10:47)
locl:

Raha mahatsara zavatra moa ve tsy efa natao hatram'izay, sa hoe tena tratran'ny krizy marina La Frantsa ka mitady izay hananany reserve.
Asio Referendum e!

C'est pas aussi simple...

Ialahy no te hinono azy f'angaha iay nanome sopapa ...

Avec Andry nous sommes colonisés a nouveau , nefa tsy milaza velively izany hoe omeny zom-pirenena ialahy ...

Miala tsiny fa diso totaly...

Gres bitumineux no any Dago , izany hoe carburant ratsy qualité , raha mora ny vidin'ny gazole dia tsy misy valera ,

F'angaha ry zareo ao @ zone franc oahatra nahazo nationalité ,tsia ry donto isany...

andevo no sokajinareo depuis 17 mars 2009 .


9. badboy ( 05/04/2009 11:24)
Marina fa tsy mbola nanome io hevitra hahatonga ho département io ny frantsay ary tsy ho hety mihintsy ny hoe hanao référendum ny hiverenana ho frantsay dia ampy satria ny frantsay efa tsy irery intsony fa efa ao anatin'ny U€, ankoatr'izay ilay fanekena ny fahaleovantena tsy afaka haverina intsony!

Ilay fanambarana fa ho lasa andevon'ny frantsay dida tsy fahalalana ny atao hoe andevo no mahatonga miteny izany, na koa angamba vokatry ny fahatezerana be na fialonana koa ohatra! Ny andevo dia olona tsy mananjo ary tsy mandray karama @ alan'ny asany! Noho izany fiarahamiasa no fiantso azy fa tsy fanandevozana!

Tsara ilay fangatahana mamaky gazety sy fanomezana lesona ireo lazaina tsy apmy fianarana! Saingy anjaranao nahita fianarana koa ny mampiseho ny lalana tena marina fa tsy miteniteny foana ianao na milaza teny tsy voafehy!! :twisted: :twisted:
10. Mirananirina ( 05/04/2009 19:07)
samy manana ny heviny moa,fa raha ny ahy indray tsy raisiko hoe zanahany izany intsony ,fa au moins,mihena ny mahantra e,mety tsy ho be intsony ny mpanendaka,milamina ny tanàna.
11. xxx ( 05/04/2009 19:43)
Avereno t@ taona 1896 ny fandaminana ny raharaham-pirenena dia hilamina isika .Tsy misy afa- tsy izay no vahaolana manankery .Ny ankoatr' izay dia fampandriana adrisa sy fanambakana ambadika daholo ho an' ireo izay maneho ny heviny eto . :oops: :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1161