Toony tsy handany andro be loatra ry zalah a!

1. xxx ( 03/04/2009 06:45)
Raha ny fahitako azy dia efa tongotra by an-dakana ny an'ny TGV ary tsy hihemotra izany izy n'inn n'inn fanakianan ataon'ny firenen-dehibe sy ny vondrona iraisampirenena aminy. Ary misy am'reo fihetsiketsehana fotsiny ny mody fanamelohana fa mijery ny tena paikan'i TGV izy aloha, eto isika miara-mahita fa ho avy hanantona tsikelikely eo ihanyireo mody mihataka ireo rehefa hitany fa miroso ny fiasan'ny TGV. Noho izany dia tokony tsy handany andro hitokona lava ny amin'ny fanoherana ny tsy faznarahan-dalàna ny TIM fa raha ny mety aminy dia ny fiomanana sahady ny @ fifidianana iay ho avy. Izao dia efa tokony hijery olona azo antoka sy itokisana hasolo an-iDadan-jareo fa na izy aza tsy ho tody amin'io sezany io intsony raha mbola eo amin'ny place-ny ny HAT. Tsy aleo ve miomana fa raha tonga anie ny fifidianana dia eo no hotsarain'ny ataony avy ny tsirairay e! ny TIM koa anie toa mba be mpanaraka ihany ka tsy aleo ve miandry kely raha te-hahazo fandresena indray e!
novalian'i Oay ny 03/04/2009 07:19
2. essera ( 03/04/2009 06:55)
Marina izany, fa ny tena olana izao dia miezaka mafy ny hi-discréditer ny HAT ny mpanohitra. Mampalahelo aloha ireo very asa noho ny heloky ny sasany.
Asa raha hitombina ity teneniko ity fa ho lany vatsy miandalana eo ihany ange ilay pgrevy ireo d hangina fa le lazon'ady no tsy hay.
Ny vahoaka efa lazain'ny mpanohitra fa tsy classe mantsy (tgv) manana lazon'ady be amin'io resaka io satria efa zatra ts manana, fa le efa zatra nilona tao anatin'ny metimety no ho tena sahirana.

A suivre...
3. Oay ( 03/04/2009 07:19)
Efa nolazaiko anao io ry essera a! ny mafy ady efa zatra tsy mihinana ka na hofaty eo aza d tsy miala satria efa izay no andrasany!
Fa ireto tsy ambony tsy ambany ireto d somary kelikely saina ka tsy mahazaka ny tsy mihinana izany d lasa fohy fisainana ka mihevitra fa ny fiverenan'i Marc Ravalomanana ihany no vahaolana, koa rehefa hitany fa hosarotra ny fadidiana d miala tsikelikely ireo.Gaigy anie ilay kozy hoe"Ny anarahana Andriana d ny hena" ka rehefa lany ny hena d mipitsipitsika ny pokona é!
Momba ny fianakaviambe iraisampirenena d mbola averiko fa toa izao anie no nahazao an'i dada fa nanaiky ihany ny fianakaviambe iraisampirenena avy eo é!
Satria mba manaova fanadihadiana hoe iza moa ilay Ramandimbison io d hohitanareo ny valiny raha tsy ilaza hafa tsy io za!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2389