Manana poids ihany lé TGV fa tsy araka ny lazainareo a.

1. essera ( 03/04/2009 06:22)
Salama é.

Raha ny nivoaka tam vao2 tam tv omaly tam station maro2 mba ts ho feon-dakolosy tokana d b mpanotrona sy mpakafy ihany i Andry TGV tany Fianarantsoa sy Tuléar. 1ère sortie tany amin'ny faritany iny nefa dia nanaitra. Tsy maints hisy hiteny hoe nisy an'i Rossy tao na ohatr'zany fa azo atao ko ny mitondra jerry marcoss.
Conclusion izany dia vahoaka ireny fa ts olona 2 000 na 3 000. Zah aloh ts nanampo an'ireny mits fa d izay aloha ny zava-misy ka enga anie iaraha-manaiky.
novalian'i xxx ny 03/04/2009 11:12
2. ravatorano ( 03/04/2009 06:34)
marina tokoa izay
fa aza hadino fa raha tsy navoaka i Pety tzsy nahazo olona toy ireny izy satria i Pety ange ka mbola manana ny toerany lehibe ao Fianarantsoa na dia atao hoe aza " enfant terrible" !
Toy izany koa ny tany toliary izay misy ny foibe toeran'ny Monima kamivimbio ary koa aza hadino fa ny 01 avril 1971 no nipoaka tany antsimo ny fikominana notarihan'ny Ray aman-dReny Monja Jaona.Ny zanay anefa amizao no lehiben'io antoko io ary vao avy nakalaza izany faha 38 taonan'ny fikomiana tany izany ry zareo ka Rabearimanana izay mpitarika ao amin 'io antoko io ihany koa no nanotrona sy nitarika ny fahatsiarovana tany.
Tsy nifanalavitra izany ny andro ary i Monja Roindefo na i "Ndefo" (izay no fiantson'ny olona any antsimo azy) dia toa an'i Pety sy rolland Ratsiraka (Toamasina) ny "côte de popularité"-ny any !
Na teo aza i Rossy tsy d azo lazaina fa nahatarika olona izany
eo koa ny fitia te hahita sy te hahalala an'i Andry Rajoelina mivady
Za manokana aloha efa nanampo ny toy ireny raha vao navoaka i Pety ary koa efa nahatsinjo mialoha koa fa ho tomefy olona any toliary raha midina any ny HAT satria Ravalo tany farany nahazo tora-bato sy kianana be
Ho sahirana tokoa Ravalomanana hiverina eo amin'ny fitondrana amin'izao na dia tsy ara dalana aza nyfitondrana ankehitriny fa dia efa miaina ao anatin'io moa izao ny vahoaka malagasy rehetra na ny mpanohitra nya ny "majorité silencieuse" izay tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa fa mila ny fanaran-dalana na ny mpankafy ny fitondrana.
:wink:
3. myari ( 03/04/2009 06:41)
Mety ho marina tokoa hoe nahazo olona izy kanefa amiko aleo koa haneho hevitra ny andaniny dia ho hita eo izay mitranga e! hatramin'izao anie dia lazaina izao atsanga tsy aman'orana rehetra izao hilazana fa tsy mahomby ny teo aloha ary dia netina t@ fampihorohona daholo ny zava-drehetra, nofahanan-dalitra ny olona ka aleo hoavy ny andro manaraka hitsaran-tsika azy fa aza dia maika loatra manambara fandresena .fa tsy lasa halavitra e!
4. essera ( 03/04/2009 06:50)
Slt ravotorano,

Tsara ihany ange ny stratégie an'léry (tgv) satria tsy ho stable mihitsy io raha tsy olona mamim-bahoaka no apetraka eo. Samy mety manao parachutage na izay teo aloha rehetra fa ny tsy mety hoe olona tsy eken-teny eo amin'ilay toerana no apetrakao.

Slt miary,

Inona aloha no tena dikan'ilay hoe majorité silencieuse satria raha ny fijeriko an'io teny io dia hoe be lavitra ny tsy miteny noho ny miteny. Fa entiko amin'ilay lojika kely iray koa hoe : ny zava-miseho ange no tena ahitana ny taratry ny any amin'ny oul mangina koa. eritrereto ihany ange...
5. essera ( 03/04/2009 06:58)
Nisy adino kely ry myari, tsy mino à 100% aho hoe atsanga tsy aman'oranaa daholo izay fitakian'ny oul nandà an'i Dada. Matoa nisy ireny dia nisy tena nisy antony fa tgv ange leader ian fa betsaka ny tsy nety tao.
6. xxx ( 03/04/2009 07:15)
Amiko dia tsy poids ireny,fa curiosité no betsaka, izaho manoratra ity zanak\'i TOLIARA ,izahay tsy mpomba anDR8,raiso fotsiny hoe\"antananarivo feno vakinankaratra avy antsirabe\" hoatr\'izay toliara ry longoko iaby,ka logika be raha premier Ministre ROINDEFO Tandroy ary i LAHINIRIKO Mahafaly no mahazo toerana nangalarina sy notendritendrena fahatany,raha milaza an\'i Pety sy Fianarantsoa ianareo dia noho izy avy ikalamavony sy dahalohalo toetra no nialan-dra8 taminy ,tsy raha nanjary tao fianara tao toy ny eto tanà i Andry RAJOELINA Maire,koa raha ireo no lazainareo fa hitondra soa ho an\'i Gasy izay efa voadaka etsy sy eroa,dia enga anie mba ho samia velon\'aina ho tahian\'andriamanitra \"tsy ozona hoan\'i Gasy ity satria izaho Gasy fa AMPEMBY SY KATSAKA TSY LANIN\'NY BIBIN\'NY tany MANDROSO miaraka amin\'ny ANTAKA sy BALAHAZO MAIKY aoriana kely NO HO FIHINAN\'NY GASY AVY AMIN\'NY PAM!!!!! ary ho lasa makorely ny 80% ny ajaha na kilonga ampela gasy ary tsy an\'asa ny 75% ny lehilahy gasy,olona tena maha araka tsara an\'i Madagasikara sy ny toe-tsaina gasy izaho mivola izao,ary ho tsapanareo tsy ho ela ny voka-draty ty mamonjy boity miaraka amin\'DJ!!!!!! ity fa tohano avao lehiroa.......
7. essera ( 03/04/2009 07:29)
Tonga dia extremiste be mantsy ianao sad tonga fofona be ka ity misy rano mangatsiaka kely.

Eto Antananarivo izao no fantatro ny mikasika azy ry "xxx". Betsaka ny olona manana bonne initiative eto amin'ny firenena. Raha ny propagange Andry tam communale dia "tana moderne". Tsy poins anefa ilay izy rehefa natao ny compte satria ny antony dia NOFINGANINA sy NOSAKANANA tanteraka izy teo amin'ny fanantaterahana "Raha vao tsy TIM no eo dia tsy misy fanampiana ho an'Antananarivo" teny tamin'ny propagande Rafalimanana io fa tsy foroniko. Aiza no capitale Mcar no ampitoviana amin'ny commune Ambanivohitra. Lava be iny resaka iny fa herintaona ohatra izay dia leo lery farany.

Fehiny dia na izaho na ianao dia afaka manao zavatra tsara sy mampandroso ny firenena rehefa tena ao ny finiavana voalohany ary tsy misy ny famingapinganana. Ny fahatelo farany dia raha tsy manana ilay toe-tsaina hoe mandalo ihany aho no eto ka eto aty ilay gony angoronako ny anjarako rehetra loha.
8. Andribe ( 03/04/2009 07:48)
salama

raha ny fahitako azy ny momba ireto ''majorité silencieuse'' moa dia iza ary misy firy. Ny aza hadinonareo fa mety mangina koa ry zareo satria matahotra na voatery na miandry. Ary @ ireo firy moa ny intello hoe afaka mahatakatra ny zavatra marina satria raha ny fahitako azy dia mbola mora manipuler na ny gasy raha vao maheno demagozia sy mahita vola. Izany hoe tsy misy hafa afaka mety hanova ny eo @ fitondrana na atao atao hoe tsy aradalàna aza izany izao satria izy ireo no tompon ny communication sy ny rehetra izao. Ary voafetra ny zavatra azon ny tsirairay jerena. Izany libre communication izany dia tsy misy na dia 30% aza n'aiza n'aiza. Ny miseho n'aiza n'aiza dia ny la loi du plus fort na dia tsy aseho mibaribary aza izany. Raha izao no misy fifidianana na io assise nationale io na referendum dia tsy misy afaka miteny betsaka ankoatra ireo olona membre na pour an i TGV satria izy no tompon ny pouvoir.

Nefa na izany aza aza hadino fa za koa anie mety filoha raha manaiky nareo eto @ serasera eee =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)). Afaka asiana statistika izany raha mety ra hery hihihihihi
9. locl ( 03/04/2009 07:50)
Tsy misy 100% zany fa ny olona any province koa mba te hahafantatra hoe iza moa io DJ io, fa raha ny momba an'i Pety aloha dia tsy hoe ny ao Fianara no tia azy, na t@ ireny 2002 ireny aza ange dia tsy misy mpitarika fotsiny dia izay no ni-lancé azy e! Tsy tia an'iny ny olona ao fa jereo tsara raha vao misy fifidianana eo, C'est la honte au Betsileo izao satria olona avy nanrary saina tany ampigadrana no atao modely eo @ fotondrana.
10. xxx ( 03/04/2009 07:50)
amiko an, @zao fotoana dé tokony handé hamory olona eraky ny faritra ireo deputé TIM reo.
lasa resabe foana ny oé, zahay no tompon'ny tena vahoaka, sy ny sisa.
efa nandé zao i TGV iny, asa ny @ manaraka. fa tokony mandé koa ireo TIM reo, sy ny mpanampy azy, dé hita eo koa, fa vahoaka maro analinkisa no mamonjy ny fivoriana ataony.

fijeriko zany, dé na aona na aona @zao fotoana. isika efa tsy afaka ny hiemotra zany tsony é. hamerina an'i ra8 eo ndray V? zay V no tena ara-dalana?
na ny TIM aza ngé, efa mahatsapa fa tsy afaka niteny teo aloha é. porofo, maninona izy no mampiasa ny kianjan'ny demokrasia?? zay kianja nolaviny t@ fotoan'androny!
lazaina koa fa antemaka ny fikarakarana lay "assise"! fa zao fivoriana ataon'ny TIM androany zao, ao @ carlton V efa voaomana efa hatry ny ela?

aoka ré a!
11. ravatorano ( 03/04/2009 08:19)
tena marina fa mora manipulé-na ny vahoaka malagasy ary mora manadino ihany koa ka tsy mahagaga rha tonga amin'izao toerana misy azy izao.
io na rapaoly na rakoto d afaka miteny sy mamorona assise avokoa amizao ary tsy fantatra tsony izay antomotra sy akaiky fa samy amin'ny filazany avokoa
izay no tena manahirana eto amitska mora mivadika palitao loatra ny mpanao politika eto ary izay tsy mivadika indray dia lasa extremiste.
Jereo ny Arema,ny UNDD,ny MFM fa nandalovan'izany avokoa
Raha mbola te handrombaka fitondrana ny TIM dia marina loatra ilay hoe mandehana manao fanentanana olona any amin'ny faritra nahalany anareo avy fa hisoko miadana anie ny tgv sy ny klikiny e ka izay nareo vao hanjavona tanteraka eo fa zara raha hahazo ny 10% hamerenam-bola !
Teny tsy misorona izay sady amizao mbola misy ny mpomba anareo,dieny mbola tsy mivadika dieny mbola mfana fo amin'ny ara-dalana !
12. ifiona ( 03/04/2009 08:32)
efa niezaka nanao manif anie ireo tim fa nosakanana sy notapenam-bava tany Mahajanga e. Jereo ilay dinika momba ilay zava niseho tany Mahajanga ao ambanibany ao.
13. bazylou ( 03/04/2009 08:44)
izao ve vao tsapanareo izany e??
14. Andribe ( 03/04/2009 09:03)
lasa zao an hanaovan i tgv resaka alamina eo nareo de hadino koa i ravalo

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
de za koa no hiakatra filoha refavieo de ravotarano atao minisitrin ny serasera
15. essera ( 03/04/2009 09:50)

Ny manipulation eo ihany fa ny rotaka dia ny fampanantenana poak'aty.

Teny aminay izao tamin'ny communale dia nisy niteny hoe hamono omby 5 ho an'ny mponina aho raha lany. D oz le bandy iray izay tena directly maitsn, tandremo ary ts tanteraka ka mifamonomono eto isika.


D ozy le nilatsaka maire :lol: :lol: :lol:
16. xxx ( 03/04/2009 11:12)
marina mihitsy io kôzin`i Zokibe Ravatorano io fa ny antoko TIM aloha no tokony hanao rodobe voalohany ary tokony hanetsiketsika ny commune rehetra izay nahalany azy dieny mbola mazoto sy be dia be ny olona manohana ny ara-dalàna . Rehefa maro be anie ny hetsika , lasa adala ihany ireo Capsat mpamoritra ireo e ! Fa na izany na tsy zany aza aloha mila fiheverana manokana ny momba ny CAPSAT e ! Io ihany no tena olana goavana ho an`ny ara-dalàna amin`izao !!! Zaho tsy mino hoe lasan-dry zalahy daolo ny Tafika manontolo fa mety vitsivitsy ihany fa coup de poker sy Bluff no be dia be ! Efa milay aloha lay toraka grenady tsotsotra teo Ambohitsirohitra na dia intimidation fotsiny aza aloha !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.239