Let's move on!

1. soanja ( 03/04/2009 02:20)
Mahakely finoana ahy ny hiveranan-dRa8 eo Tompoko fa dia hoy aho hoe " Voizo ny lakantsika!" sady " Roahy fa hariva be!" " Lakana tsara voy, mahafaka onja"

Ezaho ny hisian'ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

Ao anaty filaminana ihany no ahafan'ny rehetra mandinika ny tetikady mahomby.Tsinjovy ny ho avy! Tsy tara ny fanomanana izany ary tsy mety ho tola koa.
2. patrick2002 ( 03/04/2009 02:46)
ny mpitondra re mandalo ah! fa ny firenena mitoetra
namaste ^:^ ^:^ ^:^
3. milamm ( 03/04/2009 03:44)
tsy matotra zany rapaty fa aza mirediredy,ny vokatry ny nataon'ny ireto mpitondra zanaky ny Padesm rehetra izay no mampitoetra ny firenena ao anaty hitsoka lalina 1975-2009 tokony hajanona izany @ izao fotoana ka inona ary no navelan'izy ireo ho an'ny firenena ,ady seza ,vono olona sy trosa miavovona ra mitohy moa dia haka ny laharan'i mugabe,suharto,polpot i radidy sy celine velonjara :evil:
4. soanja ( 03/04/2009 04:24)
Zah zao vao saika hiteny hoe i Zafy Albert angamba no mba hany tsy nangalatra teo nefa asa moa. Mampalahelo ny Malagasy lasibatry ny fanambakana sy ny tsindry aloka ary ny famoretana.

Voizo malaky ny asizy ary ataovy makotrokotra ny akony fa tena izay izao no tena mba mahamaika raha ny fahitako azy!
5. milamm ( 03/04/2009 04:38)
marina fa i Zafy Albert ihany no tsy nangalatra nefa ny naodidina azy de nanao
soanja a ,raha tsy miala ny basy sy tafondro atifitra sy ampitahoran'ireto miaramila mpikomy ireto ary mpandray anjara toy ny rehetra i Andry sy ny loyaliste @ deba tsy hisy ho vanona izany fihaonambe-mpirenena izany na dia samy maika aza isika
6. yuka ( 03/04/2009 05:38)
Zafy sady tsy nangalatra no tsy nividy force one no sady tsy nanana orinasa
maro,nefa nahongan'ireo mivelona amin'ny bizna seza ireo :-D :-D :-D
ireo ihany mpanongana eto na mangalatra na tsy mangalatra refa tsy mahazo
seza ny ekipan'ilay raikalahy taloha sy ny dinozoro dia tsy maintsy mihongana
zay no anarany :-D :-D :-D
7. ifiona ( 03/04/2009 05:40)
za koa aloha dia tsy dakiôro fa na ho ravalo na tsy ho ravalo no eo, za tsy mila an'izay tgv hitondra ny fireneko e!

izy miseho azy ho favo be miavona ireo fanampiana avy any ivelany io, hatr@ rahoviana no hitondrany ny fireneko anaty akady?


8. sitlo ( 03/04/2009 05:50)
yuka:

Zafy sady tsy nangalatra no tsy nividy force one no sady tsy nanana orinasa
maro,nefa nahongan'ireo mivelona amin'ny bizna seza ireo :-D :-D :-D
ireo ihany mpanongana eto na mangalatra na tsy mangalatra refa tsy mahazo
seza ny ekipan'ilay raikalahy taloha sy ny dinozoro dia tsy maintsy mihongana
zay no anarany :-D :-D :-D


Ekena tokoa io. Fa ampiko kely fotsiny hoe Zafy nitarika olona hanohitra an-dRatsiraka 1991, avy eo nanohana an-dRatsiraka ny 2002.

Villam-panjakana sy tranom-panjaka maro no nozaraina tamin'ny mpanohana an'i Zafy.
Vola be mikararana no natobaka ho an'ny depute tamin'ny andron'i Zafy.
Zafy no namadika ny fampianarana ny vahoaka malagasy ho teny frantsay...

Be dia de, fa ny tiako tenina dia hoe: Zafy mody mahantra sy mody tsara resaka. Mifankaiza amin'ity dinika ity?


9. ravatorano ( 03/04/2009 05:56)
iza moa no tena nanongana an'i Zafy teo amin'ny fitondrana
tsy ireo herivelona rasalama niaraka taminy ihany ve ?
Ry Ndrema niaraka tamindry Voninahitsy nampian 'i Pety !
Asa raa nisy nahatadidy fa tamin 'ireny ilay nalaza ilay hoe "géométrie variable" nisy tao amin'ny antenimieram-pirenena.izany hoe tsy azo antoka hanana hazon-damosina ny solombavambahoaka fa izay misy na manaome voal azay ihany no arahany.
Tratry ny "empechement" i Zafy tamin'ireny vokatr'izay ary minoa ahy ianareo fa amin'izao aloha vao miatomboka mbola tsy ho htia izay fa mahandrasa kelikely eo fa dia hiverina indray io fomba ratsy io !
Ravalo aloha tsy ho tafaverina eo amin'ny fitondrana intsony raha izao no mitohy ary tokony hanao opposant tsotra toa andry Zafy sy ry Rakotovahiny ny TIM ary hiandry ny fifidianana manaraka ,izay sisa hery fa manjary mitondra olona haratra sy hifampihantsy etsy analakely isan'nadro izao.
Ny vahoaka no vizana sy vaky loah fa ny mpitarika anie tsisy maninona izany e
Io efa mahazatra foana fa dia isika vahoaka moa atao ahoan fa entin'ny hafanam-po be izay hany ka manao zavatra tsy ampihevernana indraindray
10. essera ( 03/04/2009 06:27)
Ny an'i Zafy ry reto dia resaka compétence ange no nahavoa an'léry. Raha nahatadidy ianareo nasian'i Ratsiraka ampahibemaso izy tao amin'i Hilton tamin'ilay hoe : "Vakio ary ity budget financier ity " (miala tsin ra diso aho a amin'ilay anaran'ilay document) fa nifararemotra zafy dia hoy i Zafy hoe anaovy aloha ny solomasonao (satria deba tam zany efa nanana prob maso.

Ny antony iray ts napalasa an'i Zafy koa a d nametraka na tsy niharihary be ny cause côtière. Ananako porofo io fa lava b loatra d kamo nareo amaky raha tsy hoe hanontany anah hoe inona ary ilay izy.
11. xxx ( 03/04/2009 09:04)
tena misy mihitsy ny olona lasa adala ato l - et's move on @ inn?
12. Oay ( 03/04/2009 09:41)
Ny tena olan'i Pr Zafy d izy tsy mazava saina tsy tonga d mikozy izy ohatra momba ny heviny @ resaka foko! fa ohatrany manana lolompo izany i dadabe!
13. soanja ( 03/04/2009 13:37)
xxx:

tena misy mihitsy ny olona lasa adala ato l - et's move on @ inn?


Ny atao hoe adala raha ara-pamaritana dia ny refy midangana ny tsy fahafahan'ny olona iray mampifandray hevitra sy ny zavatra ataony ka ho azon'ny hafa na ny olombelona mitovy aminy ary ny tsy fahafahana mifandray amin'ny hafa noho izany fihetsika na seho izany.
Ny anao izao dia azoko tsara hoe tsy sahy mamoaka ny momba anao satria hanasoketa olona no tianao atao, donko tsy adala zany ianao. Fantatro koa fa matoa aho fa mahiratra mahalala izay olonao izay dia tsy adala koa aho.

:-* :-* :-*
14. soanja ( 03/04/2009 13:40)
Oay:

Ny tena olan'i Pr Zafy d izy tsy mazava saina tsy tonga d mikozy izy ohatra momba ny heviny @ resaka foko! fa ohatrany manana lolompo izany i dadabe!


Tsy mahazo loatra an'i Zafy aho noho ny resaka federalisma asesiny sy ny tsy fahaizany mitondra fanjakana fa kosa izy angamba no mba hitako hoe azo niafiana tamin'izay nandalo teo elaela.

Alao koa zany ho hita ny manaraka. Olon-kafa aloha fa tsy i Pr Zafy mihitsy.


15. Oay ( 03/04/2009 13:46)
Tsy azoko mihintsy aloha i dadabe Zafy é! maninn ary raha miala sasatra amizay fa tsy mandrangitra ny olona fotsiny, soa ihany aloha fa tsy mahatarika olona intsony é!
16. soanja ( 03/04/2009 14:09)
Mandreraka be mihitsy ireo goaikantitra rehetra ireo . Tsy Zafy ihany fa tena ananantsika betsaka izy ireo azo isaina amin'ny tanana sy ny ratsan-tongotra ny isany na ao Mada na any an-dafy.
17. Oay ( 03/04/2009 14:21)
Ny tena gaigy d ry zareo anie efa mangozohozo fa toa vao trerominy fotsiny koa ilay ambiny d mangina é!
Fa ny olan hitako koa d i Manandafy sy Pasitera ohatra tsy mifankahazo mihintsy d refa atsy @ ilany i Pasitera d adva i Manandafy.
D misy moa ny habean'ny molotra sy ny maha malama vava no hanovanovana ny marina.
Mino kosa za fa tsy ho ela intsony d hody amizay ireo andrarezina ireo d hifaly ny Malagasy satria nahalavo tendrombohitra.
Ilay Ratsiraka iny izao raha hendry d mody any Vatomandry d tsy mikozikozy intsony fa nampalahelo anie i dadabe t@ ilay niteny hoe "mafy ny mahazo anay fa na ny mandevina ny mpiraytampo aza tsy azo natao"
18. ravonjison ( 04/04/2009 12:00)
Tsy hisy filaminana sy fandriampahalemana izany eo ry zareo ireto a. Efa hita fa NY FANONGANAM-PANJAKANA DIA MANOME VAHANA FANONGANAM-PANJAKANA HAFA @ manaraka ( n' inon' inona antony nanaovana izany).

Tsy faniriako io akory fa lojikan-javatra. Ka sao dia misy manantena hoe : efa nahazo seza aho izao ka avelao @ izay hilamina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1516