Aoana no atoa mba tsy te hisy tsatsakotra

1. rtcflora ( 02/04/2009 22:43)
Salut daholo ! aoana no atoa mba tsy te hisy tsatsakotra fa za mahita olona refa bevoka de feno anireny ? za mbola tsisy ary ny famillako toa tsy aitako fa tsy tiako hisy amna le maramara be iny. Telo volana ny kiboko ary mangididy fa tsy saiko kitikitihina na okorina .Ka mba mila fanampiana aminareo oe aoana no tsy hisiany amna fa za kely 1m52 43 a45kg sady kely nono ko za satri manko oditra mienjana na miketrona na mahatonga anireny. Fa ny kibo sy nono no tena atahorako fa ny ranjo sy fe tsy misy olana . Ka mba omeo hevitra e misaotra e.
novalian'i ariel ny 20/07/2009 17:00
2. vale ( 03/04/2009 00:08)
Asio crème anti-vergéture, jereo any amin'ny pharmacie, na eny amin'ny grande surface koa aza misy!!garantie tsy misy mihintsy izy amin'iny.
Na ny efa misy aza mbola mampiasa foana(ohatran'ah) fa ny ahy indray ny fe no misy satria nahazo poids be za, za koa anefa kely hendaka kely taloha, dia nasiko fa nanjavonjavona(tsy mbola hita manko izao ny fanafody tena mahafaka azy tanteraka ankoatry ny laser, alors que ca coûte très cher!!).
3. volazara ( 07/04/2009 12:01)
ity misy torohetra kely Rehefa mangidihidy ny kibonao dia safosafoy fa aza akorina za mantsy efa tratra anio
4. Naxy ( 14/04/2009 05:58)
Za aloha misy e satria tena nahavatra, fa ny notenenin'olona hoe hotrorina fa tena ny hoditra izany hoe ampidirina any mihitsy ny tanana fa tsy horina avy ety @akanjo.
Nolazain'ny radio koa hoe huile d'olive no ahosotra fa amin'ny ilay izy vao manomboka misy iny no efficace fa tsy rehefa feno be.
5. Lejoba ( 14/04/2009 12:46)
i Madamako niteraka telo fa tsy misy tsatsakoatra na ny pindiny aza, sérieux eh, efa no-vérifier-ko mihitsy partout?????????. Bravo Mama ah =D> =D> =D>
Nefa i bavinay, vao zaza tokana dia feno ny laferana, valahana sy izay tsy hitako any.:(
Izao hono ny momba azy io:
1- ny mahatonga azy dia troubles hormonales, olona miha-matavy na mihena haingana loatra. Izany no maha-voa ny bevohoka sasany
2- ny blem dia irreversible ilay zavatra satria toy ny misy zavatra tapatapaka mihitsy any anatiny any, ny lokony fotsiny no mety hiova tsy ilay mangana be iny.
3- fanafodiny : fisorohana, ka ny atao dia miezaka mitandrina tavy. Mandritry ny fotoana maha-bevohoka, ary koa rehefa mifana, dia hydrater-na tsara partout ary orina tsara : ranjo, fe, maoja (hanches), kibo, fitombenana, nono, sandry ets eh. Izany hoe izay faritra rehetra mety ho makiana na hihadongadonga mandritry ny fitondràna vohoka sy rehefa mampinono.
Raha manana produits anti-vergétures dia iny ampiasaina, nefa toa 20€ any ilay flacon iny, sady mety hahalany miohatry ny iray. Koa rehefa mety hi-hydrater-na hoditra dia mety : huile d'amande douce, huile d'aragan, glycérine, tsy haiko ny menaka hafa.
Sasao @ gant de crin, na manaova gommage corporel in-1 isan-kerinandro hanalana ireo menaka be ireo sy hiasàn'ny aoriana indray. Sady manotra malefaka koa iny. Asaivo ataon-dRams raha manelingelina ilay kibo be ka tsy tratra tsara ny faritra sasany fa milay be io :wink:
6. ariel ( 20/07/2009 17:00)
zao a! rehefa misy mangididy eny am vatana mora voany tratrakotra toy ny kibo sy fe sy ranjo zay malemilemy rehetra de fadio ny mihotra am lamba ny tiako tenenina zany ra ohatra enao manao jupe de mangididy ny kibo na fe de aza okorina eo ambony eo fa esory mihintsy de okorina fa tsy hisy tratrakotra mitsy enao mihotra am lamba no mampatonga anio za manko efa tratra de noteneninilay bebeako de narahako ny teniny fa tena marina mihintsy depuis zay za tsy nisy tsony teraka roa za zao tsy misy mihintsy, de zay andramo sao de mba mahasoa anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7305