TIM sy CRN miaraka @ AREMA main dans la main

1. patrick2002 ( 02/04/2009 20:57)
Miova indray izany ny sarin'ady ara-politika amin'izao satria dia lasa antoko mpanohitra ny TIM sy ny CRN Albert Zafy ,ary efa nandefa ny lieutenant ny koa ry Pierrot satria grace presidentiel no azony fa tsy amnistie dikany dia tsy mahazo milatsaka ho fidiana ry Pierrot satria mbola tsy voafafa ny casier judiciaire ny ,ka efa mahohitra sahady .
2. fijo ( 02/04/2009 21:00)
ka ilay kely ity tsy dia misaina loatra ka,tsy te handoto lamba ao ny sasany
3. vilambava ( 02/04/2009 21:04)
Fomba fiady efa mahazatra eo amin'ny sehatra politika ny toy izao ka tsy atao mahagaga fa tokony hahafaly aza. Aoka hazava amintsika fa ny mpanao politika dia tsy tokony hanana fahavalo raikitra na hanana namana raikitra izany. Misy tombon-tsoa arovana ao amin'ny fanaovana politika ka androany mety ny TIM no hitako ho mitovy fijery amiko hanohana an'ilay tombon-tsoa tohanako dia lasa namako izy. Rahampitso indray tsy mitovy fijery amiko izy dia manohitra ahy.
Ny olana amiko dia ny fahaizana mamaritra mazava hoe inona ilay tombon-tsoa izay arovako: TOMBON-TSOA HO AN'NY FIRENENA SY HO AN'NY REHETRA SA TOMBON-TSOA HO AN'NY TENAKO SAMIRERY SY IZAY MANODIDINA AHY IHANY? Mihodina amin'ireo sehatra ireo hatrany manko ny tombon-tsoa izay tadiavina fa ny lanjany sy ny fatrany no tsy mitovy: misy manome lanja bebe kokoa ilay voalohany ka tsy tazana loatra ilay faharoa, ny sasany indray dia ilay faharoa no tena hita miseho amin'ny ataony ka tsy hita taratra ilay voalohany na dia samy ao daholo aza.
4. patrick2002 ( 02/04/2009 21:08)
inona ao @ theorie science politique no misy an'izany ry vilambava ,ary universite aiza no mampianatra an'izany :D :D
5. vilambava ( 02/04/2009 21:17)
Tsy namaky boky sy tsy nandalo very sité ny tenanay fa nandinika ny zava-nisy hatrizay ihany ka namoaka an'io petrakevitra io.
Ohatra fotsiny jereo ny fifandraisan'i Monja Jaona sy Ratsiraka. Nisy fotoana tena azo lazaina fa sakay sy maso ary nisy fotoana nifanohana. Jereo ny zavatra nataon'i Manandafy sy Andriamanjato: misy fotoana mifanohana sy fotoana mifanipaka. Isika mpitazana sy manao interpretation gratuit dia tonga dia milaza hoe mamadika palitao ary hevitra ratsy hatrany no ao ambadika, fa izy kosa matoa mamadika palitao dia satria hitany fa manana fomba fijery mitovy aminy io olona na io antoko io amin'io fotoana manokana io ary afaka manohana an'ilay tombon-tsoa tohanany ihany koa. Tsy mila science politika izany fa mila fahaizana mijery sy mandinika kely fotsiny ihany de ao.
6. fijo ( 02/04/2009 21:29)
theorie pratique applicable à mada io.i ratsiraka no naika hamono an'i zafy 1991,i zafy no mitana ny vaton'ny arema 2007
7. ra8enforce ( 02/04/2009 21:59)
patrick2002:

Miova indray izany ny sarin'ady ara-politika amin'izao satria dia lasa antoko mpanohitra ny TIM sy ny CRN Albert Zafy ,ary efa nandefa ny lieutenant ny koa ry Pierrot satria grace presidentiel no azony fa tsy amnistie dikany dia tsy mahazo milatsaka ho fidiana ry Pierrot satria mbola tsy voafafa ny casier judiciaire ny ,ka efa mahohitra sahady .

ianao indray aza mampiely tsaho eo rapa2002 an
hita mihitsy fa http://www.dailymotion.com/relevance/search/ramora+favori/video/x8i3ds_mpanely-tsaho_music


8. ndretsa2009 ( 03/04/2009 12:42)
mba mila fanampina aho fa betsaka ireo zavatra adinoko nefa te hanoratra foana aho.Misy namana lasa any liban te hifanoratra aminy ako tsy mbola misy adresse
izy.tehiangavy ako hoe misy namana malagasy tsara sitrapo monina sy mipetraka any liban manana adresse mail ka mba azo resahana sy hakana fifanaùmpiana tiaho ampitaina aminao zay mamaky ty sentoko ity;ampio ako fa tiako loatra
zay olona lasa lavitrabe zay misaotra sahady @ fifanampiana na inona endriny na inona fantatro fa tiahy hoa ianao ra afaka mamali ni antsoko;samy malagasy isika
merci; ndretsatiana@yahoo.fr
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1068