TCR Mahajanga = Tanora Contre Ravalomanana = TGV

1. rasobakobako ( 02/04/2009 13:36)
Nitsangana ny TCR teto Mahajanga, Nandresy TGV, an'ny TCR ny tanàna
Miasa mafy ny TCR, ireto avy ny asa efa vita
- tafapetraka t@ fomba ofisialy ny 1er adjoint : metisy comorianina, mikarakara ny état civil
- tafapetraka koa ny directeur iray
- tafapetraka ny responsable centre des jeunes Antanimasaja
novalian'i soanja ny 03/04/2009 13:30
2. reeves ( 02/04/2009 13:46)
ary ny voahenjika ohatran`ny eto Tanà ve ny fihetsiketsehan`ny pro-Ra8 any Mahajanga ?
3. ifiona ( 02/04/2009 13:49)
ny vaovao reko avy any Mahajanga dia hoe nisy manifestation efa prévu t@ talata lasa teo, vao nanao installation ny sono anefa ireo pro ravalo ny maraina dia tonga avy any ireto pro tgv voakarama ( tsy tadidiko intsony ilay olona nanakarama azy kanefa voatonona ny anarany) ary nigaffy ireto pro ravalo vitsivitsy.

Tsy haiko zay tohiny fa mampalahelo ny toe javatra toy izany
4. rasobakobako ( 02/04/2009 13:57)
Mbola saika tohizako izy teo fa nanao fausse manipulation aho
Marina ny voalazan'i ifiona
- nivory ato antranony ireo tim lohandohany, tonga tampoka ny tcr, namono an'Ingahy tompontrano, taitra teo ilay ramatoa vadiny izay tim koa, ka tapaka lalandra satria nahita ity vadiny novonoina, ny 4*4 n'ny tompontrano ihany no nitondran'ireto tcr ny entana, dans le coma any Androva izao izy mivady.
- ny 1 indray afaka ny nifiny
- ny président tanora tim afaka nitsoaka ka tsy mihetsika ao @ gendarme satria matahotra
- ny sasany moa miafina mihitsy
- na ny journaliste t@ m3 tv aza nokendain'ireo tcr fa hoe tsy tokony mampiditra tim ao @ station tv hono
- sahy nivoaka tv ry zareo, manao sarontava anefa, mandrahona, tena maimbo rà e
- izao mametraka olona hiasa amin'izay toerampiasana tiany
- ny mairie aloha izao no tena lasibatra, ny région koa eo andalana
- ny ambiny mbola tsy reko
- ny fandrahonana sy ny geste eran'ny tanàna tsy ferana intsony
5. Bazily ( 02/04/2009 13:57)
Tena saika hanao famorian'olona ny TIM ny alatsinainy, nenjehin-dry TCR tokoa ary nolazainy fa misy voakarama hanakorontana an'i Mahajanga hono ( nasehony t@ TV fa nitondra asidra tsy nitapoka t@ tavoahangy eau-vive :lol: ilay olona, tri-dents vita @ vika ( volosy ) , kimono kng-fu , basy sy bala tena izy ) Tsy tratrany aloha ilay olona fa ireo fitaovana ireo no azony ary nasehony apahibemaso. Teny @ Bazary Mahabibo ny androtr'io dia nisy andianjatovo nahazo olona iray ary voatsindron'antsy io olona io. Nisy anaran'olona voatonona tao ary lazaina fa isan'ny mpitarika ny olona hanakorontana (tompon'ireo zvt voatanisa tetsy ambony ireo, katsahin-dry zareo hatra@zao araka ny voalaza).
Amin'izao fotoana izao dia misy quartier izay somary maimbomambo ady, indrindra raha mamofompofona TIM dia avy hatrany dia lasibatra.
tafapetraka koa ny directeur iray
Directeur technique ao @ Voirie io olona lazain'i Rasobakobako io ary mbola metisy comorien koa raha tsy diso aho izay.
6. soanja ( 02/04/2009 14:10)
Mampalahelo tokoa ny zavamisy any Mahajanga izany. Mivavaka foana ho anareo rehetra any amin'ny toerana feno fanjakana baribarianina.

Mba tiako ho fantatra raha tsy mahadiso ny antony ananonana hoe Metisy komororianina eto 'ireo izay napetraka hoe hitondra. Tsy izany mantsy fa isika Malagasy efa mifangaro ra be daholo tokoa ka aoka tokoa raha possible ny tsy hisian'ny fanavakavahana razana sao izay no vao maika hanisy olana be tokoa. Saingy hevitra atsipy ny ahy iny fa tsy voatery izay akory no tsy maintsy izy fa izay mahamety ny ao Mahajanga ara-kolontsaina-dia izay no tsara arahina.

Misaotra indrindra nitondra vaovao.
7. rasobakobako ( 02/04/2009 14:16)
mety ho azo antoka fa :
- handroso ny tourisme eto Mahajanga, tourisme hajojo a!
- ho betsaka ny voisin komoriana
- mety hahay hiteny komoriana mihitsy angamba isika e!
- ho reglé daholo ny papier an'ireo mi-klandy
- ny chef any @ toeram-piasana ho komoriana daholo, --- nefa illettré a!

Ry zareo kosa ange nitolona e!
Izay no vokatry ny tolona ko!
hadalan'izay tsy nitolona ve ?

TSY ADALA IZAY MANGINA
8. fijo ( 02/04/2009 21:16)
soanja,marihina ilay hoe metisy comorianian,satria,ao mahajanga,"labatoira"dia maro ry zareo ireo.ary efa noroahin'ny vahoaka tao izy ireo tamin'ny 1977.
izao anefa dia maro no tafaverina antsokosoko ao mahajanga,ary izy ireo dia mitady hitondra an'ny mahajanga mba hanomezana taratasy ireo namany.sy ahafahana mitrandraka ny vokatra ao,izay tena ilaina any komoro
9. rasobakobako ( 03/04/2009 07:20)
Tsy hoe tsy fitiavana komoriana velively, sanatria, fa analysen'ny zavatra misy. misy ange ny komoriana tsara toetra, ary misy ny tena ratsy toetra, toy izany koa isika malagasy e! Fa ny risque dia izao, vao 1mois izay no nisy taratasy sandoka momba ny komoriana izay nangalatra ny signaturen'ny 2ème adjointe au maire teo aloha. Dia izay no atahorana hoe lasa ho gaboraraka ny fidiran'ny kaomoriana eto.
Tsy maninona anie raha ara-dalàna no fidirandry zareo eo
Tsy maninona koa raha tsy manakorontana ny malagasy
Fa eto dia ny fitondrana mihitsy no tiandry zareo alaina ankeriny ho amin'ny tombotsoan'ny tenany
10. soanja ( 03/04/2009 13:30)
rasobakobako:

Tsy hoe tsy fitiavana komoriana velively, sanatria, fa analysen'ny zavatra misy. misy ange ny komoriana tsara toetra, ary misy ny tena ratsy toetra, toy izany koa isika malagasy e! Fa ny risque dia izao, vao 1mois izay no nisy taratasy sandoka momba ny komoriana izay nangalatra ny signaturen'ny 2ème adjointe au maire teo aloha. Dia izay no atahorana hoe lasa ho gaboraraka ny fidiran'ny kaomoriana eto.
Tsy maninona anie raha ara-dalàna no fidirandry zareo eo
Tsy maninona koa raha tsy manakorontana ny malagasy
Fa eto dia ny fitondrana mihitsy no tiandry zareo alaina ankeriny ho amin'ny tombotsoan'ny tenany


Misaotra betsaka nitondra fanazavana sy vaovao avy any Mahajanga izany. Ka raha Metisy Gasy ireo olona ireo no metisy Komorianina, ahoana zany no fahitana zany? Ratsy ve???
Ny zavatra toy izany aloha tena mampalahelo tokoa raha misy ny fampidirana antsokosoko ny mpifindramonina sy indrindra fanaovana asa ratsy madinidinika sns... fa izany akory tsy midika amiko hoe ampidirina ny kolontsaina hankahala ny mpifindra monina sy ny metisy. Izay manana papiers ratsy dia ratsy fa tsy izay hoe IREO dia hoe ratsy aby. Misaotra indrindra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.149